Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Raona: na Raondraona a.: Feon-javamaneno maro miaraka mahafinaritra, redona. 1 t.i.f.: Miraondraona, firaondraona. Ahitsio
Raondraona: a. : Jer. Raona. Ahitsio
Raondriana: a.: Teny fanajana taloha raha miresaka amin' olona, mitovy amin'ny ankehitriny hoe "tompokolahy". Ahitsio
Raorao: a.: Jer. Rao. Ahitsio
Raorao: (Ski) a.: Fofon-drivotra mangatsiaka alohan'ny orana. Ahitsio
Raotina: (raotra) mt. ih. (raoty): Hanin'ny biby (ahitra, vilona): Noraotin'ny ombinareo ny katsako ka tsy manaiky aho. ? h,i.: Tapahina amin'ny antsy: Noraotin'ireo ankizy ireo ny vilona teto. 1 Hogoina, saratsarahina mba hitsikerakera: Noraotiny tamin'ny fandraotra ny volony talohan'ny hivoahany. ? h.o.: Tenenina, levilevena, kapohina mafy:Horaotiko mihitsy ilay karilahy iny raha vao tonga. Ahitsio
Raotra: a.: Fanongôtana na fakana an-keriny; fihinanan'ny biby (ahitra); fibangoana na fihogoanany volo. - t.i.f.: Raotina, araotra, voaraotra / mandraotra, fandraotra, mpandraotra / andraotana, fandraotana 1 miraotra, firaotra, mpiraotra 1 iraotana, firaotana / maharaotra I raodraotra / maraotra. Ahitsio
Raozy: (fr. rose) a.: Karazamboninkazo mahafinaritra mihorona boribory ny felany axy misy fotsy, mena, mavokely, ny lokony, fa ny tahony no misy tsllotsilony. Ahitsio
Rapaka: a.: Vatan-dravinala novakina sy novelarina mba hanaovana rindrin-trano sy ngorodona amin'ny trano falafa. Ahitsio
Rapaka: a.: Fihinanana zavatra izay tonga dia any am-bava. ? h.o.: Fakana na fihinanana zavatra tsy mifidy fa izay rehetra hita dia alaina. - t.i.f.: Arapaka, voarapaka 1 mandrapaka, fandrapaka, mpandrapaka 1 andrapahana / mirapaka, firapaka, mpirapaka / irapahana, firapahana / maharapaka 1 rapadrapaka. ? F,-p.: Manao rapa-dango: mihinana mambosibosika izay rehetra hita, mandray tsy am-piheverana. Ahitsio
Raparapa: a.: Famindrana fandeha tsy mahita izay hodiavina fa mitsapatsapa; fandeha mizotra fotsiny amim-pahamaikana ka tsy mihevitra izay ho vokatr'izany. - t.i.f.: Araparapa, tafaraparapa / miraparapa, firaparapa, mpiraparapa 1 iraparapana, firaparapana 1 maharaparapa. Ahitsio
Rapatsa: a.: Zavamaniry misy voniny mena. Ahitsio
Rapeto: a.: Anaran'olo-malaza tamin'ny angano noho ny halavany. ? h.i.: Olona lava be. Ahitsio
Rarahana: Rarafana (raraka) mt. pdr. (raraho, rarafo): A-siana zavatra milatsaka mikorotsaka eo amboniny: Rarahana tain-kafe ny ngorodona alohan'ny hiborisiana azy. / Rarafana ranovoahasina ny mpiangona. Ahitsio
Raraka: a.: Teny ilazana rano na voan-javatra mianjera ka miparitaka, na fofona vaky ka miely, very: Raraka daholo ilay menaka uao nouidina. / Raraka tao amin'ny tany ny fotsimbary, 1 h,o.: Tsy afa-panadinana: Raraka indray Rabe tamin'ny fanadinana farany tao. - t.i.f.: Rarahana, rarafana, voararaka, tafararaka / mandraraka, fandraraka, mpandraraka / andrarahana, fandrarahana 1 miraraka, finira-ka, mpiraraka / irarahana, firarahana / mahararaka 1 raradraraka. - F.-p.: Atao vary raraka: ilazana ny teny misesy mifampitohitohy tsy misy fiatoana (na teny tsara lahatra izany na ompa sy ozona samihafa). / Aza atao raraka an-tan y: teny entina hanamafisana ny anatra sy ny hafatra omena, izay tsy tiana hisy hadino na hanalana, fa hotovina aradalàna avokoa. / Rano raraka tsy azo raofina: enti-milaza ny zavatra afoy tanteraka na tsy azo afody hiverina intsony. ¶ M. h.: Sira latsaka an-drano. / Raraka ivy: enti-milaza ireo izay tsy mahatana ny rora miraraka avy any am-bavany ny molony. / Voahangy raraka: ilazana ireo olona maro miasa eny an-tsaha amim-pifaliana amin'ny fotoana fanetsana ny varialoha. Ahitsio
Rarana: (rara) mt. ih. (rarao): Sakanana, tsy avala: Rarana ny miditra ato. / Rarana tsy handeha eto ny mpianatra. Ahitsio
Rarangina: (rarangy) mt. ih. (rarangio): Lanjaina ka manao hazakazaka mafy ny mpilanja. Ahitsio
Rarangy: a.: Hazakazaka fanaon'ny mpilanja filanjana. ? h. i.: Hazakazaka mafy: 1-reo onja vauenty, toa reuo misangy, / Mamelon-drarangy. (J.N.) - t.i.f.: Rarangina. - F.-p.: Manao, mamely, mikatroka rarangy: mihazakazaka mitondra olona amin'ny filanjana (ny manao rarangy amin'ny mpilanja dia mitovy amin'ny manao faohàny amin'ny miaramila). Ahitsio
Raratra: a.: Haingo, ravaka tsara. - t.i.f.: Voararatra, tafararaira 1 mandraratra, fandraratra, mpandraratra 1 andraratana, fandraratana 1 miraratra, firaratra, mpiraratra 1 iraratana, firaratana 1 mahararatra I raradraratra. Ahitsio
Rarina: (rary) mt. ih. (rario): Angatahina mba handresy, mba ho soa sy ho tsara amin'ny alalan'ny vavaka: Rarina ho zina ny taona, handresy ny tafika. Ahitsio