Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Karandoha: a.: Kàrana na taolana boribory mifono ny atidoha. Ahitsio
Karantsana: a.: Faneno avo, mazava sy tsara, tsy misy mi-garera na farimparina. i t. i f• : Mikarantsana, fikarantsana, mpikarantsana / karantsandrantsana. Ahitsio
Karantsana: Jer. Kantsana. Ahitsio
Karao: (fr. carreau) a.: Vy voavoatrahatao fipasohana. Ahitsio
karao:Ny karao dia fonjam-by fisaka matevina miendrika telozoro misy tangozany eo an-tampony izay atono amin'ny afon'arina mba hipasohana sy hanalana oritra ny akanjo avy nosasaina na notehirizina tao am-bata. Ahitsio
Karaobato: a: Vato madinika betsaka misolo ny nof on-tany ary mampikorisa raha hitsahina. Ahitsio
Karaoka: a: Zavajavatra madinika ao an-tokantrano. - F.-p.: Lany karaoka: mahantra fadiranovana. Ahitsio
Karaoka: a: Feo ateraky ny vato mifampikasoka, na ny zavatra mafy toy ny vatokely sendra voatsakon'ny nify. - t.i.f: Mikaraoka, fikaraoka, mpikaraoka I karaodraoka. Hodin-javatra voajanahary ka afaka vakiana dia esorina na kapohina dia voasana. Ohatra karaokan'atody. Ahitsio
Karaoty: (fr. carotte) a.: Karazan'anambazaha misy vodiny menamena lavalava izay fanao laoka (Dancus caro ta L. ). Ahitsio
Karapoka: a: Fianjerana na fahalavoana tampoka amin'ny tany. - t.i.f. : Mikarapoka, miankarapoka, fikarapoka, fiankarapoka, mpikarapoka, mpiankarapoka / ikarapohana, fikarapohan / mahakarapoka / karapodrapoka. Ahitsio
Kararana: a: Fivoahan'ny rano miboika mifantsitsitra. 1 t.if.: Kararanana, akararana, voakararana / manakararana, fanakararana, mpanakararana / anakararana, fanakararana / mikararana, fikararana, mpikararana 1 mahakararana. * Ohab.: Zatra ny an-tohojinga ka tsy uelon'ny an-kararana: enti-milaza ny olona zatra ny fiainana miadana manaram-po ka tsy mahazaka ny mivelona mihafy na moramora. Ahitsio
Kararanana: (kararana) p. t: I-fantsitsiran'ny rano. Ahitsio
Kararavina: p.t.: Manify dia manify. ¶ M.h.: Elatr'angidina. Ahitsio
Kararemotra: Jer. Fararemotra Ahitsio
Karariana: p.t.: Betsaka, sesehena. - t.i.f.: Mikarariana. Ahitsio
Karate: (fr. karaté) a.: Fomba fiady avy any Japan tsy mampiasa afa-tsy ny tanana sy ny tongotra raha mamely na miaro tena. Ahitsio
Karatoa: (fr. gratton) a.: Faikan-tavin-kena avy nakana menaka. Ahitsio
Karatoka: a: Bara hazo mif antsika amin'ny kopa-baravarana iray ka mahazo mihetsika sy mihodina, ka rehefa alatsaka na akaratoka ary miditra amin'ny vy mihonkona amin'ilay kopa-baravarana iray hafa, dia mahatonga ny varavarana hihidy mafy. Ahitsio
Karatra: (fr. carte) a: Taratasy fanoratana ny karazan-ketra rehetra aloa amin'ny f anjakana. • F.-p.: Kara-panondro: taratasy misy ny fiankohonana sy ny sarin'ny tsirairay, manondro ny maha-Ranona azy marina. / Karatra isan-dahy na uidin-doha: karatra naloan'ny vatan-dehilahy rehetra mihoatra ny 21 taona teo aloha. / Karamanga: hetra aloa arakaraka ny vola miditra amin'ny tena mandritra K ny taon. ¶ M.h.: Hetra, isam-pangady, tongoamihonkona, vodihena, hajia. Ahitsio
Karatra: a: Taratasy baoritra fahazoa-miditra amin'ny lanonana na fiara andoavambola, izay manamarina fa efa nahaloa vola ny tena: Efapola ariary ny karatra fidirana amin'ity rindran-kira / Roanjato ariary ny kara-tsaran-dalana mankany Toamasina. Jer. Bie. Ahitsio