Litera F

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Fahatolo: (t.tr.) a. : Ny vavy, ny ao an-kohonana. Ahitsio
Fahatra: ft. : Enti-milaza famikirana na fitazonana mafy amin'ny tongotra mba tsy hianjera na tsy hialana eo amin'ny toerana misy ny te-na. - t.i.f. : Afahatra, voafahatra, tafafahatra / mamahatra, famahatra, mpamahatra / amaharana, famaharana / mifahatra, fifahatra, mpifahatra / ifaharana, fifaharana / mahafahatra. Ahitsio
Fahatra: a. : Teny ilazana a-min' ny f.-.a.-dr ny toerana ahazoana manonona teny araka ny avapeo : ny loba lela : r ; ny lany lela : 1; ny lanilany : g; ny nify : t; ny molotra : m, ka mahatonga ny hoe feo a-molotra, feo andany lela.., Ahitsio
Fahatsiahivana: (tsiahy) a. : Fahatsiarovana. Ahitsio
Fahatsiahy: (tsiahy) a. : Fomba entina mahatsiahy. ? p.t. : Azo tsahivina, tokony hotsahivina : Tsy fahatsiahy ny andro manjombona tamin' ny fiainana lasa. Ahitsio
Fahatsiaro: (tsiaro) a. : Fomba entina mahatsiaro. ? p.t. : A-zo tsaroana. Ahitsio
Fahatsiarovana: (tsiaro) a. : Fitamberenan' ny zavatra na olona hita na fantatra tamin' ny andro lasa ao an-tsaina indray : Mbola velona ato ampoko ny fahatsiarovako an'i Neny. ? Zavatra omena olona mba tsy hanadinoany ny tena, na ny toe-javatra iray niarahana ' Omeko anao ity boky id ho fahatsiarovana ny niarahantsika niasa. M.h. : Fahatsiaxovana, fahatsiahivana, fahatadidiana, dindo, tsangambato, orimbato. ? F.-p. : Fahatsiarovan-tena : fahatsapana ny haja amankasina ananan'ny tena eo anoloan'ny mpiara-belona ka mahatonga hifady tsy hanao fitondran-tena tsy mety. Ahitsio
Fahavalo: (valo) p.l. : Milaza ny filaharana manarakaraka ny fahafito. ? a. : Ny mankahala ny tena, ny miady sy mifanohitra amin' ny tena ka mitady hamono mihitsy aza : Efa resy ny fahavalo. ? Izay rehetra manimba ny ha-fa : Ny toaka no fahavalon' ny fahasalamana voalohany. / Tsy manam-pahavaio afatsy ny mosary aho, hoy Andrianampoinimerina. ¶ M. h.: Fahavalo, rafy, an-daniny, sakay sy maso, tsy tia, mpisompatra. Ahitsio
Fahavanona: (vanona) a. : Toetran'ny olona na zavatra vanona, izany hoe tsara, tonga amin' ny nanaovana azy. Ahitsio
Fahavanonana: (vanona) a. : Fahatongavana ho vanona; toetra vanona. Ahitsio
Fahavarana: Piatra) a. : Fahakarakarana na fahakolokoloana fatratra mandrakariva; fahazotoana amin'ny fitandremana sy fanaovana izay hahasoa : Ny fahavarana no ananana zavatra madio sy mateza. Ahitsio
Fahavaratra: (varatra) a. : Fizaran-taona manarakaraka ny lohataona, manomboka a-min' ny novambra ka miaf ara amin'ny zanvie, izay ahitana ny orana avy tsikelikely aloha, dia mampireny miaraka amin'ny varatra izay mikotrokotroka izaitsizy. Ahitsio
Fahavariana: (variana) a, : Toetran'ny zavatra mahavariana. Ahitsio
Fahavarianana: (variana)a.: Fahasondrianana, fifantohan' ny saina amin'ny zavatra anankiray ka hadino ny zavatra rehetra. Fahavarianampanahy: Fifantohan'ny saina amin'ny fivavahana ka hadino ny zavatra rehetra manodidina ny tena. Ahitsio
Fahavelomana: (velona) a.: Fotoana iainana : Nanao soa ny mpiara-belona aminy izy nandritra ny fahavelomany. - F.-p. : Fotoana ahavelomana : fotoana iterahan'ny vehivavy (noho ny fahasarotan' ny fiterahana, dia noheverin' ny Ntaolo fa io fotoana io dia mety hahavelona na hahafaty ). Ahitsio
Fahavirjiniana: (virjiny) a . Toetran' ny olona, fa indrindra ny vehivavy, mbola tsy nahalala ny firaisana ara-nof o. Ahitsio
Fahavoazana: (voa) a. : Zavamihatra nampiditra fahasahiranana : Loza ny fahavoazako fa hadinoko ny nanisy lasantsy ny fiara talohan'ny hiaingàna. ? Faty antoka : Telo alina ariary no fahavoazan-dRabe tamin'ilaY haintrano iny, Ahitsio
Fahavodivodiana: (vodivodiana) a. : Fampamahimahiana. Ahitsio
Fahazarana: (zatra) a. : Fomba zary toetra noho ny fanao miverimberina; toetra azo amin'ny famerimberenana zavatra na asa matetika. - F.-p. : Entim-pahazarana : tsy ny saina na ny sitrapo no mitondra fa ny fahazarana f otsiny. Ahitsio
Fahazokiana: na Fizokiana (zoky) a. : Tombin'ny maha-zoky. Ahitsio