Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Taninketsa: a.: Tany amafazana ny vary ambolena, izay mbola hafindra amin'ny te-na atao hoe tanimbary. Ahitsio
Tanisa: a.: Kilalao enti-manisa ka toy izao no fanao izany: atsipy ambony ny vatokely, dia tantazana am?m-pahakingana tsy avala ho latsaka ary dia atsipy haingana indray, ary dia toy izany hatrany hatrany. - t.i.f•: Tanisaina, voatanisa / mitanisa, fitanisa, mpitanisa / itanisana, fitanisana / mahatanisa. Ahitsio
Tanisaina: (tanisa) mt. ih. (tanisao): Atao tanisa. ? Tononina tsirairay, lazaina antsipiriany: Tsy hita hotanisaina ny soa nataon'io lehilahy io teto amin'ny fokontany. Ahitsio
Tanjahina: (tanjaka) mt. ih. (tanjaho): Atao tonga mafy, manan-kery: Tanjaho ity tady ity fa mila ho tapaka. Ahitsio
Tanjaka: a.: Herim-batana: Nihena ny tanjak'io touolahy io hatramin'ny nahapotrahany. ? h.i.: Izay entinamanamafy zavatra: Tsy mba nanifisany akory ny volotsangana natao tanjany, fa nokapakapaina dia narafitra. (Fofombadiko, E.D. And.) Ahitsio
Tanjaka: ft.: Fisehoan'ny vatana tsy misy manarona azy, boridana; hanja; hanjaka. - t.i.f.: Mitanjaka, fitanjaka, mpitanjaka / itanjahana, fitanjahana. Ahitsio
Tanjona: a.: Tany eo amorondrano azo ipetrahana raha miala avy ao anaty rano; vody tanety mandroso ao anaty rano mora itodian'ny lakana. ? h.o.: Zava-kendrena, faritra kendrena ho tratra: Ny fitouian-jo tanteraka no tanjona hotratrarin'ny fitondrana entim-bahoaka. Ahitsio
Tanjozorina: (tanjozotra) mt. ih. (tanjozory): Ampandehanina milahatra betsaka tsy miato. Ahitsio
Tanjozotra: a.: Fandehanana milahatra betsaka. Ahitsio
Tankasina: a.: Mitovy amin'ny Takasina. Ahitsio
Tankazo: a.: Olona miasa hazo any an'ala. Ahitsio
Tankina: p.t.: Ritra, maina: Mahagaga fa tankina ilay loharano tatsy andrefan-tanàna. ? Lany: Tankina ny uo-Iantsika. ? Gina, tsy ahitanteny intsony: Tankina aho nahare ilay uaouao tsy nampoiziko. * t.i.f.: Manatankina, mahatankina. Ahitsio
Tankisina: a.: Tsy fanaovanjavatra haingana fa milalotra mijanona ela eo. * t.i.f.: Mitankisina, fitankisina, mpitankisina / itankisinana, fitankisinana / tankisinkisina. Ahitsio
Tankosenana: na Tankosinina (tankosina) mt. ih. (tankoseno, tankosino): Lotoina, fotetahana loto. Ahitsio
Tankosina: na Tankosona p.t.: Maloto, mihosina anaty vovoka na anaty fotaka. * t.i.f.: Tankosenana, atankosina, voatankosina, tafatankosina / mitankosina, fitankosina, mpitankosina / itankosenana, fitankosenana / mahatankosina / tankosinkosina. Ahitsio
Tanky: (fr. tank.) a.: Fiarakodia fenti-miady; vy ny tenany manontolo ary tsy mba kodiarana no andehanany fa vy mihodina manaraka ny lavany tahaka ny olimpanjehy ka io no ahafahany mandeha amin'izay tiana handehanany. Ahitsio
Tanondrehina: p.t.: Enti-milaza ny olona izay miondri-doha noho ny alahelo, izay tsy avelan'ny alahelo tsy hitanondrika. Ahitsio
Tanondrika: a.: Fiondrehan'ny loha noho ny alahelo. * t.i.f : Tanondrehina, atanondrika, voatanondrika, tafatanondrika f manatanondrika, fanatanondrika, mpanatanondrika / anatanondrehana, fanatanondrehana / mitanondrika, fitanondrika, mpitanondrika/ itanondrehana, fitanondrehana / mahatanondrika. Ahitsio
Tanontanona: a.: Toetran'ny olona mipetrapetraka eo akaikin' olona mihinana, ka toa mitsiriritra izay haniny, na olona tonga fotsiny hijerijery fa tsy hanao inona na inona. * t.i.f.: Tanontanonina, atanontanona, voatanontanona, tafatanontanona / mananontanona, fananontanona, mpananontanona / mitanontanona, fitanontanona,mpitanontanona / itanontanonana, fitanontanonana / mahatanontanona. Ahitsio
Tanontanonana: (tanontanona) mt. ih. (tanontanony): Enti-milaza ny olona miasa na akekezin'ny sasany mijerijery_ tsisy antony eo: A-za tanontanoninareo eo rainareo fa aoka izy hisakafo milamina tsara, Ahitsio