Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famingafingana: (fingafinga) a : Fanerena hamindra manao dingam-pohy matetitetika. Ahitsio
Faminganana: (fingana) a : Fandavoana amin'ny tongotra izay alefa mba hifanena amin'ny tongotry ny hafa mihazakazaka na mandeha haingana ka mahalavo azy. Ahitsio
Famingavinga: (vingavinga) a. : Fomba entina mamingavinga, manivaiva, manambàny. p.t.: Azovingavingaina. Ahitsio
Famingavingana: (vingavinga) a, : Fanivaivàna, fanambaniana, fanamavoana, tsy fanajana. Ahitsio
Famingitana: (oingitra) a. : Fitondrana zavatra amin'ny Io-ha fanondro sy ny ankibe ka sisiny kely foana no itondrana azy. Ahitsio
Famingitra: (vingitra) a : Fomba entina mamingitra, mitondra zavatra amin'ny loha fanondro sy ny ankibe ka sisiny kely no itondrana azy, ? P.t. : Azo vingitina : Vilanibe tsy famingitra. Ahitsio
Famingivingiana: (vingy) a. : Fitondrana amin'ny tendrontanana / fardratsiràna. Ahitsio
Famingivingy: (vingy) a.: Fomba entina mamingivingy, mi-tondra amin'ny tendron-tanana. ? p.t. : Azo vingivingfna. Ahitsio
Famingorana: (fingotra) a.: Fanaovana amparapaingo, faminganana. Ahitsio
Famingotra: (fingotra) a. : Fomba entina mamingotra, manao amparapaingo, mamingana. ? p,t. : Azo fingorana. Ahitsio
Faminjifinjiana: (finjifinjy) a. : Fampijaliana, fampihararetana. Ahitsio
Famintanana: (fintana) a, : Fakana trondro amin'ny fintana, fanjonoana. Ahitsio
Famintinana: (fintina) a. : Fanakelezana, fanafohezana, filazana amin'ny teny fohifohy, filazana ny fotopotony. Ahitsio
Famiohana: (fioka) a. : Fikapohana mirivorivo. Ahitsio
Famiràna: (fira) a : Fikapana, fijinjana; faminganana. Ahitsio
Famirana: (fitra) a. : Famafana, famaohana, fanesorana ny diky amin'ny vorodamba, taratasy... Ahitsio
Famirapiratana: (firatra) a. : Fanjopiaka, fanjelanjelatra. Ahitsio
Famirapiratra: (firatra) a : Toetran'ny zavatra mamirapiratra, manjopiaka, manjelanjelatra. Ahitsio
Famiravira: (viravira) a : Fomba entina mamiravira, mandrairay befahatany, mamozafoza, mandrirodrirotra. ? p. t. : Azo viraviraina. Ahitsio
Famiravirana: (viravira) a : Fikitakitana, fanaovana ratsy fitondra : Nampangoraka ny famiraviran'ilay renikeliny azy, ? Fandraidraisana befahatany, famozafozana : Nentin-katezerana izy ka tsy hay lazaina ny famirauirany ny satroko teo akaikiny. ? Fandrirodrirotana : Endre izany famirauiran'ilay alika ny akohonay. Ahitsio