Barakoma | : | a.: Anjombona tsy mba misy tandrok'omby fa volotsangana fotsiny; hasiana lavaka iray na roa, raha tiana hisy feo avo sy iva.
Ahitsio |
Baramina | : | (fr. barre à mine) a.: Anja-by atao fanoitra na fandoahana ny vato hapoaka.
Ahitsio |
Baranahiny | : | a.: Tsy fitandremana, tsy firaharahana, tsY fisainana na fiheverana eo am-panaovan-javatra: Aza manao baranahiny raha manao zavatra. • p.t.: Tsy voalamina tsara fa entinentim-poana: Fanjakana baranahiny,
Ahitsio |
Barandro | : | a.: Anarana enti-milaza ny toaka amin'ny faritany sasantsasany. ¶ M. h.: Toaka, barisa, betsabetsa.
Ahitsio |
Baranjely | : | a.: Karazan-javamaniry misy voany lavalava boribory fanao fangaron-daoka.
Ahitsio |
Barara | : | Bararaka a.: Fiaikena ny marina ka milaza ny tena izy; fisehoan'ny marina ka mampiharihary ny tena izy, - t.i.f.: Abarara, bararaina J mibarara, fibaraxa, mpibaraxa J ibararana, fibararana I mibaraxaka, fibararaka, mpibararaka J ibararahana, fibararahana. - F.-p,: Vaky barara: voapotsitra ka miseho miharjhary ny ratsy na ny lainga natao. ¶ M. h.: Jer. Bantsilana. J Barara feo: Be feo, mamalankira rehefa mihira.
Ahitsio |
Bararàka | : | a.: Fifantsitsiran-drano betsaka, fitobahan-drano mivoaka; fandoavana mafy betsaka. - t.i.f.: Mibararàka, fibaxaraka I ibararahana, fibararahana.
Ahitsio |
Bararata | : | a.: Karazam-bolotsangana madinika st' malemilemy maniry eny amoron-drano. - F.-p.: Bararata noladinimfbahy: enti-milaza fifankatiavana na firaisam-po tsy pain' inona na inona sarahina. / Bararata tsy loaka: ankamantatra ilazana ny fary.
Ahitsio |
Barareoka | : | a.: Feon'ny ondry maneno. i t, f f.: Abarareoka I mibarareoka, fibarareoka, mpibarareoka J ibarareohana, fibarareohana J mahabarareoka.
Ahitsio |
Barea | : | (Ski) a.: Ombimanga.
Ahitsio |
Barera | : | a.: Roraka, tsy fahazakan-tena na tsy fahazakandamba. - t.i.f.: Abarera, voabarera I manabarera, fanabarera, mpanabarera / anabarerana, fanabarerana / mibarera, fibarera, mpibarera J mahabare. ra J barerarera,
Ahitsio |
Bareraka | : | a.: Mitovy hevitra amin'ny Barera. i t.i.f.: Mibaxeraka.
Ahitsio |
Barerarera | : | (barera) t. u. r.: Entimilaza fanamafisan-kevitra, mibarera matetitetika.
Ahitsio |
Baribariàna | : | p. t.: Tsy mbola mandroso amin'ny fombampiainana ambony, tsy mahalala fomba: Raha tsy otona baribariàna ka hanao ny tongotra eny ambony fiankinana amin'ny seza! • Masiaka sy tsy mamindra fo: Olona baribariàna no nahavita izao uonoana mahatsirauina izao.
Ahitsio |
Baribary | : | p. t.: Mitovy hevitra amin'ny Baty. Jer. io teny io.
Ahitsio |
Barika | : | a.: Areti-mifindran'akoho.: Voan'ny barika ny akohonay.
Ahitsio |
Barika | : | (fr. barrique) a.: Fitoeran-drano na divay lehibe vita amin'ny hazofisaka mivolantsinana natambatambatra voafehina vy boribory mita-na azy tsy hivaha, atao hoe fehim-barika. - F,-p.: Ambody barika: zavatra apetraky ny mpisotro amin'ny mpivaro-toaka ho antoky ny toaka tsy voaloany vola.
Ahitsio |
Barisa | : | a.: Toaka mena.
Ahitsio |
Baroa | : | a.: Anarana mpitondra fanjakana iray, izay tsy fantatra marina raha nisy aratantara fa nanaovana ohatra amin'ny fitondrana baranahiny, tsy misy lalàna, ka samy manao izay tiany ny olom-pehezina.
Ahitsio |
Barometatra | : | a.: Fitaovana hâ mantarana ny ho toetran' ny andro amin'ny fahalalana ny lanjan'ny tambesatry ny rivotra.
Ahitsio |