Litera m

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Maka-ba: f.-P.: Manao fiomanana (avy amin'ilay fomban'ny mpftarika hira izay mively ba — araka ny ban-kirs, roa na telo na efatra — indray maildeha alohan'ny hanombohana hira). Ahitsio
Makadiry: na Makadiribe p.t: Be vatana, vaventy: Bibi loua makadiribe. ¶ M.h.: Ngezabe, goaibe. • Lebibe, malalaka: Hataoko inona ity akanjo makadiribe ity:7 - t.i.f.: Makadiridiry / hakadiry. Ahitsio
Makafoka: a.: Karazan-kazo madinidinika. Ahitsio
Makafoka: p.t: Tsy misy tsirony, tsy mba misy ranony firy fa maimaina, matsaboka. - t.i.f.: Makafokafoka f hakafokafoka. Ahitsio
Makajany: (Tsm) a: Fomba fampanofana tanimbary ka ny tompony no miantoka ny masomboly ary isasahana ny vokatra rehefa tafaverina ny masomboly nosamborina Ahitsio
Makaka: (kaka) p.t.: Be elanelany fa tsy mifanety: Makaka nify ity ZaZa ity Il M.h. : Bakaka, mahalana. Ahitsio
Makamba: (fit.-p,) a: Anarankafa ilazana ny patsabe. Ahitsio
Makamena: (Ski) p.t.: Efa diso antitra (fiteny amin'ny vody mangahazo). Ahitsio
Makarakara: p.t.: Enti-milaza zavatra toy ny garaba, izay misy elanelany tsy feno, mahalan-drary be, be loadoaka: Makarakara loatra it? lamba ity ka tsy tiako. • a: Tariby nrifanelanelana be: Asio makarakara it? varauarankely i t?. * Ohab.: Ny azo amin'ny makarakara mivoaka amin' ny loadoaka: izay azo amin' ny tsy rariny matetika lany amin'ny tain on tsin ana. Ahitsio
Makasa: a.: Zavamaneno toy ny korintsana ihany saingy tsy fahita firy intsony noho izy manahirana kokoa ny fandrafetana azy: mandrary kitapo kely izay asiana voa madinika ao anatiny ary avondrona eo amin'ny tendronkazo kely ireo kitapo ireo. Ahitsio
Makera: Makerakera (kera) p. t: Tsy misy elanelany firy (enti-milaza zavatra misy masony toy ny sivana). Ahitsio
Makiana: (kiana) p.t.: Maina mora vakivaky na mora tapa-ka; mafia noho ny hamainany be loatra. • Tsy mba mandina. Ahitsio
Makikitra: (kaikitra) p. t.: Fatrapitsitsy, mahihitra. Ahitsio
Makirana: p.t: Marikivy: Voasary makirana • h.o.: Entimilaza toetra kahidy. - t.i.f.: Makirankirana / fahakirana. Ahitsio
Makoa: a.: Masombika (anarampoko vahiny iray avy atsy A-frika tonga teto). Ahitsio
Makoraka: Jar. Mahoraka. Ahitsio
Makorelina: a: Vehivavy mivelona amin'ny fitondran-tena ratsy. ¶ M.h.: Mpivaro-tena, tsimanetsa, tsimihorirana. Ahitsio
Makotroka: (kotroka) p. t.: Manetriketrika, re hatraiza hatraiza: Nakotroka izay fety tao Ananona izay. • h. i.: Matevim-be (fiteny amin'nY lamba na tafo herana): Lamba makotroka Ahitsio
Makrame: (fr. macramé) a: Harona makarakara fitondranjavatra, vita amin'ny rofia norandranina ka asiana haingony izay ahorona tsirairay hatrany toy ny manao hala-na boribory ka ampifandraisina amin'ny vatany mba hahamafy azy;tsy ho fitondranjavatra ihany no hanaovana ny makrame fa azo anaovana haingon-trano na efi-damba koa izy ka amin'izay izy mibikana takelaka lava sy lehibe ary indraindray atao efamira ilay haingony boribory. Ahitsio
Maky: a.: Anarana iombonana ilazana ny gidro, alay, varika.,. Ahitsio