Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famovoka: (vouoka) a : Toetran'ny zavatra mamovoka, mandrakotra vovoka. Ahitsio
Famozafoza: (fozafoza) a. : Fa-m orip oretana. Ahitsio
Famozezehana: (vozezika) a. : Fanavovonana, fanavosana zavatra befahatany. Ahitsio
Famozezika: (uozezika) a. : Fomba entina mamozezika, manavovona, manavosa zavatra befahatanY. Ahitsio
Famozezy: (uozezy) a. : Toetran'ny olona na biby mamozezy, izany hoe mahery miteraka; fahereza-miteraka. Ahitsio
Famozona: (vozona) a. : Fomba entina mamozona, manao an-terisetra, an-terivozona. Ahitsio
Famozonana: (vozona) a. : Fanerena, fanaovana an-terisetra, an-terivozona. Ahitsio
Fampaka: a. : Mitovy amin'ny Antendriahitra (jar. io teny in). Ahitsio
Fampakarana: Fampakarambady (akatra) a. : Fankalazana eo imasom-bahoaka ny fanambadian' ny olona roa vao hivady. Ahitsio
Fampana: a. : Tevana, hady. - F,-p, : Mihoa-pampana, diso fampana, tsy omby tom-Pana : mihoatra ny mety, izaitsizy, diso ohatra, be loatra. / Mandry amorom-pampana : manao kitoatoa, mosalahY. Ahitsio
Fampangatsiahana: (hatsiaka) a. : Asa atao mba hampangatsiaka; fitaovana entina hampangatsiaka. Ahitsio
Fampanjanahana: (zanaka) a :Fampisamboram-bola misy zanany, fanaovana petra-bola misy zanany. Ahitsio
Fampanonona: a : Filazan-javatra amin' ny teny fohy na-tao hovinanina, oh. : Tanora banga, antitra uao boribory (uolana). ΒΆ M.h. : Ankanonona, fanonona. Ahitsio
Fampianarana: (anatra) 0.: Fampahalalana, fanoroana zavatra tsy hay; fanaovana izay hampahay zavatra olona: Ilana olona mahay sy be fandauan-tena ny famplanarana, ? Antokon-draharaha miandraikitra ny fanoroana, ny fampahazoana fahaizana ny ankizy: Ho tonga rahampitso ny Minisitry ny Famplanarana, ? Fomba fampianatra: Tsy tiako ny fampianaran-dRangahy io fa misafotofoto be lhany, ? Fitambaran'ny hevitra iompanan'ny fivavahana, filozofia iray: Na famplanaran'i Kristy. Ahitsio
Fampianatra: (anatra) a,: Fomba entina mampianatra. ? p, t.: Azo ampianarina, Ahitsio
Fampifilafilana: (filafila) a. : Fampitambazanana. Ahitsio
Fampihavanana: (hauana) a : Fampifanarahana olona tsy nifanaraka na niady teo aloha. Ahitsio
Fampinomana: (inona) a. : Fampisotroana tangena, nampiasaina ho fitsarana fahizay mba hahitana izay meloka. Ahitsio
Fampisorona: a. : Ody ahosotra na ampisotroina ny biby nampiadina (ombalahy, akoholahy) mba hahatonga azy hahery miady. Ahitsio
Fampitaha: (taha) a. : Kilalao fanaon'ny ankizivavy izay mifaninana mba hahitana izay tsara tarehy sy mahay mandihy : mifanao andaniny roa izy ireo, ka samy mifidy tovovavy iray ravahany axaka ny fahaizany avy. Rehefa vonona avy izy roa dia samy miseho ary samy rafitra mampiseho ny fahakingany mandihy avy ; ny be sy ny maro no mitsara. Ahitsio