Litera l

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Langa: Langalanga a: Fisandratana ambony. i tif: Alangalanga, tafalangalanga / milanga, filanga, mpilanga / ilangalangana, filangalangana. Ahitsio
Langa: p.t: Fatra-panao fihetsika mipelipelika sady tsy maotona, jefy, jefitra. Ahitsio
Langato: (Btm) a: Sifotra mainty mivelona any anaty rano. Ahitsio
Lange: (Ski) a.: Tady fampakarana sy fampidinana entana amin'ny samba. Ahitsio
Langehatra: a: Karazan-toaka, barisa. Ahitsio
Langilangy: a: Tehina makadiry ¶ M.h.: Kibay, tabaka. Ahitsio
Lango: a: Vary lena sy manta endasina dia totoina ka hanina. • h.o.: Teny malemilemy entina h anam batamb az an a; fandrokirokiana sy tambitamby entina hanambakana na hamitahana. - t.i.f.: Langoina, voalango / mandango, fandango, mpandango 1 andangoana, fandangoana / mahalango / langolango. - F.-p.: Lango malefaka, tan-go malemy: teny atao moramora toa manambitamby, nefa ny hampatoritory ny saina =ana eritreritra no kendrena. ¶ M.h.: Safosiaka mampandry adrisa. * Ohab.: Miteny lango eo imason'ny vary: enti-milaza izay mifosa na manaratsy olona eo imason'ny havany na ny sakaizany. Ahitsio
Lango: (Atm) a: Vary van. Langody a: Mizara be, izany froe raha be noho ilay zarai na ny mizara: Langody vola: Fizarana ny vola taloha. Langoina (tango) mt ih. (langoy): Tambatambazana, drokidrokina. Ahitsio
Langoroana: na Langorony a.: Amponga velesina amin'ny tsora-kazo anankiroa; ampiarahina amin'ny ampongabe izy matetika (Langoro no filaza azy koa any amin'ny faritany atsimo). Ahitsio
Langorody: (Ski) a: Ny loaka amin'ny vody botry atao fanarian-drano. Ahitsio
Laniala: a.: Fanosoran-daingo ny lani-nify, izany hoe ny nify rehetra afa-tsy ny anoloana, mba ho haingo. Ahitsio
Lanilany: a: Ny faritra ambony amin'ny aty vava. Ahitsio
Lanina: (lany) mt ih. (lanio): Atao tapitra, tsy asiana mijanona, taperina: Lanio ny varinao vao mandeha Ahitsio
Laniraratra: (t. tr.) p.t.: Tanta, hotohoto. Ahitsio
Lanitra: a: Ny habakabaka (amin'ny fiteny andavanandro): Manga ny lanitra androany. 1 (amin'ny fiteny ara-pinoana kosa) Ilay fonenana soa ahitan'ny olon-tsambatra an'Andriamanitra: Safononoka ny hasambarana any an-danitra - F.-p.: Lani-datsaka: fatratra aoka izany, tsara tarehy izaitsizy. / Misotro ron-danitra: milanja loha miavonavona, manao tsinontsinona ny torohevitra omena azy. I Manondro lanitra: enti-milaza zavatra mijoro manandrify ny lanitra. / Andeha handoadanitra aiza aho?: teny entimilaza fa tsy misy azo atao intsony. I An-tany hadiako, an-danitra toharako: fanambarana fa tsy maintsy hataony izay hahazoana ilay nofofoiny na aiza handosirany na aiza hiereny. * Ohab.: Avo ny lanitra ka tsy takatro: teny enti-milaza hafaliana sy haravoana raha toa ka ho tanteraka izay na sy tetehina. / Loloha la-nitra ka samy mitondra ny tandrifiny: enti-milaza fa samy mizaka ny anjarany fa tsy azo ailika ho an-kafa ny soa na ny ratsy mihatra amin'ny tena. / Mandia tany ka solafaka, miloloha lanitra ka lena: enti-manambara na miala tsiny fa na iza na iza tsy maintsy manana ny halemeny noho ny maha-olombelona azy (mivelona eto antany). / Raha mitohy ihany ny hazo, tonga any an-danitra: misy fetra ny fanirin'ny hazo; voafetra koa ny fanambinana fa tsy mitohy hatrany ka tokony hanararaotra ny soa izay sendra sao manenina / Valala mbola an-danitra ka asian-tsira: zavatra mbola tsy eo an-tanana, ka efa voatetika sahady ny ha-tao azy; be tetika ambony ihany. I Ny mpanjaka toy ny lanitra ka tsy azo refesina, ary toy ny masoandro ka tsy azo zehena: enti-milaza ny fahefan'ny mpanjaka izay tsy refeai-mandidy ary tsy tohcrin- teny. Ahitsio
Lanja: a.: Havesaran-javatra aramizana: Firy kilao ny lanjan' io uary io? 1 Fitondrana zavatra na biby na olona eo ambony soroka: Aza atao lanja kisoa, lehiretsy, it? zanak'olona! i t. i f : Lanjaina, voalanja I mandanja, fandanja, mpandanja 1 andanjana, fandanjana / mifandanja I milanja, filanja, mpilanja / ilanjana, H-lanjana I mampilanja, mifampilanja / mahalanja 1 lanjalanja / kilanjalanja. - F.-p,: Milanja loha: ilazana ny olona miavona sy lasa mirintona noho ny hatezerana ka miandranandrana. / Milanja orona: (Mitovitovy amin'ny eo aloha). / Lanja mandrorona ratatina: entimilaza ny fitomboan'ny tao-na saingy mitsontsorika hatrany kosa ny hery ananana fa tsy mba miakatra. I Lanja miakatra ny fiainana: entimilaza fa misondrotra ho ambony ihany ny fiainana, ny fahaizana amam-pandrosoana, ary na ny vidim-piainana aza. Ahitsio
Lanjaina: (lanja) mt ih. (lanjao): Jerena amin'ny alalan' ny vato-mizanany havesany: Lanjaina ny akoho aty aminay rehefa amidy. ~ Entina ambony soroka, antsorohina: Holanjaiko Rangahy fa omeo vola aho. ? Entina amin'ny filanjana: Tsy zakanay lanjaina io Ramatoa io fa botrefona izaitsizy. Ahitsio
Lano: ft.: Lomano, fitana rano an-domano. i t, i f : Lanosina. Ahitsio
Lanoka: Jer. Lanaka. i t.i.f.: Mahalanoka. Ahitsio
Lanona: a: Fangoronana sy fampirimana ny zavatra nahahy. - t.i.f.: Alanona, voalanona 1 mandanona, mpandanona, fandanona 1 milanona, filanona, mpilanona 1 limonsna, filanonana 1 mahalanona / lalondanona. Ahitsio