Siantsiana | : | ft.: Fiviliana amin' izay tokony ho izy; fahadisoam-pandeha noho ny haitraitra (jer. Siasia). - t.i.f.: Misiantsiana, fisiantsiana, mpisiantsiana 1 fisiantsianana J mahasiantsiana.
Ahitsio |
Sidikina | : | Sidikinina (angl. God soue the king) a,: Hiram-pirenena.
Ahitsio |
Sidina | : | ft.: Fiakarana amin'ny avo, fisondrotana ambony eny amin'ny habakabaka, fiaingaingana ambony. - t.i.f.: Sidinina, asidina, voasidina, tafasidina / manidina, fanidina, mpanidina / anidinana, fanidinana J misidina, fisidina, mpisidina 1 isidinana, fisidinana / mahasidina / sidintsidina. - F.-p.: Manindao sidina: tsy mahavoa, mivaona any amin' ny tsy izy, manadino hafatra.
Ahitsio |
Sidindahy | : | a.: Tovolahy matanjaka be aina.
Ahitsio |
Sidinina | : | (sidina) mt, pdr. (sidino): Torahana: Nosidininy saki ilay alika.
Ahitsio |
Sidintsidina | : | a.: Karazam-borona mainty ny lamosiny, fotsy ny takibany ary ny volombodiny somary dimbana; mahatratra 16.18 sm ny halavany; ny sidihtsidina dia mivelona amin'ny bibikely ramriasanY amin'ny vavany eny atn-panidfnana.
Ahitsio |
Sidiny | : | a.: Tanora: Sidin-dahy.
Ahitsio |
Sidiona | : | a.: Karazan-damba.
Ahitsio |
Sidiondiona | : | a.: Asa ataon'ny olona mivoivoy ats? sy ar? mba handositra adidy, handositra asa. - t.i.f.: Asidiondiona, tafasidiondiona / manasidiondiona, fanasidiondiona, mpanasidiondiona 1 anasidiondionana, fanasidiondionanal misidiondiona, fisidiondiona, mpisidiondiona 1 isidiondionana, fisidiondionana 1 mahasidiondiona.
Ahitsio |
Sidira | : | (fr. cidre) a.: Zavapisotro atao amin'ny ranon'ny paoma avela hiketriketrika.
Ahitsio |
Sifaka | : | a.: Karazan-gidro fotsy fa mainty loha.
Ahitsio |
Sifile | : | (fr, sifflet) a.: Fitaovana metaly tsofina ka mamoaka feo mafy mikarantsana; kirirloka, tsotsiika.
Ahitsio |
Siforina | : | (sifotra) mt ih. (sifory): Angalarina amim-pahakingana.
Ahitsio |
Sifotra | : | a.: Biby misy akorany boribory ny vatany ary misy tandrony roa lava ny lohany: Misy karazany maro ny sifotra, fa ao ny sifomainty, ny sifotr'ala, ny sifotr'amboa. - F.-p.: Sifotr'omby: fandraisana ny tandrok'omby amim-pahakingana ka misavily ary mikainkona eny mova tsy ny akoran-tsifotra. / Misifotr'omby: misangy omby, izay raisina ny tandrony ka isavilianana.
Ahitsio |
Sifotra | : | a.: Halatralatra madinika atao amim-pahakingana, famitahana tsy mendrika. - t.i.f.: Siforina, voasifotra I misifotra, fisifotra, mpisifotra/ isiforana, fisiforanal mahasifotra I sifotsifotra.
Ahitsio |
Sigara | : | (fr. cigare) a.: Ravimparaky voatorotoro mihorona ao anaty taratasy manify ka atao fifoka: Nahaiany si-gara telo pake isan'andro a-ho taloha.
Ahitsio |
Sihanaka | : | (Ski) a,: Kamory lalina tsy misy ahitra.
Ahitsio |
Sihanaka | : | a.: Foko kelikely manodidina ny farihin'Alaotra, izany hoe amin'ny tany voafaritry ny renirano Benrarivo ambony sy Tampoketsa atsimo (avaratra), ny renirano Mahajamba ambony (andrefana), ary ireo havoana bezanozano sy ny ala (atsinanana). Renivohiny: Ambatondrazaka.
Ahitsio |
Sikajy | : | a.: Anaram-bola izay lasiroa sy ilavoamena no sandany (0Fr 60): Sikajy telo (1Fr 80), sikajy dimy (3Fr 00).
Ahitsio |
Sikidy | : | a.: Fahaizana mampahalala ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray amin'ny alalan'ny fandaharana voan-tsaramaso na voan-kily, izay sarotra dia sarotra ho an'ny tsy niofana amin'izany. (Misy karazany roa ny sikidy, dia ny sikidy joria ary ny sikidy alanana: amin'ny sikidy joria, dia roa karazana ny fipetraky ny voan-javatra, na jama na taraiky, ka apetraka amin'ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voa ao anaty kitranotrano valo valo avy; ny sikidy alanana kosa, izay sarotra noho ny joria, dia misy kitranotrano 36, izay manao toa sarina efamira telo, fa jama sy taraiky ihany koa no fipetraky ny voa; rehefa voalahany amin' ireo kitranotrano ny voa, ka eo no mahasarotra azy, dia vakin'ny mpisikidy eo ny valin'ny fanontaniana natao taminy).
Ahitsio |