Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kanety: a.: Zavatra boribory kely tahaka ny fanondro, vita amin'ny vato na tamaboha na tanimanga, ilalaovan' ny ankizy. Ahitsio
Kanevoka: p.t.: Mitovy hevitra amin'ny kevoka saingy manisika hevitra somary ma• neso, be rehaka sy mibohibohy mahatsikaiky. tti t.i, f.: Mikanevokevoka. Ahitsio
Kanga: na Kango Jar. Kanjo. Kangaly p. t.: Mainty ngizina. Ahitsio
Kangamorike: (Ski) a: Karazam-bibikely menamena mandady. Ahitsio
Kangoana: na Kangoaza p.t.: Mahia kaozatra, taolam-potsiny. Ahitsio
Kanify: a.: Karazam-bibilava masiaka. Ahitsio
Kanika: a.: Karazan-damba mangamanga. Ahitsio
Kanikanina: (kanikany) mt. ih. (ka n ikan io): Ihom ehez ana. Ahitsio
Kanikany: a: Hehy somary malemilemy entina hanesoana na noho ny hamaivanantsaina. - t.i.f.: Kanikanina, akanikany, tafakanikany / mikanikany, fikanikanY, mpikanikany / ikanikaniana, fikanikaniana / mahakanikany. Ahitsio
Kaniry: a: Angely vao maniry elatra. Ahitsio
Kanja: a: Lasakan-tsira. i t.i.f.: Mikanja (sira). Ahitsio
Kanjo: p. mt.: Mitovy amin'ny "kanefa" saingy manisika hevitra hoe: "mifanohitra amin'ny nampoizina": Nikasa ny hitsangantsangana izahay, kanjo narary tampoka ny reninay ka voatery nijanona izahay. Ahitsio
Kankafotra: a: Karazam-borona ohatra ny voromailala ny habeny, vasobaso-bolo, mitovy amin'ny toloho ny bikan' ny tenany fa ny toloho menamena, malaza amin'ny fanenony tsy miova ary tsy diso fotoana (amin'ny fiandohan'ny lohataona sy fahavaratra) ka nahatonga ilay fitenenana hoe: "Volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany". (Anaran-kafa iantsoana azy koa: Taontaonkafa). Ahitsio
Kankana: a.: Biby kely lavalava mivelona any anaty tany (kankanjila sy kankandoroka) na ao anaty tsinain'ny olombelona (sakoitra). 6 t.i.(.: Kankanina. Ahitsio
Kankandio: a.: Karazan-kankana fisaka mirefy 1 na 2 sm, izay mivelona ao anatin'ny lalandran'ny olombelona ka mahatonga ny aretina atao hoe takilodrano. (Misy karazany roa ny kankandio: ny kankandion-tsfnay ary ny kankandion-tatavia, ka arakaraka izay kankandio tafiditra amin'ny tena no maha-samy hafa ny takilodrano mahazo ny tena koa). Ahitsio
Kankandoroka: a.: Kankana mivelona any anaty tany. Ahitsio
Kankanina: (kankana) p.t.: Misy na be kankana. Ahitsio
Kankanjila: a.: Kankana mivelona any anaty tany. Ahitsio
Kanoa: a: Fantsona vy na bararata atohy amin'ny vilany fanasitiliana mba hahazoana ny entona. Ahitsio
Kanonkanona: a: Ny zava-madinidinika tsy misaraka a• min'ny raharaha samihafa. i Mikanonkanona, fikanonkanona, mpikanonkanona ) ikanonkanonana, fikanonkanonana / mahakanonkanona. Ahitsio