Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsimativonoina: a.: Anaran-javamaniry mateza tsy maty vonoina. Ahitsio
Tsimatoalaza: a.: Anaran-javamaniry fanao fanafody. Ahitsio
Tsimatra: a.: Hombo apetaka amin'ny sobiky hahazoana mamatotra azy amin'ny bao filanjana. 1 Hombo vy mifaraingo atsatoka amin'ny tany ary manenjana ny lay: Tsima-day: izay atao koa hoe firambotra. Ahitsio
Tsimbadika: a.: Vadika, fihodinana hankao amin'ny ilany; hohoka. - t.i.f.: Atsimbadika, voatsimbadika, tafatsimbadika ( manatsimbadika, fanatsimbadika, mpanatsimbadika / anatsimbadihana, fanatsimbadihana l mitsimbadika, fitsimbadika, mpitsimbadika / itsimbadihana, fitsimbadihana ( mahatsimbadika / tsimbadimbadika. Ahitsio
Tsimbaivay: a.: Karazam-balala maitsomaitso. 1 p.t.: Mavany, sahy ratsy. Ahitsio
Tsimbalabala: a.: Kilalaon'ny ankizy mifampitifitifitra ka voan-javatra boribory kely no ataony balabala. Ahitsio
Tsimbalivaly: a.: Valim-bonoana. Ahitsio
Tsimbalivaly: a.: Teny ilazana fa misy ny valiny na setriny daholo izay atao: Tsimbalivaly ny fiainana. Ahitsio
Tsimbalombalo: a.: Ny atin' ny tandrok'omby. Ahitsio
Tsimbarivary: a.: Karazan-damba misoratsoratra. Ahitsio
Tsimbasibasy: a.: Kilalao misarim-basy. Ahitsio
Tsimbatavata: a.: Anaram-balala. Ahitsio
Tsimberivery: a.: Riorio, renireny. • t.if.: Tafatsimberivery / mitsimberivery, fitsimberivery, mpitsimberivery / itsimberiverena, fitsimberiverena. Ahitsio
Tsimbilaotra: a.: Karazan-kazo kely madinika malefolefo fanao garaba. Ahitsio
Tsimbina: a.: Tandrina, karakara, ahy. - t.i.f.: Tsimbinina, atsimbina, voatsimbina / mitsimbina, fitsimbina, mpitsimbina / itsimbinana, fitsimbinana / mahatsimbina. Ahitsio
Tsimbinina: (tsimbina) mt. ih. (tsimbino): Karakaraina tsara, ahina fatratra: Notsimbininy ny asany ka nisondrotra haingana izy. ? Ampiana ary soavina: Tsimbino mandrakariva ny mahantra. Ahitsio
Tsimboa: (Btl) a.: Teny ilazana ny omby manombokamitsiry ny tandrony. Ahitsio
Tsimbohitra: a.: Fanoherana ny manam-pahefana. - t.i.f.: Atsimbohitra, voatsimbohitra, tafatsimbohitra / mitsimbohitra, fitsimbohitra, mpitsimbohitra / mahatsimbohitra / tsimbohimbohitra. Ahitsio
Tsimbolavola: a.: Karazam-balala vasobaso-bolo (Catantops debilitalus). Ahitsio
Tsimbotry: a.: Anarana orne-na ny valala adrisa mbola kely ka tsy tonga elatra fa man-'dady sy mitsipitsipika fotsfny amin'ny tany. * Ohab.: Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa uao hifanary: entina hilazana olona nifankatia sy nifanampy fony samy kely — amin'ny lafin-kevitra rehetra — nefa nony lehibe toy ny tsy mifankahalala intsony. Ahitsio