Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Saingy: p. mt.: Fa: Nanitsy azy ny uato, sa?hgy niondrika izy ka tsy uoa. ¶ M.h.: Nefa, sangy, faingy, kanjo, kango. Ahitsio
Sainina: (saina) mt. ih. (saino): Eritreretina, dinihina: Saino tsara izany, rankizy. Ahitsio
Sainty: a.: Anaram-bakana kely mainty. Ahitsio
Saisay: ft.: Raorao, harokoroko malailay misy manindrontsindrona kely. - t.i.f. : Masaisay. Ahitsio
Sajoa: (fit.-p.) a.: Siny. Ahitsio
Saka: ft.: Enti-milaza fihalorana foza na orana amin'ny ta-nana ao anaty lavany; ilazana ny vehivavy maridray ny ankasarotana eo am-piadiana amin'ny lehilahy. - t.i.f.: Sakaina, asaka, vos-salsa, tafasaka / misaka, fisaka, mpisaka / isakana, fisakana / mahasaka / sakasaka. * Ohab.: Izaho mpisaka no ivarotana orana: enti-milaza fa tsy tokony hametsifetsy na hanambaka olona fetsifetsy noho ny tena. Ahitsio
Saka: a.: Karazam-biby mampinono, tia nofom-biby, mitovitovy habe amin'ny bitro ary misy karazany roa lehibe: ny saka dia, atao koa hoe kary, ary ny saka fiompy, izay mihaza voalavo ao an-trano. ? F.-p.: Saka dia: kary, entimilaza olona fatra-pivezivezy ary fatra-piriorio. / Manjary salsa dia: tonga kary tsy ta-mana an-trano ary mihenjy tsy tan-dàlana. / Saka kary, karin-tsaka: sakamanjary kary mangala-pihinana na miova toetra. / Saka lava tanana: saka tsy azo itokiana. ? h. o. : Enti-milaza ny olona fetsy ary tonga mpangalatra. * Ohab.: Voalavolahy mila loza; saka matory ka alamb o lom bava : enti-milaza fa tsy tokony ho sahisahy foana ka manakaiky ny loza mahafaty. ¶ M. h. : Piso. Ahitsio
Saka: Sakany a.: Home mifanohitra amin'ny lavany: Ohatrinona no haben'ity efitrano ity? —Fit() metatra ny lavany ary dimy metatra ny sakany. ? Habe salasalany, antonintoniny. ? p. t.: Lehibe, vantotra, tsy mbola tena lehibe nefa tsy kely intsony koa: Sakan-jaza, sakan'ombiuavy. ? h.i.: Salasalany, atriatry: Sakan-karona. - F.-p.: Tsy misy sakany sy lauany: sady fohy no vaventy. / Sakam-bavy, sakan-dahy: vanto-jazavavy, vantojazalahy. / Sakan-jaza: zaza madinidinika efa afa-mitsoriadriaka. / Sakam-bavy antitra: vehivavy tsy mbola tena antitra. / Sakan-dahy an titra: lehilahy tsy mbola tena antitra. / Sakan-kao: hao salasalany tsy mbola manatody fa kely kokoanoho ny renihao. / Sakan-karona: harona salasalany. Ahitsio
Sakaba: na Sakabany a.: Elanelana. Ahitsio
Sakafo: a.: Zavatra handroina ka hanina isan'andro amin' ny fotoana tsy miova: Tsotsotra ihany ny anay ny sakafo maraina fa uitan'ny uary sosoa sy kitoza fotsiny. / Sotroy eran'ny sotro lehibe alohan'ny sakafo antoandro sy hariva ity fanafody ity. / Mahandro sakafo, manao sakafo, mandroso sahafo. ? Vola, haninkanina, o-mena vahiny: Amin'?zao fitsidihanao izao, tompoko, dia iny misy sakafo kely avy aminay. ? h.o.: Izay rehetra entina mamelona na mampitombo zavatra iray: Ny famakiam-boky no sahafon'ny saina. - t.i.f.: Sakafoana, voasakafo, tafasakafo / misakafo, fisakafo, mpisakafo / isakafoana, fisakafoana / mahasakafo. - F.-p.: Sakafo ambany foitra: sakafo kely dia kely. / Sakafo lanin-tompony: sakafo niandrasana vahiny tsy tonga ka lanin'izy nanao azy ihany. / Sahafo maivana: zavatra kely hanina maraina. ¶ M.h.: Ody lolo, ody ambavafo. / Sakafo manta: hanina tsy nandrahoina omena vahiny. / Sakafom-bahiny: zavatra omena ny vahiny hataony sakafo. / Sahafom-borondolo: sakafo hanina indray mandeha, ka amin'ny alina ihany. * Ohab.: Sakafom-borondolo ka ny alina no miantoka ny antoandro. / Sakafon'akoho: enti-milaza sakafon'olona tsy manan-toniantoerana isakafoana fa vitan' ny mihinana kely atsy mihinana kely aroa. * Ohab.: Sakafon'akoho ka uitan-tsindroha ihany. / Sakafon-tsorohitra: sakafo hanina eny an-dalana rehefa mivahiny: Sakafon-tsorohitra ka amoron-dalana ihany. / Tsindrintsakafo: voankazo na zavatra hafa hanina aorian'ny te-na sakafo. Ahitsio
