Pensily | : | (angl. pencil) a.: Fanoratana amin'ny solaitra. Pensilihazo: Hazo lavalava kely misy atiny manjarano, atao fanoratana amin'ny taratasy.
Ahitsio |
Pentimpentenana | : | (pentimpentina) mt. ih. (pentimpenteno): Asiana pentimpentina, loto kely mitentintentina.
Ahitsio |
Pentina | : | na Pentimpentina a.: Loto kely mipetaka amin-javatra: Tsy mahatondra io lamba rakotra pentina io aho. • h. o.: Tsiny na hadisoana kely maivana: Ny fanahy tsisy pentina ihany no hahazo hiditra any an-danitra avy hatrany. - t.i.f.: Pentimpentina, apentimpentina, voapentimpentina, voapentina 1 mamentimpentina, famentimpentina I amentimpentenana, famentimpentenana 1 mipentimpentina, fipentimpentina 1 mahapentina.
Ahitsio |
Pentsompentsonina | : | (pentsompentsona) mt. ih. (pentsopentsony): Enti-milaza ny zavatra na ny olona tenenina na resahina amin-kabasiambava, itsaontsaonana.
Ahitsio |
Pentsona | : | na Pentsompentsona a.: Habasiam-bava, fitsaontsaonam-bava, haim-bava. I t.i.f.: Pentsompentsonina, apentsompentsona 1 mipentsompentsona, mipentsona, fipentsona, fipentsompentsona, mpipentsona, mpipentsompentsona 1 ipentsompentsonana, fipentsompentsonana / mahapentsompentsona.
Ahitsio |
Pepe | : | (Ski) a.: Anaran-kazandrano be taolana.
Ahitsio |
Peperana | : | Perana (pepetra) mt, ih. (pepero, pero): Hafatrafarana: Nopeperan-drainy izy hanao fasana. ? Didiana: Nopeperan'ny fanjakana tsy hisy vola hiuoaka any iuelany.
Ahitsio |
Pepetra | : | na Petra a.: Hafatrafatra mafy: Nasain-drainy honina any ambanivohitra izy araka ny pepetrany taminy. Hevitra nifanekena ary tandremana tsara: Natao ny pepetra alohan'ny hisarahana. - t.i.f.: Peperana, perana, apepetra, voapepetra, voapetra f mamepetra, famepetra, mpamepetra / ameperana, fameperana f mahapetra, (...).
Ahitsio |
Pepipepy | : | a. : Fivezivezena mankatsy mankaroa noho ny hatairana na haverezan-tsaina ka tsy mahita izay hatao na haleha. - t.i.f.: Apepipepy / mipepipepy. ¶ M.h.: Pempena, papapapa.
Ahitsio |
Pepo | : | (Ski) a.: Hodipotsy. - F.-p.: Pepeo: be hodipotsy (enti-milaza ny paraky rehefa antitra ka vandambandana ny raviny).
Ahitsio |
Pepo | : | p.t.: Misy lempona petaka milentika: Nidona tamin'ny varavarana izy ka pepo ny handriny. - t.i.f.: Pepoina, apepo, voapepo, tafapepo / manapepo, fanapepo, mpanapepo f anapepoana, fanapepoana f mipepo, fipepo, mpipepo f ipepoana, fipepoana f mahapepo / pepopepo.
Ahitsio |
Pepoina | : | (pepo) mt. ih, (pepoy): Asiana lempona, atao pepo: Adala mihitsy i Soa kely: nopepoiny tamin'ny vato ny sininy. ? h.o.: Tsy avala hitraka, tsy avala handroso: Aza pepoina ny tanora fa avela izy hivelatra amin' ny maha-izy azy.
Ahitsio |
Perana | : | (petra) mt. ih, (pero): Rarana, sakanana: Pero mafy ny zanakao tsy hilalao eo amoron-teuana.
Ahitsio |
Peratra | : | a.: Masom-by na metaly hafa (volafotsy, volamena) atsofoka amin'ny rantsantanana mba hatao firavaka na ho mari-pomba misy heviny sy dikany: Peratry ny fifamofoana; peratry ny mariazy. - t.i.f.: Miperatra, fiperatxa, mpipexatra / iperatana, fiperatana f mahaperatra.
Ahitsio |
Peretika | : | a.: Karazam-borona.
Ahitsio |
Perla | : | (fr. perle) a.: Voahangy. Peripetika a.: Jer. Tsipetrika.
Ahitsio |
Perovianina | : | (fr. pérouvien) a.: Ny firenena tompon-tany any amin'ny tanin'i Peroa (Amerika atsimo): Ny Perouianina no voalohany amin' ny fanjonoana eran'izao tontoio izao. ? p.t.: Momba an'i Peroa, an'i Peroa na avy any Peroa: Fomba perovianina.
Ahitsio |
Pesipesenina | : | na Pesipesinina: Heverina, (tsy fampiasa afatsy raha miaraka amin'ireto teny ireto: tsy azo, tsy hita, tsy takatra): Tsy hita pesipesenina ny haben'ny masoandro.
Ahitsio |
Pesta | : | (fr. peste) a.: Areti-mifindra mahatahotra aoka izany, izay misy karazany roa: ny "peste bubonique" sy ny "peste pulmonaire": ilay voalohany dia azo avy amin' ny kaikitry ny parasy tratran'io aretina io noho ny nanaikerany voalavo narary, ka ny amantarana azy dia ny fisehoana atodintaria eo amin'ny tata na ambany hetika; ny "peste pulmonaire" kosa, izay miendrika amonia dia mifindra mivantana avy amin'ny olona voany ka anisan'ny aretina mora mifindra indrindra.
Ahitsio |
Petahana | : | (petaka) mt pdr na ih. (petaho): Raiketana: Nopetahany taratasy misy teny fanarabiana ny lamosin'I-sambilo. • Asiana, tefohana: Petaho tehamaina io zaza io fa maditra. • Raisina, samborina: Nopetahan'ny polisy tlay mpangalatra.
Ahitsio |