Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tàmbana: na Tambàna a.: Sampona misakana tsy hanao na hanatanteraka zavatra nokasaina. - t.i.f-: Tambanana. - Tsy ho azon-tsampona, tsy ho azon-tambana: enga anie ka hieren-doza! Ahitsio
Tambanana: (tambana) mt. ih. (tambano): Asiana zavatra hisakanana tambana: Matetika taloha ny zauatra nokinasa notambanana valala manatody, fa "raha indrindra ho lauo ihany, aleoko mba ho lavo amin'akondro", hoy ny Ntaolo. Ahitsio
Tambany: (ambany) a.: Olona avy any amoron-tsiraka, izay toerana ivaiva na ambany miolotra amin'ny eto afovoan-tany. Ahitsio
Tambatambazana: (tambitamby) mt, ih. (tambatambazo): Safosafoina na tehatehafina malefaka: Tambatambazo io zaza io mba hangina ambara-pahatongan-dreniny. ? Kojikojena, anaovana teny malefaka na omena zavatra mba hitaomana hanao izay tian'ny tena: Notambatambazan'ny namany izy ka izariy no nahasimba azy. Ahitsio
Tambato: a: Mpipai-bato na mpandrafi-bato. Ahitsio
Tambatra: ft.: Firaisana tsy misaraka, fikambanana ho iray. i tif,: Atambatra, voatambatra, tafatambatra / manambatra, fanambatra, mpanambatra / anambarana, fanarnbarana / mitambatra, fitambatra, mpitambatra / itambarana, fitambarana / mahatambatra. Ahitsio
Tambavy: a: Anaran'aretina mahazo ny zaza izay heverina fa av)[ amin'ny vehivavy reniny niteraka azy ihany. ? Fanafodin-jaza amboarin'ny mpanao fanafody na mpanao raokandro: Misotro tom bauy. Ahitsio
Tambazana: (tamby) mt. ih. (tambazo): Karamaina: Notambazako telopolo Rakoto hanala ahitra manodidina ny tranonay. ? Omena atao loka: Tambazako ariary zato ianao raha mahabata ity vato ity. Ahitsio
Tambelona: a.: Fiverenan'ny ain'olona torana na safotra ka velona sy miaina indray. ? t.i.f.: Mitambelona, fitambelona. Ahitsio
Tamberezina: (verezina) p.t.: Enti-milaza olona angatahan-javatra tsisy farany, itampesonana, itambezoana. Ahitsio
Tamberina: a.: Entina milaza ny olona mandeha, dia miverina; ny lasa kely dia tonga indray. ? Entina milaza koa ny mihodinkodina eo an-toerana ihany, na ny fivezivezena mandroso dia misangodina eo amin'izay nialana. - t.i.f.: Atamberina, voatamberina, tafatamberina / manatamberina, fanatamberina, mpanatamberina / anatamberenana, fanatamberenana / mitamberina, fitamberina, mpitamberina / itamberenana, fitamberenana / mahatamberina / tamberimberina. - F.-p.: Tamberin-tany: ,fahadison-dalana ka mampiverina indray eo amin'izay efa naleha. / Azon'ny tamberin-tany: miverimberina eo amin'ny toerana efa naleha. / Vaky tamberina: mpandainga vaky lainga amin'izay nataony ihany. / Tamberim-bidy: vola miverina amin'ny mpamokatra avy amin'ny fokontany (Vatoeka) na ny SINPA nividy ny vokany, ambonin'ny vidiny, ka io dia ampahany isan-jato, ohatra, amin'ny tambatry ny vidin' ny vokatra lafony. Ahitsio
Tamberiverena: (tamberiuery) mt. ih. (tamberivereo): Asaina misodisody, mihaodihaody. Ahitsio
Tamberivery: a.: Fihodinkodinana amin'ny toerana tsy dia mifanalavitra ataon'ny mpangalatra fetsy, ka sady mihodividivitra izy no mitsikilo. - t.i.f.: Tamberiverina, atamberivery, voatamberivery, tafatamberivery / manatamberivery, fanatamberivery, mpanatamberivery / anatamberiverena, fanatamberiverena / mitamberivery, fitamberivery, mpitamberivery / itamberiverena, fitamberiverena / mahatamberivery. Ahitsio
Tambesarana: (tambesatra) mt. ih. (tambesaro): Tsindriana mafy ka tonga mavesatra: Aza tambesarana io talantalana io sao tapaka. Ahitsio
Tambesatra: a.: Fanindriana mafy eo ambony zavatra anankiray mba hampahavesatra azy kokoa. 6 Tambesarana, atambesatra, voatambesatra, tafatambesatra / manatambesatra, fanatambesatra, mpanatambesatra / anatambesarana, fanatambesarana / mitambesatra, fitambesatra, mpitambesatra / itambesarana, fitambesarana/ mahatambesatra. Ahitsio
Tambezo: na Tambezona a.: Hataka fatratra, fangatahana tsy misy fiatoana sy sesilany; tampesona; ambezo. - t.i.f•: Tambezoina, atambezo, voatambezo, tafatambezo / mitambezo, fitambezo, mpitambezo / itambezoana, fitambezona na itambezonana, fitambezonana / mahatambezo. Ahitsio
Tambezoina: (tambezo) mt. ih. (tambezoy): Angatahina mafy tsy misy fiatoana sy sesilany. Ahitsio
Tambiazina: a.: Ranom-by menamena misodika eny ambony rano mihandrona, na le-voila anaty tanimbary na miraikitra koa amin'ny vato milevina anaty vato, ka malaza ho ratsy. * Ohab.: Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra: enti-milaza olona azon'ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina. Ahitsio
Tambina: a.: Zavatra atao tohana hanamafy zavatra iray hafa fanamp?ny: Asio tambiny io toko io fa mila hiongana. * Tambinana, atambina, voatambina, tinambina / manambina na manatambina, fanatambina, mpanatambina / anatambinana, fanatambinana / mitambina, fitambina, mpitambina / itambinana, fitambinana / mahatambina. Ahitsio
Tambinana: (tambina) mt. ih. (tambino): Asiana tambiny na fanampiny mba ho tsara fipetraka. ? h.o,: Enti-milaza olona ampiampiana lava fa tsy mahavita tena. Ahitsio