Onjonina | : | (onjona) mt, ih. (onjbny): Aingaina, bataina, entanina.
Ahitsio |
Onkenana | : | p.t.: Fohy sy fonetana, fa matanjaka.
Ahitsio |
Onkina | : | a: Kainkona, fivonkonan'ny tanana sy ny tongotra ngoly noho ny hatsiaka. - t.i.f.: Onkenana, tafaonkina, voaonkina 1 mionkina, fionkina, mpionkfna 1 ionkenana, fionkenana / mahonkina 1 onkinonkfna,
Ahitsio |
Onona | : | a.: Fitony, fandry, fila-mina. - t.i.f.: Ononina, aonona, voaonona, tafaonona 1 manonona, fanonona, mpanonona I anononana, fanononana 1 mionona, fionona, mpionona 1 iononana, fiononana 1 mahonona 1 onononona 1 onony 1 fahononana.
Ahitsio |
Ononina | : | (onona) mt. ih. (onôny): Tonena, lefahana: Ondny ny hatezerana ka aza avela ho tratran'ny andro maraina.
Ahitsio |
Onony | : | a.: Fetra, antonony: Mahalala onony. - F,-p.: Fahalalana onony: fahaizana mametra ny faniriana hihinana sy hisotro.
Ahitsio |
Onorana | : | Onotana (onotra) mt. ih. (onory, onoty): Entimilaza ny vorona na ny olona ongotam-bolo.
Ahitsio |
Onotra | : | a.: Fihintsanana na fiongotan'ny volo na volomborona. - t.i.f.: Onorana, onotana, voaonotra I manonotra, fanonotra, mpanonotra I ononorana, fanonorana, anonotana, fanonotana / mionotra, fionotra, mpionotra I ionotana, fionotana / mahonotra / onotronotra.
Ahitsio |
Ontailanina | : | p.t.: Vahilanina, mibilaka fa tsy mahitsy; man dringa ila (rafitra). - t.i.f.: Miontailanina.
Ahitsio |
Ontana | : | a.: Fahatairam-po raha misy zavatra manaitra tampoka; fihendratana na fibitahana avy amin'ny toe-javatra mitranga; entana. - t.i.f.: Tafaontana 1 miontana, fiontana, mpiontana / iontanana, fiontanana I ontanontana.
Ahitsio |
Ontany | : | ft.: Fitadiavana valiny na fanazavana momba an' izay tiana ho fantatra, teny filana setriny sy valiny. - t.i.f.: Voaontany,voanontany, 1 manontany, fanontany, mpanontany / anontaniana, fanontaniana I mahontany, mahanontany I ontanintany.
Ahitsio |
Ontany | : | a.: Anarana laharantsikidy.
Ahitsio |
Ontsana | : | a.: Mitovy amin'ny Hontsana.
Ahitsio |
Ontsy | : | (Atk) a.: Akondro.
Ahitsio |
Ony | : | a.: Renirano mivarina any an-dranomasina.
Ahitsio |
Ora | : | (lat. hora) a.: Ampahefatra amby roapolon'ny andro sy aima iray, izay nalaina ho venty fototra amin'ny fandrefesam-potoana; adim-pamantaranandro iray: Nahemotra ora roa ny fiaingan' ny firamanidina.
Ahitsio |
Orana | : | a.: Rano mirotsaka avy eny amin'ny habakabaka vokatry ny fivongovongoan'ny rahona ho rano: Mamelombelona ny zavaboary ny orana. / Avy ny orana. / Latsaka ny orana. /Mitsahatra ny orana. - t.i.f.: Manorana I morana.? F.-p.: Oram-baratra: orana be fiavy arahin-kotroka. ( 0-ram-batrauatra: orana mahery fiavy. / Oram-be mitraho: orana arnbaran'ny rahomainty mitamba-be fa efa ho latsaka. 1 h.o.: Loza lehibe mananontanona. ( Orankateloana: orana maharitra mandritra ny hateloana, izay fahita indrindra rehefa ririnina. I Oran-kerinandro na oran-kafitoana: na laifito: orana maharitra mandritra ny hafitoana, izay fahita indrindra eo amin'ny volana Fevrie na Marsa.
Ahitsio |
Orana | : | a.: Fanadiovana na famotsiana ny firava-bolamena na volafotsy. - t.i.f.: Aorana, voaorana / manorana, fanorana I mpanorana 1 anoranana, fanoranana / mahorana.
Ahitsio |
Orana | : | a.: Karazam-biby mivelona any anaty rano, misy hodiny mafy, lavalava vatana, ary folo ny tanana amantongony ka ny roa voalohany misy kinifinifiny milentika amin'ny nofon'izay ketohiny. - Antsanga tsy aman' orana: teny na fitenenana tsy misy fotony; zavatra betsaka tsy misy antony.
Ahitsio |
Oranorana | : | a.: Fihinanana (voankazo na katsaka) mamosibosika sy manesokesoka eryr. 1 t.i.f.: Oranoranina, aoranorana, voaoranorana / manoranorana, fanoranorana, mpanoranorana I anoranoranana, fanoranoranana I mahoranorana.
Ahitsio |