Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Karainkona: ft.: Toetran'ny zavatra mihorona sy mikainkona, na mivonkina sady mikentrona. 6 t.i.(.: Manakaxainkona, fanakarainkona, mpanakarainkona ~ fikarainkona, mpikarainkona / ikaxainkonana, fikarainkonana / mahakarainkona / karainkondraikona. I mahakarainkona / karainkondraikona. Ahitsio
Karajia: a: Resaka mampifalifaly amin'ny fampiadiana ankamantatra, hevitra, hatsikana. - F.-p.: Mampiady karajia: mifaninana amin'ny ady resaka misy fandripandrika mba hampisehoana hakingana na hampihomehezana. ¶ M.h.: Resaka, tafa, dinika, dinidinika ambany tafontrano, tapatapakahitra. Ahitsio
Karajy: (t.tr.) p.t.: Mamo toaka. Ahitsio
Karaka: a.: Fipiakan-javatra na fip oaka, heno midridroka. 1 t.i.f.: Mikaraka, fikaraka. Ahitsio
Karakaina: p.t.: Maina dia mai-na sady mafy (fiteny indrindra amin'ny tany). Ahitsio
Karakara: a.: Fitandremana fanasoavana manokana atao amin'ny olona na biby na zavatra na raharaha: Ataouy tsara karakara ny fambolentsika, Rakoto. - t.i.f.: Karakaraina, voakarakara, kinarakara I mikarakara, fikarakara, mpikarakara / ikarakarana, fikarakarana / mahakarakara 1 makarakara. Ahitsio
Karakaraina: (karakara) mt. ih. (karakarao): Tandremana, soavina fatratra sy manokana: Karakarao ny zandrinao ambara-pahatongako. • Raharahaina, ahina: Tsy karakarainy ny tokatranony fa lasa mivoaka foana izy. 1 Amboarina, omanina: Efa karakarainy ny sakafontsika. ? Fehezina: Karakarainy tsara ny vahoaka ka sambatra. Ahitsio
Karakaty: a.: Hazo efa maina dia maina. Ahitsio
Karakaty: (t.tr) p.t.: Haraka na vovohina aty. Ahitsio
Karalenge: (Ski) a.: Hazo itsatohan'ny salaza amin'ny botry. Ahitsio
Karama: a: Vola amena ny olona miasa ho an'ny tena: A-riary zato no karama nomeko azy niasa ny tanimbariko. ? Vidin'ny asa atao: Dimy ariuo no karamany isam-bolana. - t.i.f.: Karamaina, akarama, voakarama f manakarama, fanakarama, mpanakarama / manarama, fanarama, mpanarama / anakaramana, fanakaramana / anaramana, fanaramana I mikarama, fikarama, mpikarama f ikaramana, fikaramana / mahakarama I karanrarama. ? F,-p,: Karamam-boto: raharaha heverina ho ambany / Karama an-tselika: raharaha tsy ifotorana fa raharaha madinidinika hita ats? sy are. / Karaman-daikona ka any andanitra no raisina: raharaha tsy mba andraisam-bola fa a-tao an-tsitrapo. / Karama tapaka: enti-milaza raharaha izay toy ny iantohan'ilay mpiasa fa mandray vita ilaY mpampiasa. / Karama varimasaka: karama tsy mifanentana amin'ilay asa atao fa dia toa vidin'ny vary na sakafo Raina eo am-panaovana ny a-sa fotsiny. / Manimba karama: enti-milaza olona mety manaiky karama kely noho ny fanao ka tonga mampidina ny karaman'ny maro. ¶ M.h.: Tamby, vava vola, vidin-katsembohana, vidin' aina, valin-kasasarana, takalom-patsa vidim-pihinanana, fihinanana, sakafo, fivelomana, kapoaka, vidin-jiro, hasin-tanana, falim-po, fankasitrahana. Ahitsio
Karamaina: (karama) mt ih. (karamao): Ampiasaina ka o-mena karama: Mpanetsa roapolo no nokaramainay. Ahitsio
Karamanga: a.: Karatra alain' ny fanjakana amin'ny vola miditra amin'ny tena. Ahitsio
Karamena: a.: Karatra amen' ny fanjakana ny olona mahazo mivarotra entana ara-dalàna. Ahitsio
Karamentsona: Jar. Kamentsona. Ahitsio
Karàna: p. t.: Kinga, fetsy ratsy, fatsaka. - F.-p.: Karan-dahy: fatsoralahy. ( Karam-bavy: fatsoravavy. Ahitsio
Karana: a: (fihasimban'ny hoe harana). - F.-p.: Karan-doha: taolana mifaritra boribory izay mifono ny atidoha sady miaro azy. .Karàna (fr. hindou) a,: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Indes (Azia atsimo): Anisan'ny mahantra eran-tany ny Karana na Hindou noho ny habetsahany, ne fa misy manana tapitr'ohatra koa ? p.t.: Momba an'i India, an'i India na avy any India: Hafahafa ny fomba karma raha misakafo. Ahitsio
Karana: na Rikarikan-taolana a.: Ny fitambaran'ny taolana amin'ny faritry ny tenan' ny olombelona sy ny biby misy hazondamosina: Ny karan'ny olombelona dia misy taolana valo amby roanjato. Ahitsio
Karanana: na Karangana a: Karazam-bato mafy nefa malia ary marirandrirana ny zorony: Vato karanana Ahitsio
Karananga: (Btl) a: Karazana katsaka izay maro karazana ny volon'ny voany amin'ny babiny iray, fa misy fotsy, mavo, mena… Ahitsio