Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sinatroka: (satroka) mt. ih, misy tsofoka in: Satrohina, os mena satroka: Nahery ny masoandro ka nosinatrony haingana ilay zaza. Ahitsio
Sinava: (sava) mt ih, misy tsofoka in: 1) Voasava, savaina, zahana ao anaty zavatra: Nosinava tao anaty ahitra ny peratro no hita. 2) Hadina, diovina: Nosinava ny lalana sao latsaka teny ilay vola. Ahitsio
Sinazoka: (sazoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voasazoka, a-laina tsy an-drariny: Nosinazok'ilay olona ny tranony. Ahitsio
Sinazy: (sazy) mt. ih. misy tsofoka in: Voasazy, sazina, faizina: Nosinazy ariary zato ilay mpangalatra. Ahitsio
Sinda: ft.: Fialana manalavitra, fihatahana. i t.if.: Asinda, voasinda / maninda, faninda, mpaninda / anindana, fanindana / misinda, fisinda, mpisinda / isindana, fisindana / mahasinda / sindasinda. Ahitsio
Sindahana: Asindaka (sindaka) mt. ih. (sindaho, asindaho): Sarahina, ahataka amin'ny maso. Ahitsio
Sindaka: ft.: Fihatahana, fisarahana amin'ny maso der. Sendaka). - t.i.f.: Sindahana, asindaka, tafasindaka / misindaka, fisindaka, mpisindaka / isindahana, fisindahana. Ahitsio
Sinelaka: (selaka) mt, ih. misy tsofoka in: Voaselaka, selahina, endahana isan'elakelany. Ahitsio
Sinelisely: (selisely) rat. th. misy tsofoka in: Voaselisely, seliselena, voahelingelina, helingelenina: Nosineliseliny rainy raha niasa. Ahitsio
Sinelontselona: (selontselona) mt. ih. misy tsofoka in: Seranina, lalovana haingana: Mahamenatra ny nataonao, anaka, fa nosinelontselonao ny vahiny. Ahitsio
Sinema: (fr. cinéma) a.: Fakana sary zavatra na olona mihetsika asnin'ny bandy atao hoe filma izay ampidirina amin'ny fitaovana manokana ka mamoaka indray ilay sary sy feo nalaina; sarimihetsika. Ahitsio
Sinempotra: (sempotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voasempotra, semporina: Sinempotry ny setroka ity zaza ity. Ahitsio
Sinendaka: (sendaka) mt. ih. misy tsofoka in:Endahana. Ahitsio
Sinendrasendra: (sendrasendra) mt. ih. misy tsofoka in: Sendrasendraina, sam basam bai-na. Ahitsio
Sinerana: (serana) mt.ih. misy tsofoka in: Voaserana, seranina, lalovana haingana: Nosineran'ny rivo-doza ny tanànanay ka nahasimbana bebe ihany. Ahitsio
Sinesika: (sesika) mt. ih misy tsofoka in: Voasesika, sesehana, sesefana: Nosinesiny mofo ny zanany. Ahitsio
Sinetroka: (setroka) mt. ih, misy tsofoka in: Setrohana, donafana amin'ny setroka: Nosinetroky ny ankizy ilay vahiny. Ahitsio
Sinetry: (setry) mt, ih, misy tsofoka in: Voasetry, setrena; valiana: Tsy natahotra velively izy fa nosinetrany daholo ny teny nataon'ny mpitory azy. Ahitsio
Sinevotsevo: (sevosevo) mt. ih. misy tsofoka in: Natao amin' ny hamaikana. Ahitsio
Singa: Singana na Singany a.: Irery: Nahoana no mandeha singany izato izy? fa nankaiza Ramatoa? ? Ny ilanY, ny iray amin'ireo zavatra iray aman'olona na iray lomisy: Ento at? ny singan-kiraroko ao ambany farafora ao. ? Enti-milaza ny tenan-javatra a-laina tsirairay: Hakako afokasoka tranony iray ve ianao? — Tsia, singany iray ihany entina. - t.i.f,: Singanina, asingana, voasingana, siningana / maningana, faningana, mpaningana / aninganana, faninganana / manasingana, fanasingana, mpanasingana ( anasinganana, fanasinganana / misingana, fisingana, mpisingana / isinganana, fisinganana / mahasingana / singantsingana. • F.-p,: Singam-ba, singan-kiraro: ny ilam-ba na ny ilankiraro ihany fa tsy izy roa. / Singam-bolo: tahom-bolo iray monja. / Singan-drofw: anankiray amin'ny tsiratsiraky ny rofia. / Singan'olona: enti-milaza olon-drery, tsy manan-kavana na namana miaraka amin'ny tena. * Ohab.: Singambolo manda-vo ny vositra: enti-milaza zavatra kely mety hanimba za-'va-dehibe. ¶ M.h.: Singan'olona, honjohonjon'olona, manirery, irery tena, mijongijongy, manjenjena, misiontsiona, tsy amboa tsy lambo, borlbory, tsy ary ambony tsy ary ambany, tokan-tena, tsy mananamana, milalao vovoka irery, mamikitra ahitra irery, akanga sisa nanamborana, tapa-porohana sisa tsy may. Ahitsio