Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Dingidingy: a, : Toerana avo. Ahitsio
Dingina: a. • Fijoron-javatra manondro lanitra; fihoarana, fanongonana. - t.i.f. : Dinginana, tafadingina / midingina, fidingina, mpidingina / idinginana, fidinginana / mahadingina. Ahitsio
Dinginana: (dingina) mt. ih. (dingino) ; Ihoarana, songo- nana : Nodinginan'ny mpifaninana aminy rehetra izy. Ahitsio
Dinidinika: a. : Resadresaka ifanaovana momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha. ¶ M.h. : Tapatapak'ahitra. - F,-p, : Dinidinika ambany tafontrano : resadresaka ifanaovan'ny mpianakavy na antokon'olona samy irery. Ahitsio
Dinidy: (didy) mt.ih. misy tsofoka in : Voadidy, didiana : Nodinidin 'ny Fanjakana vao haingana ny fanondranana akondro. / Nodinidinao firy ilay voasary ? Ahitsio
Dinihina: (dinika) mt.ih. (diniho) : Fakafakaina, alaina ambony alaina ambany : Tokony hodinihina tsara izany raharaha izany. Ahitsio
Dinihina: fotorana tsara: Tokony hofakafakaina tsara itS' raharaha ityf. Ahitsio
Dinika: a. : Resaka momba ny zavatra anankiray efa voafaritra mialoha : Misy dinika hataon'ny vaomiera momba izany. ~ Famakafakana mba hahalalana zavatra iray araka izay tena toetrany, lanjany, hasoany : Miki dinika lalina izany toe-javatra aposakao izany. - t.i.f. : Dinihina, voadinika 1 mandinika, fandinika, mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika / dinidinika. Ahitsio
Dinika: a. : Fitsakoana fanindroany ataon'ny biby sasantsasany, toy ny omby, mba hanorotoroany izay nohaniny maimaika tany an-tsaha. - t.i.f. : Dinihina, voadinika / mandinika, fandinika,mpandinika / andinihana, fandinihana / mahadinika. Ahitsio
Dinika: a. : Fahakelezana, faharotsadrotsahana. - t.i.f. : Madinika, hadinika, dinidinika. Ahitsio
Dinika: (diha) mt.ih. misy tsofoka in : Voadika, nodikaina : Nodinikao ny lalàna ka ho voasazy ianao, Ahitsio
Dinimby: (dimby) mt.ih. misy tsofoka in : Voadimby, dimbasana. Ahitsio
Diningana: (dingana) mt.ih, misy tsofoha in : Voadingana, dinganina, dikaina : Nodiningany ny rainy ka tsy faly. f• Ihoarana : Nodiningany ny hady. ? Avala, hadino : Nodininganao ireto andalana roa ireto. Ahitsio
Dinitra: a. : Hatsembohana.1 t.i.f. : Dinirina. ? F,-p, : Mivoa-dinitra : mi-tete hatsembohana, teratsemboka, mivajijika. / Dinitr'ombalahy : hatsembohana mipotrapotraka be. Ahitsio
Dinta: a : Karazana kankana monina eny an-tanimbary sy eny amin'ny honahona ary mitsentsitra ny ra; mora mipetaka amin'ny tenan'ny olombelona ny dinta noho freo tandrony roa fanandrohany eo amin'ny lohany sy ny vodiny, izay indray mitsentsitra daholo; avy amin' izany no nahatonga ilay ohabolana hoe : Mihinan-droa tahaka ny dinta. Ahitsio
Dintamborona: a : Karazana dinta mpipetaka amin'ny vavan'ny vorom-bazaha rehefa ilay misotrasotra amin'ny rano iny ireto. Ahitsio
Dintanala: a. : (Jar. Dimatika). Ahitsio
Dintinina: a. : Karazan-kazo mamony mena midorehitra. (Symphonia clusioides). Ahitsio
Dio: a. : Tsy fisiana loto na pentina; fangarangaranana sy tsy fananan-tsiny na kilema; tsy fifangaroana amin-javatra hafa : Tsy mbola mahafa-po ahy ny dion'it9 villa it?. - t.i.f. : Madio, fadio, hadio, hadiovana, fahadiovana/ diovina, voadio / mandio na manadio, fandio, mpandio / andiovana, fandiovana; anadiovana,fanadiovana / midio,fidio, mpidio / idiovana, fidiovana I mahadio. Ahitsio
Diosezy: (fr. diocèse) a: (Fiv. kat.) Faritany eo ambany fitondran'ny eveka iray, izay mandidy mahatapaka eo amin'io faritra io rehefa manaraka ny sori-dalan'ny Eglizy. Ahitsio