Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sakiakia: p. t.: Falifaly, miramirana, sariadriaka. Ahitsio
Sakivy: na Sakoivy a.: Toetra voalohany ananan'ny voangory raha vao foy izy, alohan'ny hiofoany ho monany: biby lavalava kely fotsifotsy mora mikarainkona. (Misy karazany telo ny sakivy: a) ny kely madinika izay miofo ho voangorimbaratra; b) ny salasalany, miofo ho voangorifotsitapaka; d) ny makadiry miofo ho voangoribe. — Rehefa mby lehibebe an-katoky ny hiofo ho monany ny sakivy, dia omena ny anarana hoe Rangahy). Ahitsio
Sakoa: a.: Hazo fihinam-boa (Spondias Cythoerea). Ahitsio
Sakoa: na Sakoizay tp.: Teny fanakorana ny voa, toy ny milaza hoe "tsara izay!": Nianjera ny anao, sakoizay! kevokevoka loatra. Ahitsio
Sakobona: na Sakoboka a.: Fitondrana zavatra afenina anaty lamba fatratra; fandrakofana ao anaty lamba, fanafenana ny tena ao anaty firakotra. - t.i.f.: Sakobonina, asakobona, voasakobona, tafasakobona / manasakobona, fanasakobona, mpanasakobona / anasakobonana, fanasakobonana / misakobona, fisakobona, mpisakobona / isakobonana, fisakobonana / mahasakobona /sakobonkobona. Ahitsio
Sakobonina: (sakobona) mt. ih. (sakobony): Entina, afenina ao anaty lamba: Nosakoboniny ny voankazo uao notazany mba tsy hangatahin'ny namany. ? Saronana ao anaty lamba: Sakobony tsara ny marary eo am-pitondrana azy ho ao anaty fiara sao uoan'ny rivotra. Ahitsio
Sakobonkomana: a.: Karazamboronan-drano izay toa miafina ao anaty elany izy rehefa mihinana trondro kely, sahona, dinta... Ahitsio
Sakoda: a.: Kilalao fanaon'ny ankizivavy kely: mitorovoka amin'ny voditongony izy dia mitsambikina mova tsy ny sahona, sady mihirahira no mandon-tratra. Ahitsio
Sakodiavatra: p. t. : Misalasala tsy mahita izay hatao eo anatrehana toe-javatra manahirana na tonga tampoka. ¶ M.h.: Vaka, sanganehana, saikatra. Ahitsio
Sakodina: a.: Fivoivoizana, fandehanana ats? sy ar?; fivezivezena betsaka. - t.i.f.: Misakodina, fisakodina. Ahitsio
Sakody: a.: Karazan-tsifo-dranomasina. Ahitsio
Sakoerana: (sakoitra) p. t.: Fe-no sakoitra, na misy sakoitra. Ahitsio
Sakohaza: a.: Karazanabibikely. ? h.o.: Mahia dia mahia, mahia kaozatra. Ahitsio
Sakoitra: a.: Karazana kankana mivelona ao anaty tsinain'ny biby lehibebe sy ny olombelona; misy karazana roa ny sakoitra: ireo avy amin'ny hen'omby ary ireo avy amin' ny henan-kisoa; mety hahatratra valo metatra ny halavan'ny sakoitra ary mety hiteraka aretina amin'ny lalankanina na mamely ny hozatra. - t.i.f.: Sakoerana. Ahitsio
Sakoko: p. t.: Jer. Takoko. Ahitsio
Sakondry: (Btm) a.: Bibikely marani-doha mipetraka amin'ny vahy sasantsasany, toy ny tsidiny na ny kalamaka. Ahitsio
Sakondry: a.: Karazana famakiloha. Ahitsio
Sakonohina: (sakonoka) mt. ih. (sakonohy): Entina afenina ao anaty lamba. Ahitsio
Sakonoka: a.: Karazana kapaoty. - t.i.f. : S akonohina, asakonoka, voasakonoka / misakonoka, fisakonoka, mpisakonoka / isakonohana, fisakonohana / mahasakonoka / sakonokonoka. Ahitsio
Sakoririka: a.: Tandroky ny bibikely. Ahitsio