Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fahefana: (efa) a. : Fahazoana manao zavatra: Tsy manampahefana hitsara ahy ianao. ? Hery ananana : Loza ny fahefan'ny vola. ? Fahazoana mandidy : Ny fahefan'ny ray. ? Fanjakana, fifehezana : Nisy fotoana nampaneken'ny firenena vitsivitsy ny antsasak'izao tontolo izao teo ambany fahefany. Ahitsio
Fahefany: (efatra) a. : Ampahefatry ny famarana antsoina hoe vata, izany hoe tokotokony ho dimy litatra eo ho e o amin' ny filazam-patra ankehitriny : Nividy vary eran' ny fahefany aho fa tsy nisy hatokona akory tao an-trano. Ahitsio
Fahefatra: (efatra) p.i. : Entimilaza izay mitana ny lahaxana aorian' ny fahatelo : Ny aurily no volana fahefatra amin'ny tanna. Ahitsio
Fahelana: (ela) a. : Toetran'ny zavatra ela : Sosotra tamin' ny fahelan'ny vola karamany izy ka naleony niala. Ahitsio
Fahempohe: (Ski) a : Vala famandrihana voay, lambo. Ahitsio
Fahenina: Enti-milaza ny laharana manarakaraka ny fahadimY. Ahitsio
Faheniny: a. : Famarana ampahenin'ny vary iray (20 1). Ahitsio
Faherezana: (hery) a. : Herimpo, havitrihana, harisihana. Ahitsio
Fahetse: na Karija (Ski) a. : Marika atao amin' ny sofin' ny omby hahafantarana ny tompony na ny fianakaviana niaviany. Ahitsio
Fahiazana: (hia) a : Toetran' ny olona mahia (hahia, hahiazana) : Loza ny fahiazan' it? zozo it? : hita mitrakitraer? ny taolan-tratrany. Ahitsio
Fahihirana: (hihitra) a. : Fitsitsiana tafahoatra. Ahitsio
Fahihitra: (hihitra) a: Ny toetran'ny olona mahihitra, mitsitsy loatra. Ahitsio
Fahiny: p.mt. : Tamin'ny andro taloha ela tany : Fahiny nisy izany olona zenizeny natao hoe Vazimba izany nonina te t3. ¶ M.h. : Fahiny, taloha, ela be, fahataloha, fahizany, fahagola, fahagolan-tany, tany ambadik' Imanareza. Ahitsio
Fahirano: a. : Fanodidinan'ny fahavalo ny tanàna mba tsy hahafahan'ny mponina ao mivoaka hitady sakafo na rano : Raha tsy natao fahirano ny tanànan'Ambohijoky tsy ozo. • Ut. f. : Afahirano, voafahirano / mamahirano. Ahitsio
Fahiratana: (hiratra) a : Ny hamarin'ny fijery, ny mizana. Ahitsio
Fahiratra: (hiratra) a. : Fahatsilo : Mbola mahavariana ny fahiratry ny mason'io antidahy roa amby zato taona io. Ahitsio
Fahita: (hita) p, t. : Hita matetika : Tsy fahita intsony itony lamba itony ankehitriny. Ahitsio
Fahitana: a. : Ny maso. ? Fahalalana : Ny fahitana ny maha-mahantra anay ue no iauonavonanareo aminay ? Fitsarana : Araka ny fahitako ny raharahanareo dia tokony homenao ny karamany. ? Fisehoan-javatra toy ny fanahy, avelo na matoatoa min' ny tena. Ahitsio
Fahitra: a. : Tranon' omby ompiana izay voahodidina vala na fefy na faritra (angamba avy amin'ny hoe faritra ihany ny fahitra; amin'ny Betsileo ny fari-bohitra no atao hoe fahitra axy ny fitoeran' omby atao hoe vala). Ahitsio
Fahizany: p,mt. : Taloha ela, fahiny. Ahitsio