Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kakazo: (Btm) a: Hazo. Ahitsio
Kaky: a: (ny fampiasa matetika dia Ikaky) Teny entina miantso ny ray: Maty aho, ray Kaky ama-Neniko! ? Teny fanajana entina milaza ny ray na ny olona azo heverina ho toy ny ray: Eto angahalkaky mipetraka Ahitsio
Kala: Jar. Ikala Ahitsio
Kalabe: a: Anaran-kafa ilazana ny kalalao. Ahitsio
Kalaina: p.t.: Kamo amin'izay atao rehetra, tsy manana fahaz oto ana. Ahitsio
Kalalao: a: Bibikely somary menamena fisapisa-batana misy elatra, fahita indrindra amin' ny efitrano fahandroan-kanina. (Anaran-kafa iantsoana azy: kalabe, kadradraka). Ahitsio
Kalamaka: a.: Zavamaniry mitovitovy amin'ny kabaro (Phaseolus lunatus L.). Ahitsio
Kalamasina: (Btl) a: Vahy miteraka dity na gaoma. Ahitsio
Kalamavo: (Btl) a: Anaram-bomanga mavo ny hodiny. Ahitsio
Kalamboro: (Bti) a: Hazo a• kan'ny olona gaoma na sandarosy anisan'ny tsars. Ahitsio
Kalamena: (Btl) a: Anaram-bomanga mavokely na mena ny hodiny. Ahitsio
Kalamina: p.t.: Atao mirindra tsara: Vita kalamina ny raharaha rehetra 1 t. C f• : Manakalamina 1 mi• kalamina. Ahitsio
Kalamongo: (Btl) a: Karazambomanga (Ipomaca batates), kelikely ny vodiny fa mamy dia mamy. Ahitsio
Kalandrie: (fc calendrier) a: Fanisana andro vahiny izay arahina saiky eran'izao tontolo izao, ary nokendrena hifanaraka amin'ny fihodinan' ny tany manodidina ny masoandro, lalana ataony mandritra ny andro 365 1/4. Ny isa 365 no nozaraina amin' ny volana 12 toy izao: Zan-vie (31), Fevrie (28 na 29), Marsa (31), Avrily (30), Mey (31), Jiona (30), Jolay (31), Aogositra (31), Septambra (30), Oktobra (31), Novambra (30), Desambra (31); mba hahamarina tsara ny fifanarahan'ny kalandrie sy ny fandehan'ny masoandro, dia notratrarina ilay fahaverezana ampahefatr'andro (1/4) isan-taona amin'ny fanampiana andro 1 isaky ny efataona ka ny volana Fevrie no niharan'izany, izay ampitondraina 29 andro isaky ny efataona Ahitsio
Kalanga: na Langa (Btl) p.t: Enti-milaza tandrok'omby mirona any aoriana. ¶ M.h: Tsangantandroka, solanga (Mer.). * Ohab.: Solanga, mahazo; joko, mahavoa: enti-milaza zavatra na toe-javatra roa samy ahombiazana. Ahitsio
Kalanoro: a: Zavamananaina toa olona kely, madinika sy fohy, voalaza araka ny honohono fa mivelona any anaty hazo. Ahitsio
Kalanoro: (Btl) a: Karazambomanga izay mena ny hodiny ary mena na mavokely ny atiny (Ipomeae batates). Ahitsio
Kalaokalao: a: Romoromo, zavatra mahatonga adiady. Ahitsio
Kalapoake: (Ski) a: Alominioma. Ahitsio
Kalavory: (BU) a.: Karaz ana vomanga izay lehibe vorivory tsara ary mena aty ny vodiny (Ipomaea batates). Ahitsio