Aherahera | : | (herahera), mt. at. (aheraherao): Atao mitarozaka ela vao aloa (trosa): Aza aherahera ny volako fa misy iiako azy.
Ahitsio |
Aherika | : | (herika), mt, at. (ahereho): Avily, ahodivitra (ny maso): Ahereho ny masonao tsy hijery zavatra mety hahatafintohina anao.
Ahitsio |
Aherina | : | (herina), mt. cit. (ahereno): Averina amin'ny toerana nialany.
Ahitsio |
Aherohero | : | (herohero), mt. at. (aheroheroy): Ahetsiketsika, akorontana,
Ahitsio |
Aherongerona | : | (herongerona), mt. at. (aherongerony): Ampitahorina, rahonana.
Ahitsio |
Ahetsika | : | (hetsika), mt. at. (ahetseho): Asaina mihetsika: Ahetseho hoe ny tananao.
Ahitsio |
Ahety | : | (hety), mt. fit. (ahetezo): Entina manety, manapaka.
Ahitsio |
Ahevaheva | : | (hevaheva), mt. at. (ahevahevao): Atao tsy mitehi-tany fa mihantona eny amin'ny habakabaka.
Ahitsio |
Ahevihevy | : | (heaihevy), mt. at. (aheuiheuezo): Akivilivily.
Ahitsio |
Ahevingevina | : | (heuingeuina), mt. at. (aheuingeueno): Akivilivily, avezimbezina.
Ahitsio |
Ahevitra | : | (heuitra), mt. fit. (aheuero): Entina mihevitra, mandinika: Ny saina no ahevitra, fa tsy ny fo.
Ahitsio |
Ahevo | : | (heuo), mt. fit. (aheooy): Entina mihevo, manapoipoitra ny tany eny anaty voly tsy ho rendrika: It? hazo kely maranitra it? aheuo ny tanimboiy.
Ahitsio |
Aheza | : | (heza), mt. fit. (ahezao) Entina maneza na manamboatra ny landy mba handaitra tsara ny loko atao aminy: Ranona vatofosa mena taho no matetika aheza ny landy anaovana lambamena.
Ahitsio |
Ahezaheza | : | (hezaheza), mt. at. (ahezahezao): Ajoro, atsangana mijoro tsara: Nahezahezany teo anoloan'ny vahoaka teo ilay zaza zara raha mitafy.
Ahitsio |
Ahiahy | : | (ahy), a.: Tsy fandrian'ny eritreritra: Mazàna tsy mahita tory ny olona be ahiahy. 1 Fitorotorohana olona ao an-tsaina ho nanao izao sy izao: Ny ahiahy tsy ihauanana, hoy ny Ntaolo.
Ahitsio |
Ahiapana | : | a.: Zavamaniry sady mahabe hatsembohana no manadio rano ny raviny (Eupatorium triplinerve).
Ahitsio |
Ahibahoaka | : | a.: Anarana entimilaza ny ravin'ny tsevoka na tenina izay anafoana trano.
Ahitsio |
Ahibano | : | a.: Ahitra fotsy mamiratra fanaovana satroka be sofina an-dehilahy.
Ahitsio |
Ahibibilava | : | a.: Karazan'ahitra. Ahibita a.: Karazan'ahitra. --le Ahibitsika a: Karazan'ahitra. Ahiboanjoa: Karazan'ahitra.
Ahitsio |
Ahiboka | : | (hiboka), mt. at. (ahibohy): Hidiana amin'ny toerana anankiray ka tsy avala hivoaka: Ahibohy ao am-pahitra ny omby. ~ Afantsika amin'ny asa iray: Nahibony tamin'ny fianarana ny zanany.
Ahitsio |