Mahare | : | (re) mt, p.: (mitovy hevitra sy fampiasa amin' ny mandre ihany saingy izy tsy manana fomba mandidy) Mandray amin'ny sofma ny feo avoakan'ny zavatra na biby na olona eo amin'ny manodidina: Marenina izy ka tsy mahare na inona na inona. ~ Mahalala no-ho ny filazan'ny olona: Nahare aho fa lasa any andafy ny zokinao. ? Mahatsiaro: Nahare hatsiaka aoka izany aho aninaraina.
Ahitsio |
Maharenina | : | (renina) mt.: Mahatongaharenina. 1 Teny entina mandidy mba hangina tsy hitabataba: Maharenina, rankizy al (maharenina ny sonna ny tabataba ataonareo ka aoka izay! ).
Ahitsio |
Maharikivy | : | Jer. Marikivy.
Ahitsio |
Maharikoriko | : | (rikoriko) p.t: Miteraka na mahatonga rikoriko, mahasosotra izaitsizy, mahalotika: Maharikoriko ny loton'it? zaza / Maharikoriko ahy ny toetran'iny olona tsy valahara iny. ¶ M. h.: Mahadikidiky, mahaboboka.
Ahitsio |
Maharitra | : | (aritra) p. t. sady mt. s.: Mateza: Maharitra itony fiarakodia itony raha voakarakara tsara ~ Mikiry, mikikitra: Maharitra amin'ny fikarohana ny olo-mahay. ? Mijanona ela any amin'ny a leha: Nahoana no naharitra tany an-tsena Ise? - F.-p.: Tsy mahari-boankena, tsy maharitra ny mena miraviravy: tsy maharitra amin'ny zavatra tsiriritina mafy fa dia raikitramihinana. * Ohab.: Izay maharitra vadin'andriana, fa izay tsy maharitra vadin'Ikotokely: ny faharetana no ahazoana zavatsara. / Mahari-pery: manankerim-po hizaka izay fahoriana na zava-tsarotra mitranga. ¶ M.h.: Miaritra, mihafy, mahatanty, mahari-po, mahari-pery, mandefitra, miangidy, manaraka ny onjany, tsy fola-mandefitra.
Ahitsio |
Maharitrafo | : | a.: Vilany vita a min'ny vifotsy na takela-by natao vonobainona fa tsy tsingfnina, izay matetika ampiasain'ny olona voatery mandeha lava, toy ny mpandroaka sarety...
Ahitsio |
Maharototra | : | (rototra) p. t.: Mahatonga ho mafana fo, mazoto, marisika.
Ahitsio |
Maharotsingala | : | a.: Vifotsy loadoaka madinika atao hitsiririhan'ny rano amin'ny siny fanondrahana anana (jer. Masoarivo).
Ahitsio |
Maharovolona | : | a.: Karazan-kazo fanao trano.
Ahitsio |
Mahasadaikatra | : | (sadaikatra) p. t: Mahatonga hisalasala, mahasanganehana.
Ahitsio |
Mahasahy | : | na Mahasaky (sahy na saky) nits.: Manana herim-po hanao zavatra: Tsy mahasahy ny hivoaka amin' io alina maizim-pito aho.
Ahitsio |
Mahasaikatra | : | (saikatra) P.t.: Manalasala, mahamenatra.
Ahitsio |
Mahasaky | : | (Btl) p. t.: Mahasahy,
Ahitsio |
Mahasalama | : | (salama) p.t.: Mahatongaho salama.
Ahitsio |
Mahasampona | : | (sampona) mt. p.: Mahatonga ho sampona: Raha tsy fahafatesana tokana, tsy misy hahasampona ahy.
Ahitsio |
Mahasanganehana | : | (sanganehana) mt. p.: Mahatonga ho sanganehana: Mahasanganehana ahy be ihany n? teniny.
Ahitsio |
Mahasehaka | : | (sehaka) mt.s. sy mt.p.: Mahasempotra: Mahasehaka lahy ity fiakarankely ity. • Mahavita zavatra, mahomby: Nahasehaka ilay raharaha ihany lahy ny rahalahinao. - F,-p.: Tsy mahasehaka: tsy mahaleo amin'ny ady, na mangina tsy mahateny nony mifamaly am-bava.
Ahitsio |
Mahasoa | : | (soa) p.t. na mt. p. (mahasoava): Raina, misy ilana azy: Fanaka mahasoa ny farafara. • Ahazoana vokatra, tombony: Mahasoa ny vakiteny. • Mahatsara tarehy: Mahasoa ny fonenana ny voninkazo ka mambole betsaka.
Ahitsio |
Mahasodoka | : | (sodoka) mt.p. na p. t.: Mahatonga ho voafitaka: Nahasodoka ny sofin' ny mpitsangantsangana teny Ambondrombe ny feo maron'ny riana sy ny vorona nifanako.
Ahitsio |
Mahasosotra | : | (sosotra) mt.p. na p.t.: Mahatonga ho sosotra, manafintohina: Nahasosotra an'i neny aho ka nifona taminy. • Mahadikidiky, mahasorisorena, manorisory: Mahasosotra ahy izany feomborona hafahafa izany.
Ahitsio |