Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Palmie: (fr. palmier) a.: Anarana itambarana ilazana ireo karazan-kazo manana toetra manokana: ny tahony, tsoatokana; ny isan-draviny, fitambarana ravina madinika maromaro, toy ny rafla, voaniho... Ahitsio
Pampana: a.: Firaparapana, fitsapatsapana. - t.i.f.: Mipampana, fipampana, mpipampana j ipampanana, fipampanana / mahapampana. Ahitsio
Pampina: a.: Anaran-javamaniry. Ahitsio
Panama: a: Anaran-tsatroka vita amin'ny ahitra henjankenjana ka fisaka mafimafy ny sofiny sy ny tampony. Ahitsio
Panda: a.: Pentina amin'ny hoditra vokatry ny hainandro, izay mety ho afa-panafody ihany na ho afaky ny fiovam-ponenana aman-draharaha. - t.i.f•: Pandaina. ¶M.h.: Hoditoho. Ahitsio
Pandaina: p.t.: Misy panda, feno panda. Ahitsio
Panga: a.: Bibim-bomanga. Ahitsio
Panina: (fr. panne) Fijanonan'ny masinina iray noho ny fahasimbana tsy nampoizina. Ahitsio
Pantsona: a.: Mitovy amin'ny Fantsona. Ahitsio
Paohina: (paoka) mt, ih. (paohy): Faohina avy hatrany ary amim-pahakingana: Nopaohin'ny papango ny akohokely. ~ Alaina an-keriny avy hatrany dia entina mandositra: Nopaohin'ny tontakely daholo ny fitafiany rehetra tao an-trano. Ahitsio
Paoka: a: Fifaohana avy hatrany ary amim-pahakingana; fakana zavatra an-keriny, izay entina mandositra. è Paohina 1 apaoka, voapaoka, pinaoka j mipaoka, fipaoka, mpipaoka / ipaohana, fipaohana / mahapaoka. Ahitsio
Paoma: (fr. pomme) a.: Karazan-kazo fihinam-boanampidirina teto, misy voany kely madinika, fihinana amin' izao na atao kaonfitira na a- naovana ranom-boankazo; ny ranon'ny paoma koa, rehefa avala hiketriketrika, dia anaovana zava-pisotro atao hoe sidira. Ahitsio
Paompy: (fr. pompe) a.: Fampakaran-drano avy any ambanin'ny tany hatao fantsakananavovo. Ahitsio
Paositra: (fr. postes) a.: Antokon - draharaham - p anjakana misahana ny fitondrana ny taratasy sy entana ifandefasan'ny olona. Ahitsio
Paosy: (fr. poche) a.: Fomban' akanjo toy ny lasaka kely mizaitra ety ivelany ka fasiana zavajavatra madinika isan-karazany: Ny daka no misy am-badika; ny loka no misy an-koatra; ny akanjo no soa misy paosy (,.,.) fa ratsy koa raha ratsy raha mba miuadika ny marina (Anganon' ny ntaolo). Ahitsio
Papa: a.: Ny filohan'ny Eglizy katolika, dimbin'i Md. Piera; ny Ray masina. Ahitsio
Papangay: a.: Karazam-boatavo (Luffa acutangula). Ahitsio
Papango: a.: Vorona mpihinankena, malaza amin'ny fipaohana ny zanak'akoho. - F.-p.: Papango tanana: ilazana ny olona faingan-tanana izay maka zavatr'olona amim-pahakingana mba hangalariny. * Ohab.: Papangolahy anaty katsaka ka izay miuoaka rainy avokoa: ilazana ny mpifaninana, ka izay miseho mahay daholo. Ahitsio
Papangofotsy: a.: Karazam-papango tsy mba mahay mifaoka fa iantombenany kosa ny biby asiany, toy ny akoho, gana, dokotra, voalavo.... ¶ M.h.: Fanohoka, fanindry. Ahitsio
Papangohazo: a.: Zavatra mitapelaka (taratasy henjana na baoritra maivana sady manify) didiana atao mitarehimpapango mivelatra elatra, dia asiana kofehy mba hitanana azy ary dia alefa hoentin'ny rivotra manidina (atao koa , hoe sarimpapango). Ahitsio