Vatofalia | : | na Falia a: Jer. Vatoafo.
Ahitsio |
Vatofantsika | : | a.: Fonjam-by alentika any anaty ranomasina mba hitana ny sambo tsy handeha.
Ahitsio |
Vatokangaly | : | na Vatongaly na Vatokinangaly a.: Karazambato mainty mangilohilo.
Ahitsio |
Vatokaranana | : | na Vatoharanana a.: Karazam-bato mafy sy mangarangarana.
Ahitsio |
Vatokilonjy | : | a.: Vongam-bato madinidinika efa tonga malama sy boribory noho izy nifampikasokasoka tao anaty rano.
Ahitsio |
Vatolahy | : | na Vato mitsangana a.: Vato ajoro eo ambony f asana na amin'ny toerana an-kavoana amoron-dalana mazàna misy soratra fampahatsiarovana.
Ahitsio |
Vatomainty | : | a: Karazam-bato mainty fahita betsaka eto amin'ny Nosy, heverina ho avy amin'ny fivainganan'ny mineraly niempo fahizay.
Ahitsio |
Vatomamy | : | a.: Karazan-javapihinana aingitraingitra vita amin'ny siramamy, mitarehina vato kely boribory.
Ahitsio |
Vatomandry | : | (Ats) a.: Vary afafy amin'ny heniheny ka jinjaina amin'ny ririnina.
Ahitsio |
Vatomanga | : | a.: Karazam-batosoa manga mahafinaritra ny lokony.
Ahitsio |
Vatomasina | : | a.: Sehatra boribory sy avo, voafaritra amin' ny vato, natokana hikabarian'ny Andriamanjaka fahizay.
Ahitsio |
Vatomazava | : | g: Karazana vatokaranana madio, tantera-pahazavana vita-Nanahary.
Ahitsio |
Vatomizana | : | a.: Fonjana metaly ampiasaina amin'ny fandanjana zavatra amin'ny mizana; manana endrika efa raikitra ny vatomizana ary misy tarehimarika milaza ny lanjany avy: l kilao, 2 kilao, 5 kilao, sns...
Ahitsio |
Vatonakoho | : | a.: Karazam-bato malemy sady loadoaka.
Ahitsio |
Vatonangy | : | a.: Karazam-bato mafy.
Ahitsio |
Vatonono | : | a.: Jer. Nono.
Ahitsio |
Vatony | : | na Sakany na Andranarivavy (Btt) a.: Vantotr' ombivavy afa-miteraka.
Ahitsio |
Vatopaika | : | (t. tr.) a.: Vonjy fo, sakafo tohan'aina.
Ahitsio |
Vatorano | : | a.: Karazana vatomainty izay mainty dia mainty ary mafy izaitsizy, ela vao mafana raha hafanaina, ka raha mandalo eo aminy ny entona tonga rano.
Ahitsio |
Vatorendrika | : | a.: Karazan-javatra namboarina hitarehi-na VatoaOa, mitovitovy amin' ny tamaboha.
Ahitsio |