Vetraka | : | na Tsivetraka a.: Ny faritra hatreo amin'ny valahana ka hatramin'ny tongotra. • Fipetrahana amin'ny tsihy ka mitsotra tsara ny tongotra roa. - t.i.f.: Avetraka, voavetraka / mivetraka, fivetraka, mpivetraka I ivetrahana, fivetrahana / mahavetraka I vetrabetraka 1 vetrany. - F.-p.: Milanja am-betraka: fomba filanjana olona, na biby, na zavatra tsy malntsy ilana olona roa, toy ny marary fonosina anaty lamba, ka ny iray amin'ny mpitondra avy eny amin'ny, lohanY, ny iray avy any amin'ny tongony.
Ahitsio |
Vetrehina | : | (vetrika) mt. ih. (vetreho): Vatsavatsaina, kamentsonina. • Bedibedena, bedibedesina.
Ahitsio |
Vetrika | : | a.: Vatsavatsa; kamentsona. • Bedibedy foana tsy misy farany. - t.i.f.: Vetxehina, voavetrika/ mivetrika, fivetrika, mpivetrika / ivetrehana, fivetrehana j mahavetrika / vetribetrika.
Ahitsio |
Vetro | : | na Vetrovetro a.: Fampifangaroana zavatra andrahoina ka ny anana no atao betsaka fa sombiny kely ny hafa. - t.i.f: Mivetro na mivetrovetro, fivetro na fivetrovetro.
Ahitsio |
Vetsivetsy | : | na Vetsovetso a.: (ity faharoa no tena fampiasa) Tanisanisa lazain'ny vava na ao am-po tsy miloaka fotsiny ihany. • h.L: Hira kaloina malefaka dia malefaka. - t.i.f.: Vetsivetsena, vetsovetsoina, voavetsivetsy, voavetsovetso / mametsivetsy na mametsovetso, fametsivetsy na fametsovetso, mpametsivetsy na mpametsovetso / mivetsivetsy na mivetsovetso, fivetsivetsy na fivetsovetso, mpivetsovetso na mpivetsivetsy / ivetsivetsena na ivetsovetsoana, fivetsivetsena na fivetsovetsoana / mahavetsivetsy na mahavetsovetso.
Ahitsio |
vetso | : | Tononkalo an-tsento. Rindran-teny milanto. Tanisan-teny Ahitsio |
vetsovetso | : | Jer. [vetso] Ahitsio |
Vetsovetsoina | : | (vetsovetso) mt. ih. (vetsovetsdy): Tanisanisaina, hirahiraina: NY fahatsiarovana ny zanany no io vetsovetsoiny marain-tsy ha-riva io.
Ahitsio |
Vezabezatra | : | a.: Toetran'ny zavatra misokatra mangotanatana.
Ahitsio |
Vezarina | : | na Vezatina (vezatra) mt. ih. (vezàro, vezato): Roritina mafy mba hisokatra na hivaha.
Ahitsio |
Vezatra | : | a.: Famahana na fanokafana zavatra an-keriny amin'ny fandroritana mafy ny vavany: Aza atao am-bezatra ny fanokafana io sobiky io sao dia vaky daholo ny atodim-borona ao anatiny. - t.i.f.: Vezarina, vezatina, avezatra, voavezatra / marnezatra, famezatra, mpamezatra / amezàrana, famezàrana / mivezatra, fivezatra I ivezarana, fivezarana.
Ahitsio |
Vezavezaina | : | (vezaveza) mt.ih. (vezavezao):Atao tonga mangotanatana.
Ahitsio |
Vezika | : | a.: Fandehanana etsy sy eroa ka miverimberina eo hatrany. - t.i.f.: Avezika, voavezika, tafavezika / mivezika, fivezika, mpivezika I ivezehana, fivezehana / mahavezika.
Ahitsio |
Vezimbezina | : | (vezina) a.: Firondronana, fiverimberenana amin'ny toerany teo aloha indray.
Ahitsio |
Vezina | : | a.: Enti-milaza fihemorana na fihatahan-javatra kely izay miverina eo amin'ny toerany ihany indray. i t.Lf: Avezina, tafavezinaj mivezina, fivezina / ivezenana, fivezenana / vezimbezina / mamezimbezina I mivezimbezina.
Ahitsio |
Vezivezy | : | a.: Fandehanana etsy sy eroa; fiasana dia; firenirenena, firioriovana. - t.i.f.: Avezivezy, voavezivezy, tafavezivezy / mamezivezy, famezivezy, mpamezivezy / amezivezena, famezivezena /mivezivezy, fivezivezy, mpivezivezy 1 ivezivezena, fivezivezena f màhavezivezy.
Ahitsio |
Vezo | : | a.: Zana-poko madinika sakalava, atsimo andrefana, malaza amin'ny fahaizana rano ka ny fanjonoana indrindra no antom-pivelomany.
Ahitsio |
Vezovezo | : | a.: Filan-kisa, filambaniny, fifandirana hanimbana fihavanana. 1 t.if.: Vezovezoina, voavezovezo / mamezovezo, fainezovezo, mpamezovezo / ainezovezoana, famezovezoana / mivezovezo, fivezovezo, mpivezovezo / ivezovezoana, fivezovezoana/ mahavezovezo.
Ahitsio |
Vezovezoina | : | (vezovezo) mt. ih. (vezovezoy): Ilana ady: Miangavy anao aho, aza mba izaho no vezovezoinao eo fa hataoko mahita ahy ianao!
Ahitsio |
Via | : | a.: Jar. Viha.
Ahitsio |