Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fanabontsinana: (bontsina) a. Famp?zihirana, famporisihana hanao ratsy. Ahitsio
Fanabony: (abony) a. : Fomba entina manabony na mambosy, matn?taka olona amin' ny tambitambY, manolikoly, Ahitsio
Fanaborahana: na Famborahana (boraka) a. : Famahana izay mifatotra na mifono Famborahana ny entana. ? H.o. : Filazana ny zavatra miafina ao am-po : Fanaborahana, famborahana tsiambaratelo. Ahitsio
Fanaborarahana: (boraraka) a.:Fandrarahana rano, ka atao mitosaka sy mitobaka be. Ahitsio
Fanaboretahana: (boretaka) a.: Fampipetrahana hiboretaka, hitsotra amin' ny tany. Ahitsio
Fanaboriboriana: (boribory) a. : Fanaovana ho boribory tsy misy zoronjorony na motiny mihoatra etsy sy eroa. Ahitsio
Fanaboridanana: (boridana) a, : Fanalana ny fitafiana eny ankoditry ny olona iray. Ahitsio
Fanaboroahana: (boroaka) a. : Fandoahana haninteraka eo an-daniny roa, fangorobahana. Ahitsio
Fanaborosiana: (borosy) a. : Famaohana na famaf ana amin' ny borosy. Ahitsio
Fanaborotsahana: (borotsaka) a. : Famelana hitambotsotra, hikorotsaka. Ahitsio
Fanabosesehana: (bosesika) a. : Fanomezana, famahanana be dia be; fanesehana, fampilerana. Ahitsio
Fanabosiana: (abosy) a. : Famitahana olona amin'ny teny mamy na tambitamby. ΒΆ M. h. : Fanaboniana, fandrisihana, fanolikolena, fanangolena, fandroboana, fanabontsinana, famangopangohana. Ahitsio
Fanabosy: (abosy) a. : Fomba entina manabosy, na manolikoly, mamitaka olona amin'ny teny mamy na tambitamby. Ahitsio
Fanabotetahana: (botetaka) a.: Fametrahana zavatra hibotetaka amin'ny fanambaniny, fampipetrahana amin'ny tany; fampietrena. Ahitsio
Fanabotriana: (botry) a. : Fanaovana izay hampahantra. Ahitsio
Fanadala: (adala) a. : Fomba entina manadala, milalao olona. ? Fandrebireby, fanao kilalao : Ataon'ny olona fanadala ny zanakao noho izy tantra ioatra. ? p,t. : Azo adalaina : Tsy mba fanadala ny zokiolona, rankizy, Ahitsio
Fanadalana: (adala) a. : Filalaovana (olona), fametsifetsena, fanambakana; fitaomana amin'ny alalan'ny fangolingolena : Izao no vokatry ny fanadalan'ny zanakao ny zanak'anabaviko. ? Fandrebirebena, fampivezivezena, fampitotototoana : Loza ny fanadalan' ny mp ?asam -bahoaka sasany ny olona fa asainy mankatsy, asainy mankaroa. Ahitsio
Fanadanadanana: (adana) a. : Famohana tanteraka, fanokafana manontolo. Ahitsio
Fanadanganana: (dangana) a. : Fanondrotana ambony, fanaovana amin' ny toerana ambony ho hita tsara. ? Fampakarana avo dia avo : Fanadanganana ny uidin-javatra, Ahitsio
Fanadarabohana: (daraboka) a.: Fanjerana mafy amin' ny tany. Ahitsio