Litera P

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Papapapa: a.: Famindra maika nefa toa tsy mijery izay dia-vina ;totototo;raparapa. 1 t.i.f.: Apapapapa, tafapapapapalmipapapapa,fipapapapa, mpipapapapa / ipapapapana, fipapapapana / mahapapapapa. Ahitsio
Papay: a.: Karazam-boankazo. Ahitsio
Papelika: a.: Karazam-borona mifanahatahaka amin'ny tsipoy fa kelikely kokoa (hatava: 18 sm), izay hazain'ny olona fatratra noho ny henany tena matsiro. Voadiniky ny ntaolo ny fanenony fa tahaka ny manao hoe "tsara aho", ka dia izany ny nanaovany azy ho tahaka ny mandoka tena ka nahatonga ny fitenenana hoe "midoka tena toy ny papelika". Ahitsio
Papelimosy: (fr. pamplemousse) a.: Hazo fihinam-boa mitovitovy karazana amin'ny voasary, somary marikivikivy ny voany. Ahitsio
Papolahy: (Ski) a.: Anaran-kazo fanao fanafody sohihina. Ahitsio
Paradisa: na Paradizy (fr. para-dis) a.: Fonenan'ny olona tsara fanahy aorian'ny fahafatesana, araka ny finoana kristianina, izay iainany ao anatin'ny fahasambarana ateraky ny fahitana an'Andriamanitra. Toerana mahasambatra sy mahafinaritra: Tana paradisa kely ity sahanareo mangatsiatsiaka feno voninkazo ity. Ahitsio
Paraky: a.: Zavamaniry fifoka sy fihinana ny raviny fa ma-nana hery manaitaitra ny atidoha: Homam-paraky; mihinam-paraky; leom-paraky. - F.-p.: Paraky an'orona: paraky fitroka, izany hoe atao any anaty orona dia trohina. / Paraky be hatoka: paraky lehibe kiran-draviny. / Paraky jolo: paraky mahitsy ary henjana ny tahony. / Paraky kisoka na uoakisoka: vovo-paraky hanina (atao ambany lela). f Paraky kitsoloha: paraky mitsilotsilo ny raviny. 1 Paraky taiko: paraky lava taho. / Paraky uolotsangana: paraky henjankenjana ohatra ny ravim-bolotsangana ny raviny. ) Paraky ooalaro: paraky nasiana laro (lavenona) mba hampaherihery azy. * Ohab.: Paraky nankaleo ahy ka raha tsy fotsy angola tsy avelako: enti-milaza zavatra efa nisahiranana sy nisasarana izaitsizy ka tsy a-vela raha tsy efa tsy misy azo atao aminy intsony. Ahitsio
Parapaingo: a.: Fototra mafy anrin'ny tady na rojo vy; gadra misy masomby natao tamin'ny tongotry ny olomeloka fahiny: Ataouy amparapaingo io akoho io sao lasa. 1 Li. f.: Amparapaingo. Ahitsio
Parapandry: (fit.-p.) a.: Parasy. Ahitsio
Parapandy: (t. tr.) a.: Parasy madinika. Ahitsio
Parapany: (Ski) a.: Vilia vifotsy. Ahitsio
Pararatana: (pararatra) mt. ih. (pamrato): Anidinana (rano). Ahitsio
Pararatra: a.: Ny fifantsitsiran' ny rano amin'ny siny loaka na ny fianjeran'ny voan-javatra madinika raraka avy ao amin'ny harona na kitapo itoerany. - t.i.f.: Pararatana, apararatra, voapararatra, tafapararatra / manapararatra, fanapararatra, mpanapararâtra / anaparatana, fanapararatana / mipararatra,fipararatra, mpipararatra / ipararatana, fipararatana I mahapararatra. Ahitsio
Pararetina: (pararetra) mt. ih. (parareto): Ampangovitina izaitsizy. Ahitsio
Pararetra: a.: Fangovingovitra, fihararetra, h ovitrovitra. i Pararetina, apararetra, tafapararetra 1 manapararetra, fanapararetra, mpanapararetra / anapararetana, fanapararetana / mipararetra, fipararetra, mpipararetra / ipararetana, fipararetana / mahapararetra 1 pararedretra. - F.-p.: Pararetra am-bato malaza: teny ataon'ny ankizy an-kirs rehefa mampandihy samoina izay fatorany amin'ny tongobeny izy. Ahitsio
Parasahana: (parasaka) mt. pdr. (parasaho): Enti-milaza zavatra anelezana rano na voa. Ahitsio
Parasaka: a.: Fiparitahana na fielezana; fisehoan-javatra tsy misy miafina. - t.i.f.: Parasahana, aparasaka, voaparasaka, tafaparasaka / manaparasaka, fanaparasaka, mpanaparasaka I anaparasahana, fanaparasahana / miparasaka, fiparasaka, mpiparasaka I iparasahana, fiparasahana / mahaparasaka 1 parasadrasaka. Ahitsio
Parasily: a.: Lamba lasoa-manify sady mamirapiratra. * Fiten.: Mainka izany raha parasily, rauin-katsaka aza mikasoka: enti-milaza ny olona be hambo aoka izany ka zavatra tsinontsinona iny dia efa mampibontsina azy izaitsizy. ¶ M.h.: Mainka izany raha ranomasina, ranom-potaka ara manonja. Ahitsio
Parasy: a.: Bibikely mitsentsitra ny ran'ny biby lehibe sy ny olona ka manaikitra mampangidfhidy izaitsizy: Mitondra areti-mifindra toy ny pesta ny parasy. • F.-p.: Volomparasy: 1c lao na volon-javatra mitovy , min'ny an'ny vonim-boah. rana na tatamo. / Be taimparasy: enti-milaza ny hoditava na ny akondro misy pentimpentina kely madinika. / Parasin'alika: karazamparasy lehibe, fahita indrindra ao anaty volon'ny alika. / Parasy lafrika: karazam-parasy madinika, izay manatody any anatin'ny hoditra. / Parasy kankana: parasy fahita indrindra any an-tsiraka ao anaty fasika (biby lavalava kely toy ny kankana izy io ka mitsofoka anatin'ny hoditra). ¶ M.h.: Parapandy, parasaingy. Ahitsio
Parata: na Paranta (fit.-p.) a.: Ariary: Parata telo uao mahazo voasary. Ahitsio