Litera D

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Daondaona: a. : Feo midobodoboka amin'ny zavatra velezina na mikodiadia. 1 H.o. : Teny alefalefa fotsiny, tsy voahevitra, matetika mampiseho avonavona sy fanambaniana ny hafa. - t.i.f. : Midaondaona, fidaondaona, mpidaondaona / idaondaonana, fidaondaonana / mahadaondaona. Ahitsio
Darà: a : Karazan-damba tsara tenons. Ahitsio
Daraboka: o. : Fahapotrahana na fianierana mafy, - t.i.f. : Adaraboka, voadaraboka, tafadaraboka / manadaraboka, mpanadaraboka I anadarabohana, fanadarabohana / midaxaboka, fidaraboka, mpidaraboka / idarabohana, fidarabohana f mahadaraboka. Ahitsio
Dararaka: p.t. : Enti-milaza olona mipetrapetra-poana malai-mihetsika ary toa adaladala varimbariam-poana ka raraka hatramin'ny iviny. - t.i.f. : Midaraxaka, fidararaka, mpidararaka f idararahana, fidararahana. Ahitsio
Darazay: (fr. dragée) a. : Vatomamy, zava-mamy voavoatra ho boribory kely omena ho an'ny ankizy indrindra. Ahitsio
Daresaka: p. t. : Jer. Danesaka. Ahitsio
Daridary: a : Diridiry, fibontsinana sy fahahenjanana. - t.i.f.: Midaridaxy, fidaridary. Ahitsio
Daro: a. Teny ilazana amin'ny fitenim-paritany maro ny hoditr'omby maina. Ahitsio
Daröba: (Tsm) a. : Onjan-dranomasina mahery. Ahitsio
Daroboka: a : Fianjerana anaty rano na fianjerana re midoboka. - t.i.f. : Adaroboka, voadaroboka, tafadaroboka I manadaroboka, fanadaroboka, mpanadaroboka / anadarobohana, fanadarobohana I midaroboka, fidaroboka, mpidaraboka I idarobohana, fidarobohana I mahadaroboka. Ahitsio
Darodarony: p.t. : Varivarin'ny toaka, mamomamo. Ahitsio
Darofana: na Darohana (daroka) mt.ih. (darofy na darohy) : Kapohina, velezina, tontana. Ahitsio
Daroka: a. : Vono amin'ny kapoka; vely, tonta. - t.i.f. Darofana na darohana,adaroka,voadaroka/ mandaroka, fandaroka, mpandaroka / andarohana, fandarohana / mahadaroka. Ahitsio
Darona: a, : Famindra na fitenenana miadana sy toa tsy miraidraika, tsy rototra. - t.i.f. Adarona I midarona, fidarona, mpidarona / idaronana, fidaronana / mahadarona. Ahitsio
Darondarona: a. : Avonavona miharo hatezerana eo amin' ny fitenenana. ¶ M.h, : Fidaondaom-bava, avom-bava, heto-bava, taim-bava. - t.i.f. : Midarondarona / fidarondarona / mahadarondarona. Ahitsio
Darondarony: a. : Tanora dongadonga, dofodofotra. Ahitsio
Daroroka: a. : Fianjerana mafy mitalakotrokotroka. - t.i.f. : Midaxoroka, fidaroroka. Ahitsio
Dasidasy: a. : Fandeha sy famindra milamina sy mihaminkamina, ka tsy mirotoroto no sady maotina. - t.i.f. : Adasidasy, tafadasidasy / midasidasy, fidasidasy. Ahitsio
Debadeba: p.t. : Fohifohy sady bebe tarehy ary somary lesoka : Debadeba izay ny tarehin-dRamasabomanga. Ahitsio
Debaka: (Tsm) : Zavatra atao antoka apetraka amin'ny tompon-trosa. Ahitsio