Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Mahatadidy: (tadidy) mt.p.: Mahatsiaro (filaza indrindra amin'ny zavatra): Tsy nahatadidy ny fahaxazany io olona io taorian'ny naharariany. Ahitsio
Mahatafintohina: (tafintohina) mt. p, : Mahatezitra, mahasosotra: Nahatafintohina azy ny teny nataon'ny mpampianatra. ? Mahatonga hanao ratsy noho ny fahitana ny hafa manao io ratsy io: Nahatafintohina azy ny fahitana ny lehibe manao toetra tsy mendrika ka nivadika ho rats y koa izy. Ahitsio
mahatalanjona:Mahagaga. Teny mifanohitra aminy maha sorena Ahitsio
Mahatanando: a: Karazan-javamaniry fahita eny an-keniheny, ntisy voniny vao mivelatra er? ambony, voniny vao mamontsina eo ambany ary ny raviny misy volombolony kely toa ranonando mamirapiratra rehefa tarafin'ny tanamasoandro vao miposaka, ka izany ne nahatonga ny anarany. Ahitsio
Mahatanjaka: (tanjaka) mt.p. na p.t.: Mahatonga ho matanjaka: Mahatanjaka ny sakafo be vitaminina. Ahitsio
Mahatanora: (tanora) mt.p.: Mahatonga ho tanora: Mahatanora anao izao hety izao. Ahitsio
Mahatanty: (tanty) mt.p.: Mahazaka, mahalefitra: Tsy mahatanty esoeson-teny izy. Ahitsio
Mahatia: a.: Fihantonan-kitoza, tanan-tsotro. Ahitsio
Mahatonga: (tonga) mt.p.: Afaka hitondra: Tsy mahatonga io vata mavesatra io hatrany an-tsena aho. • Ampy mba hahatongavana: Ariary zato uao mahatonga any Ambatolampy rehefa Asabotsy. ? Miteraka, mahavoa: Mahatonga aretin-kibo ny voankazo manta. ? Mampanjary: Ny fiarahan'ny zanakao a min'ny naman-dratsy no nahatonga azy ho maditra. Ahitsio
Mahatontosa: (tontosa) mt.p.: Mahavita tsara tanteraka. Ahitsio
Mahatovotra: (tovotra) p. t.: Mitovy. Ahitsio
Mahatrotranify: a.: Mitovy amin'ny Mahalonify. Ahitsio
Mahatsangy: (tsangy)rnts.:Mahasolo, mahadimby; mahay mitondra ny anaran-dray; mahay manarina ny harena am an- drahar ahan'n y fianakaviana; manome voninahitra ny razana sy ny ray amandreny. - F.-p.: Izay mahatsangy no ary: izay afaka mandfmby ny rainy no manankarena. Ahitsio
Mahatsiahy: (tsiahy) mt.p. (mahatsiahiva): Mabita ao an-tsaina olona na zavatra any lavitra na efa lasa taloha: Isaky ny mahatsiahy an-janany any am-pita izy dia misento. • Mahatsiaro olona ka somary malahelo na manembona azy: Velon-tsento ny fo mahatsiahy. * Ohab.: "Vantotr'omby minono: tsy mandoza fa mahatsiahy ny ela: indraindray misy zavatra heverina ho toa hafahafa, mandoza, sns..., nefa tsy inona fa fihetsehampo misendaotra. Ahitsio
Mahatsiaro: (tsiaro) mt.p. (mahatsiarova): Mahazo mitamberina indray ao an-tsaina ny sarin'olona na zavatra hita na fantatra tany amin'ny andro lasa: Mahatsiaro an'i Dada a-ho izany. • Mahatadidy, afa• ka hilaza fa efa nahita na nahalala zavatra na olona iray: Tsy mahatsiaro anao mihitsy aho. ? Taitra avy amin'ny torimaso tsy matory intsony: Rehefa mahatsiaro izy, hilazako ianao. • Mihevitra: A-min'ny andro sarotra izy va() mahatsiaro an'Andriamanitra • Mahare: Mahatsiaro mangatsiaka aho izany. - F,-p.: Mahatsiaro fanahy: mitodika ny lasa ka misaina ny fotoana iainana ankehitriny mba hivoarana. Ahitsio
Mahatsikaiky: (tsikaiky) p. t.: Teny ilazana olona na zavatra mampihomehy na mahate haneso amin'ny bika aman'endriny na amin'ny fihetsiny: Mahatsikaiky Ra-matou iny amin'izato akanjony ambony lohalika ¶ M.h.: Mampihomehy, fihomehezana, fanalana andro, fanaraby. Ahitsio
Mahatsikaritra: (tsikaritra) mt. p.: Sandra mahita, mahatsipalotra: Nahatsikaritra andRasoa aho tany an-tsena. Ahitsio
Mahatsiravina: (tsiravina) p. t: Mampatahotra, manrpivadipo: Nandre kiakiaka mahatsiravina aho halina. • Mampihoron-koditra: Mahatsiravina mihitsy ilay fifandonam-piarakodia teo Analakely izay. ? Ratsy izaitsizy: Mandehana sasao ity tarehinao fa mahatsiravina. Ahitsio
Mahatsitsy: (tsitsy) p. t.: Mahay mitsitsy, kely fandàny. Ahitsio
Mahavalalanina: (valaianina) p. t.: Mahatonga ho valalanina. Ahitsio