Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hatevina: Hatevenana (tevina) a.: Toetran'ny zavatra mate-vina: Lehibe ny hatevin'ny rindrina ka tsy atahorana ho re ao an'efitra ny resatsika. ~ Indrakely: Voatondro tala ny hatevin'ity hazo fisaka i-r9. Ahitsio
Hateza: Hatezana (teza) a.: Toetran'ny zavatra maharitra, ela vao simba na rovitra. Ahitsio
Hatezana: na Fahatezana a.: Toetran'ny zavatra mateza; faharetana; fahelana: Zato taona ny hatezan'ny fiainan' ny zanak'olombelona raha ela indrindra Ahitsio
Hatezerana: na Fahatezerana (tezitra) a.: Tsy fahafalfana amin'olona iray, izay mety hitarika hamely azy; hasosorana; havinirana: Ny hatezerana, hono, hadalana miserana ¶ M.h.: Mirehitry ny hatezerana, misafoaka, misamontotra, mifoaka, mitroatra, mifoaba Ahitsio
Hatina: a: Aretin-koditramora mifindra miteraka ferifery, avy amin'ny bibikely (renihatina) tsy hita afa-tsy amin'ny mikraosikaopy, mahatonga hidihidy lozantany, ary amin'ny elakelaky ny rantsantanana sy tongotra no iandohany, dia manerana ny tena manontolo, raha tsy voatsabo. (Ny~ hatina dia fantatra amin'ny faritany samihafa amin'ny anarana maro toy ny hoe: keligadra, kia, lavahaotra). Ahitsio
Hatoka: a,: Ny ao ambadiky ny tenda na ny faravozona ao an-damosina, manasaraka ny loha sy ny soroka. - t.i.f.: Mihatokatoka. Ahitsio
Hatokiana: (toky) a.: FananteHatomady Hatomady (tomady) a.: Hery, hataniahana, aina: Ny hatomadin'ny vatana dia mariky ny vatana salama. Ahitsio
Hatona: ft : Fanakaikezana. - t.i.f.: Hatonina, voahatona, tafahatona / manatona, fanatona, mpanatona 1 anatonana, fanatonana 1 mifanatona 1 mahahatona 1 hatonatona Ahitsio
Hatonina: (hatona) mt. ih. (hatony): Akaikezina, tomorina: Nohatoniny aho ka nataho tra. Ahitsio
Hatoranana: (torana) a.: Toetran'ny olona torana, tsy mahatsiaro tena tampoka, safotra: Ratsy raha dia maharitra ela loatra ny hatoranana Ahitsio
Hatra: ft.: Fahatongavana na fidonana any amin'ny noheverina haleha; fikasihana - t.i.f.: Ahatra, voahatra, tafahatra / mihatra, fihatra / fharana, fiharana / mampihatra / mankahatra, fankahatra, mpankahatra / ankaharana, fankaharana 1 mifankahatra I hatramy / hatratra. Ahitsio
Hatra: Teny atambatra: 1) amin'ny p. mt. milaza toerana: eo, eto, etsy, eroa, ery, eny, ao ato, atsy aroa, ary, any, mba hoenti-milaza faritoerana tratrarina: Hifaninana hazakazaka ianareo hatrer? amin'ny foto-paiso er?; 2) amin'ny ppk. amy mba hilazana fetran'isa na fotoana tsy azo ihoarana: Manisà hatramin'ny telopolo, /Andraso aho hatramin'ny zomà. Ahitsio
Hatraboka: a: jar. Traboka. Ahitsio
Hatrafoka: a.: Jer. Trafoka. Ahitsio
Hatraka: Hatrakatraka a: Rehaka, rehareha, aniona. - t.i.f.: Hatrakatrahina f mihatrakatraka, fihatrakatraka, mpihatrakatraka. Ahitsio
Hatrakatrahina: (hatrakatraka) mt. ih. (hatrakatraho): Atao na tenenina amin-kasahiana, amim-pireharehana. Ahitsio
Hatrakatraka: ft.: Hamenana midorehitra, mivaivay. i t.i.f.: Mangatrakatraka. Ahitsio
Hatraorina: Haotraorina (haotra) mt. ih. (hatraory): Kiki-sana amin'ny hohon-tanana (ny faritra mangidihidy amin'ny tena). Ahitsio
Hatretrehana: (tretrika) a.: Hasambarana milamina sy miadam-po tanteraka. Ahitsio
Hatrotrahana: (trotraka) a.: Havizanana lozantany. Ahitsio