Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manapatrapatraka: (patrapatraka) mt p. (manapatrapatraha): Manjera vongan-javatra vaventiventy na vongan-drano mitete mahalankalana. Ahitsio
Manapatsitsitra: (patsitsitra) mt.p. (m anapatsits ira): Mampifantsitsitra mandefa rano hitifitra sy hiely. Ahitsio
Manapelapelaka: (pelaka) mt p. (manapelapelaha): Mamisaka, mampanify. Ahitsio
Manapelipelika: (pelika) mt.p. (manapelipeleha): Manetsiketsika. Ahitsio
Manapendimpendina: (pendina) mt.p.: Mandoto amin'ny pentina etsy sy eroa. Ahitsio
Manapendina: (pendina) mt.p. (manapendena): Mandoto, manisy pentina. Ahitsio
Manapepo: (pepo) mt.p. (manapepoa): Manisy lempona, manao izay hahapepo. ? Tsy mamela hitraka, tsy mamela handroso: Tsy tsara ny manapepo tanora vao misondrotra. Ahitsio
Manapindy: (pindy) mt.p. (manapindia): Manapitika amin' ny fanondro, manatsipindy. Ahitsio
Manapiritika: (piritika) mt.p. (manapiritiha): Mampipitika fotaka, mandefa zavatra mi-f antsitsitra. Ahitsio
Manapitika: (pitika) mt.p. (manapitiha): Manala zavatra hiendaka ka mampifantsitsitra azy. Ahitsio
Manapitra: (tapitra) mt.p. (manapera): Mamita: Hanapitra it? asa ity aho vao handeha * Mandany:Hanapitra na herinandro aho vao hiainga. ? (Vola) mandoa hatramin'ny farany: Hanapitra ny volako, hono, izy rahampitso ka ho hitantsika! Ahitsio
Manapitripitrika: (pitrika) mt. p. (manapitripitriha): Mampirefodrefotra menaka hanendasana. Ahitsio
Manapitsoka: (pitsoka) mt.p. (manapitsoha): Manala (taolana) amin'ny toerany; mamoha varavarana an-terisetra tsy misy fanalahidy. Ahitsio
Manapoaka: (poaka) mt.p. (manap oaha) :Mampirefotra:Manapoaka tafondro. ? Mampiseho ampahibemaso, marnaky: Manapoaka vaouao lehibe. Ahitsio
Manapoizina: (poizina) mt.p. (manapoizina): Manisy poizina: Nisy nanapoizina, hono, ny rano ace' am-pantsakana. Manome poizina: Karohin'ny polisy ny olona nanapoizina azy. ? h.o.: Manimba, mamohehatra: Manapoizina ny tanora ny boky toy itony. Ahitsio
Manapôka: na Mamoka (poka) mt.p. (manapoha, mamoha): Mandona: Namoka ny vatolampy ny lakana ka vaky. Ahitsio
Manapolaka: (polaka) mt.p. (manapolaha): Mampiforitra, mamoritra, mampifaraingo: Manapolaka tehina. Ahitsio
Manapoletaka: (poletaka) mt. p. (monapoletaha): Mampihotsaka, mampikoa; manisy zavatramalemy bodaka. Ahitsio
Manapoly: (poly) mt.p. (manapolesa): Mamoriporitra amin'ny rantsantanana. Ahitsio
Manapondipondy: na Mamondipondy (pondy)mt.p. (manapondiponde, mamondiponde): Mamenjafenja, mamoriporitra zavatra amin'ny tan ana mba halemilemy. Ahitsio