Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ahofa: (hofa) mt.at. (ahofao): Itadiavana mpanofa na olona hanofa: Trano ahofa. ~ Orne-na hipetrahan'olona mpanofa: Nahofako ilay tranoko eny Ambohijanahary fa efa tsy mipetraka ao intsony ny zanako. Ahitsio
Ahofakofaka: (hofakofaka) mt. at. (ahofakofaho): Akopakopaka. Ahitsio
Ahofakofaka: (hofakofaka), mt. at. (ahofakofaho): Atao miendaka amin'ny alalan'ny fikikisana na fikaohana. Ahitsio
Ahofokofoka: (hofokofoka), mt. at. (ahofokofohy): Ahetsiketsika, akopakopaka. Ahitsio
Ahogo: (hogo), mt. fit. (ahogoy): Entina mihogo: Fihogo vy ahogo ny uolonao fa henjan-doatra ny volonao. Ahitsio
Ahohoka: (hohoka), rit. at. (ahohofy): Afotitra ka ny vavany no atao ambany: Ahohofy ny siny rehefa tsy misy rano. ~ Enti-milaza olona semporina amin'ny fampandriana azy tsy mitsilany fa ny kibony no atao ambany mandry: Taloha nahohoka ny zaza teraka alakaosy. i A-lentika ao anatin'ny fahoriana: Nahohony tamin'ny fisotroan-toaka ny fianakaviany. Ahitsio
Ahohona: (hohona), mt. fit. (ahohony): Entina mambomba, mamihina: Ny elany no ahohon'ny reniakoho ny zanany. Ahitsio
Ahohy: (hohy), mt. fit. (ahohizo): Entina mihohy, mikaoka ny tany amin'ny hohontongotra. Ahitsio
Ahombo: (hombo), mt. at. (ahomboy): Asiana hombo, zarany: Ahomboy it9 angady it? fa tsy misy hiasana. Ahitsio
Ahona: a.: Ahotra, fijanonana tampoka. - t.i.f.: tafahona 1 manahona, fanahona, mpanahona 1 anahonana, fanahonana 1 miahona, fiahona, mpiahona iahonana, fiahonana 1 mahahona 1 miahonahona. Ahitsio
Ahonaka: (honaka), mt. fit. na mt. at. (ahonahy, na ahonaho): Entina mamonto, manetsaka. ~ Alamaka ao am-pandriana: Nahonaky ny aretina tapa-bolana aho. Ahitsio
Ahondrahondra: (hondrahondra), mt. at. (ahondrahondrao): Atao izay hahalemy. Ahitsio
Ahonikonika: (honikonika),mt. at. (ahonikoneho): Ahetsika manara-ba, adoladola. Ahitsio
Ahonkona: (honhona), mt. at. (ahonkony): Atao honkona: Tandremo sao uy harefesina no ahonkonao azy. Ahitsio
Ahontsana: Ahontsankontsana (hontsana, hontsankontsana) mt. at. (ahontsano, ahontsankontsano): Hetsiketsehina: Ahontsano ny tavoahangy hahitana raha mbola misy loto. ? Kobanina: Ahontsano ao anaty barika ny rano hanasana azy. Ahitsio
Ahontsina: na Ahontsona (hontsina na hontsona), mt. at. (ahontsony): Ahetsika, aonjina: Aza ahontsina ny latabatra fa mianjera daholo ny zavatra eo amboniny. Ahitsio
Ahopaka: (hopaka), mt. at. (ahopahy): Ahofahofa. Ahitsio
Ahorina: (ahotra), mt. at. (ahory): Ajanona, ahantsona tampoka. Ahitsio
Ahorirana: (horirana), mt. at. (ahorirano): Asaina mijoro, na mandry amin'ny ilany: Maharary azy, hono ny lamosiny ka ahorirano ny fampandry azy. Ahitsio
Ahorona: (horona), mt. at. (ahorony): Ahodina hivoromborona: Ahorony ny tsihy. •Ampirimina, angonina: Rehefa hariva ny andro, ahoron'ny olona ny vary, omby aman'ondry. ? Alaina indray miaraka, faohina: Nipoaka ny ady, nahorona natao miaramila daholo ny touolahy. / Nahoron'ny mpangalatra daholo ny entana tao an-trano. ? Baboina: Nahoron'ny fanjakana ny fananan'ilay mpamad ika. Ahitsio