Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Laingalainga: a: Lainga madinika. Ahitsio
Laingo: a.: Ny tendron'ny zavamaniry na ny raviny farany ambony vao niseho, izay milenodenoka sy malefaka izaitsizy. • h.o.: Ny tsara indrindra sy meva indrindra amin'ny zavatra iray: Laingon-kanina. - t.i.f: Laingosana, voalaingo / mandaingo, fandaingo, mpandaingo 1 andaingosana, fandaingosana / mahalaingo 1 laingolaingo. Ahitsio
Laingo: a.: Karazam-bahy maimbomafmbo f of ona amotsiana nif y ny raviny. i t.if.: Laingoana, laingoina, voalaingo 1 milaingo 1 ilaingoana, filaingoana / mahalaingo / laingolaingo. Ahitsio
Laingoana: na Laingoina (laingo) mt.ih. (laingoy): Entimilaza ny nify asiana na petahana ny ravin'ny laingo notsakotsakoina: Nolaingoiny ny nifiny fa efa ela hono no tsy namotsiany azy. Ahitsio
Laingomaimbo: a: Zavamaniry salasalany mandady, fantatra indrindra amin'ny raviny izay mamoaka fofona mahery sady ratsy rehefa kosehina nefa kosa ampiasaina hampisava ny aretin'andoha vokatry ny fofon'ny komanga (jer. io teny io). Ahitsio
Laingomena: a.: Zavamaniry fanao haingon-tanàna fa mandady mananika amin'ny tamboho na fefy; ny raviny, mivondrona sady betsaka ary ny voniny, misy karazany maro: mavolrely, haboka, mavo tanora na mena midorehitra. Ahitsio
Laingontratrany: a: Hena eo amin'ny lohatratran'ny omby na ny ondry na ny kisoa vonoina, mifamaly amin'ny laingontsorony eo ambony. Ahitsio
Laingontsorony: na Lohasorony a: Hena eo anin'ny 1ohasoroky ny omby, ondry... vonoina, mifamaly amin'ny lohantratrany eo ambany. Ahitsio
Laingosana: (laingo) mt ih. (laingosy): Alana ny laingony: Nolaingosany ny voatavo etsy avara-trano. Ahitsio
Laisoa: (fr. le chou) a.: Karazan 'anam-bazaha nampidirina teto; ny raviny, izay mitangorona mifanosontsosona ka tonga boribory nome-na ny anarana hoe bokondaisoa, no andrahoina miaraka amin'ny hena (alaindro raha amin'ny hen'omby ary ritina raha amin'ny henan-kisoa), somary sarodevonina anefa izy. * F.-p.: Laisoa masombika: Karazan-daisoa ngitangita ravina. Ahitsio
Laitra: nit ih.; ft.: Azo kaikerina: Tsy laitrako io taolana io fa mafy loatra ? Azon-javatra asiana, idirana: Mahagaga fa laitran'ny rano ny vato rehefa ela ny ela. 1 Azo leferina, zakaina: Tsy laitrako intsony ny ataon'ny mpampiasa ahy. ¶ M.h,: Lefitra, zaka, aritra, tanty, toha. ? Azo (raha misy tanin' ny iharana hafa ao aoriana) (...): Tsy laitra tsoahana io fanbsika io fa mafy loatra. 1 tif:: Voalaitra / mandaitra, fandaitra, mpandaitra / andairana, fandairana / mahalaitra, fahalaitra, mpahalaitra. * F.-p.: Tsy laitra: mafy, tsy azo toherina, tsy zaka, tsy telina: Tsy laitra ny ngidin' ny fahoriana / Tsy laitra andrahoina: tsy mety malemy raha andrahoina fa mafy foana / Tsy laitra anarina, rarana, tenenina, toroana: entimilaza olona tsy miraharaha izay teny fananarana atao aminy. J Tsy laitran'ny mamy: enti-milaza olona tsy mety matavy na mahazo ai-na na dia mahery mihinana aza. I Maka am-pandairana: maka tsy an-kijanona, tsy ankiato. * Ohab.: Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany: Na inona na inona zava-tsarotra, rehe fa ifanarahana tonga mora. J Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto: mora sy efa izay zavatra atao amin-joto, na dia izay sarotra indrindra az a. Ahitsio
Laizina: (lay) mtih. (laizo): A-tao haingana, mehina, rodorodoina: Tsy azo laizina ny raharaha fa atao milamina i-han y. Ahitsio
Laka: a.: Ny toerana afovoany amin'ny fanorona, izay ihaonan'ny tsipikamifanapatapaka (mazàna ny mitana ny la-ka no maharesy amin'ny la-lao fanorona). ~ h.o.: Foibe, fovoana, toerana tsara, (misy karazana laka efatra fantatry ny mpanao fanorona; ny lakabe, ny laka kely, ny lakavil ana ary ny lakamanga). - t.i.f.: Alaka, lakaina, voalaka / lakalaka. * F.-p,: Mahazo laka; tompon'ny laka: enti-milaza ny vato mahazo ny toerana afovoany izay toerana tsara indrindra satria misy lalana valo azony ikisahana avy eo amin'ny misy azy eo; h.o.: mahazo toerana tsars ahafahana manao izay tiana. Ahitsio
Lakaina: (laka) mt.ih, (lakao): Apetraka eo amin'ny laka, apetraka eo amin'ny fihaonan'ny tsipika roa (vatompanorona). Ahitsio
Lakalaka: p. t.: Enti-milaza olona morainy, tsy sarotiny, manao izay tianao. * F.-p,: Lakalaka anie Andria manitra: enti-mampitandrina olona fatra-panao kitoatoa mankahatra an'Andriamanitra; ny heviny dia toa hoe "tandremo ange fa morainy Andriamanitra, manao izay tianao, ka rehefa ankaharinao izy dia hanao tokoa". Ahitsio
Lakaly: (fr, la cale) a: Ny efitrano somary anatin'ny tany ambany indrindra. 1 Ny fanambanin'ny sambo izay fitoeran'entana. Ahitsio
Lakamo: a.: Jer. Alakamo. Ahitsio
Lakamoina: mt.ih,: Jar. Alakamoina. Ahitsio
Lakamosina: a.: Mitovy amin' ny Lakandamosina (jer. io teny io). Ahitsio
Lakampiara: a.: Lakana lehibe misy fanarenana azy raha & tongilan'ny onja, fitondran' ny mpanjono eny an-dranomarina. Ahitsio