Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Abonaka: (bonaka), mt. at. (abonaho): Avala hibonaka, na hibontsina noho ny rivotra ao anatiny ka mihalehibe, hibotanaka. Ahitsio
Abonina: (abony), mt. ih. (abonio): Vokisana hanao zavatra; angolena risihina. Ahitsio
Abonoka: (bonoka), mt. fit. (abonohy): Entina mambonoka na mandrakotra ny tena: Io bodofotsy io abonoka azy raha mangatsiaka izy. Ahitsio
Abontsina: (bontsina), mt. at. (abontsino): Atao mibontsina na mibonaky ny rivotra ao anatiny ka mihalehibe: A-bontsino hoe ny uauanao. Ahitsio
Abony na Abosy na Ambosy: a.: Fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian'ny tena hataony. ¶ M.h.: Risika, robo, tambitamby, safosafo, safovody, safosiaka, pasopasoka, roboka, doka, tsetsaka, tao-na, teny malefaka, ronono an-tavy, kobaka am-bava, lango malemy, volana hatenda, volana mahadradraka, fandria-malemy lafika, lokanga hisatra. 1 Famokisana hanao zavatra na tsara na ratsy, fa indrindra ny zavatra ratsy. ¶ M.h•: Bontsina, fo orne-na, toho-tsofina. / Fitaka atao olona an-kafetsena. ¶ M.h.: Fangopangoka, angoly, saroro, sarory, sodika, solia, sombia, sombe, vohony, vato mafana atolotra, fahan-dalitra, antohim-bato. : t.i.f.: abonna, voabony / manabony, fanabony, mpanabony / anaboniana, fanaboniana / mahabony (( Abosina, voabosy ( manabosy na mambosy, fanabosy na fambosy, mpanabosy na mpambosy ( anabosiana na ambosiana, fanabosiana na fambosiana ( mahabosy na mahambosy. Ahitsio
Aborabora: (borabora), mt. at. (aboraborao): Atao miborabora na migoragora, malemy fatotra: Vahao ity kofehy ity fa naboraboranao ka malemy. Ahitsio
Aboraka: (boraka), mt. at. (aborahy): Aseho, lazaina hatramin'ny antsipiriany: Naborany tamiko ny tao ampony. Ahitsio
Aboraraka: (boraraka), mt. at. (aboraraho): Araraka be: Naborarany teo daholo ny ranomainty. Ahitsio
Aboredika: (boredika), mt. at. (aboredeho): Atao miboredika, misesy be tsy milamina: Aboredeho ange ny fiteninao raha tsy mandositra ireo ankizy ireo e! Ahitsio
Aboretaka: (boretaka), mt. at. (aboretaho): Avala hipetraka amin'ny tany toy ny tsy maharay tena: Naboretany tamin'ny tany ilay marary fa tsy zakany intsony, hono! Ahitsio
Aboridana: (boridana), mt. at. (aboridano): Avala handositra miaraka be. ? Atao tsy mitafy, ampitanjahina. Ahitsio
Aboroaka: (boroaka), mt. at. (aboroahy): Atao loaka mivoaka any ambadika: Naboroakany tany amin'ny sofiny hauanana ny lefona natsatony tao amin'ny sofiny hauia Ahitsio
Abororoaka: (bororoaka), mt, at. (abororoahy): Araraka higorodana be. Ahitsio
Aborosy: (borosy), mt. fit. (aborosio): Ampiasaina hiborosiana, handalorana: Tanirauo no naborosiny ny rindrina Ahitsio
Aborotsaka: (borotsaka), mt. at. (aborotsaho): Avala hitambotsotra: Nasain'ny dokotera naborotsaka ny pataloan'i Lita kely. Ahitsio
Abosesika: (bosesika), mt. at. (aboseseho): Enti-milaza zavatra na olona ampidirina amin'ny toerana iray ka somary atao letrezana. Ahitsio
Abosibosika: (bosibosika), mt. at. (abosiboseho): Hanina haingana, arapadrapaka: A-bosiboseho ity uary, ry Koto, fa sao diso fidirana eo. Ahitsio
Abosina: (abosy) mt. ih. (abosio): Vokisana hanao zava-20 tra; angolena; risihina: Saingy miaraka amin'ialahy miantsena ny zanak'andriana, ka abosin'ialahy haka ny zauatr'olona (T.A. II, tak.878). Ahitsio
Abosy: a: Fandrisihana na fandroboana olona hanao zavatra tian'ny tena hataony. (j er.: Abony) Ahitsio
Abotetaka: (botetaka), mt. at. (abotetaho): Apetraka amin'ny tany. ? h.o.: aetry, apetraka amin'ny toerana i-va: Betsaka ny olona ambinina na mety hahauita zavatra, saingy abotetaky ny sainy. Ahitsio