Sakafoana: (sakafo) mt. ih. (sakafoy): Omena, tolorana haninkanina, vola: Tokony hosakafoana ireo tra-boina ireo. Ahitsio
Sakaina: (saka) mt. ih. (sakao): Sak (orana, na foza) Alaina, halorina ao anaty lavany; (lehilahy) raisina amin'ny ankasarotany eo am-piadiana. Ahitsio
Sakaitany: (Btm) a.: Sakamalao. Ahitsio
Sakaiza: a.: Namana mifankazatra sy mifankatia amin'ny tena ka amborahana izay ao am-po sy izay manjo ny te-na: Miaraka foana Ibalita sy Isambilo sakaizany. ? Entimilaza koa lehilahy sy vehivavy mifangala-pitia any amin'ny takona (matetika, amin'ity hevitra ity, dia ampiana ny mpamaritra hoe ratsy: sakaiza ratsy). - t.i.f. : Sakaizaina, asakaiza, voasakaiza, tafasakaiza / manakaiza sy manasakaiza, fanakaiza, mpanakaiza / anakaizana, fanakaizana / misakaiza, fisakaiza, mpisakaiza / isakaizana, fisakaizana / mahasakaiza / sakaizakaiza. - F.-p.: Sakaiza manody: enti-milaza olona nitokiana izay manao ratsy ny tena any amin'ny takona. / Sakaizam-bilany uy: ilazana ireo ankizy tokony handeha hilalao, nefa tsy miala eo amorom-patana, miandry ny fahamasahan'ny sakafo noho ny hatendana. / Sakaizampatana: entina milaza ireo efa zokiolona izay mila hafanana eo amin'ny afo am-patana, — indraindray koa ilazana ireo tendan-kanina tsy miala eo akaikin'ny fatana miandry ny sakafo. / Sakaizam-patsa: anarana omen'ny olona ny hen'omby akaikin' ny sorony noho izy tsara rony, andrahoina miaraka amin'ny patsa. / Sakaizan-kauitra: ilazana ny akoho tanora izay tsara raha atsatsika amin'ny afo. * Ohab.: Ataouy maro ny sakaiza, fa iray ihany no itokisana: ohabolana mampahatsiaro fa na maro aza ny namana, vitsy no tena azo itokisana. / Manakaiza vahiny; mbola tia ka ilaozany: enti-milaza fa tsy tokony hiraiki-po amin'izay olona tsy manao afa-tsy mandalo. ¶ M. h.: Tapaka, namana, mpifankatia, mahatoky, rano sy vary, fatidra, longo, tanan-kavia sy havanana, trano atsimo sy avaratra, mpirahalahy mizara dian'omby, mifampihinana ny manta sy ny masaka. Ahitsio
Sakaizaina: (sakaiza) mt. ih. (sakaizao): Alaina ho sakai• za. Ahitsio
Sakaka: p. t. : Adaladala, don• drondondrona, midraho• draho. Ahitsio
Sakalahimpeo: a.: Feo salasa la, tsy avo tsy iva. Ahitsio
Sakalava: a.: Anaram-poko le• hibe monina amin'ny tany anelanelan'Ampasimena, a. varatra, hatrany Toliary, a• tsimo, ary ny atsinanana, voafaritry ny tandavan-ten• drombohitra mamaritra ny tanin'ny Marina. Azo zarai• na ho faritra efatra lehibe ny Sakalava, izay ireto avy raha asesy avy avaratra: i Boina (reniv. Mahajanga), Am bongo (reniv. Besalampy), i Menabe (reniv. Morondava), ary i Fiherenana (reniv. Toliary). Ahitsio
Sakamaina: a.: Tanimbary ambony toerana ka saro-drano ary tsy azo volena raha tsy tonga ny orana. Ahitsio
Sakamalao: a.: Zavamaniry masiaka mafanafana ny vodiny, latsadatsaka kely noho ny sakay. * Ohab.: Sakamalao sy hauozo: samy mitondra ny hanitra ho azy: enti-milaza zavatra na olona anankiroa samy manana ny hatsarany ka tsy azo atao hoe "itsy ambany noho iroa", fa "angady mondro sy reniakoho ka izay mananda no resy". ¶ M. h. : Sakarivo, sakaitany. Ahitsio