Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hamaola: Fahamaola, Hamaolana, Fahamaolana (maola) a.: Toetran'ny olona maola, mirondrona sy midola. Ahitsio
Hamaonjanana: Fahamaonjanana (maonjana) a.: Havesarana. Ahitsio
Hamaonjanina: (maoNana) mt. ih. (hamaon/ano): Atao tonga mavesatra kokoa, Ahitsio
Hamaotona: Fahamaotona (maotona) a.: Toetran'ny olona maotona, tsy mipelipelika, tsy taitaitra, tony tsara, tsy mandrivotra (andro): Ny hamaoton'ny andro. Ahitsio
Hamaotonana: Fahamaotonana a.: Hatsaram-panahy fatra-pitandrina tsy hanao fihetsika jefijefy: Ny fahamaotonana no ravaky ny zazavavy voalohany. Ahitsio
Hamara: Fahamara, Hamarana, Fahamarana a.: Toetran'ny zavatra mara. Ahitsio
Hamaraina: Fahamarainana a.: Fahatongavan'ny maraina: Mahafinaritra ny hamarainan'ny andro. Ahitsio
Hamarenana: (marina) a.: Toetran'ny tany marina izany hoe mitovy tantana hatrany. ? F.-p.: An-kamarenana: amin'ny toerana mitovy tantana. Ahitsio
Hamarina: na Hamarana (hamatra) mt. (hamaro): Fehezina amin'ny hamatra na harato, Ahitsio
Hamarina: (marina) a.: Toetran'ny zavatra marina, mitovy tantana, na tsy diso: Tsy ampy ny hamarin'ny tany eto mba hanaouana trano. / Tsy mino ny hamarin'ny zavatra lazaiko ve ianao? Ahitsio
Hamarinina: (marina) mt. ih. (hamarino): Atao izay hahamarina azy: Hamarinina aloha ny tany uao manorina trano. ? Fotopotorana ny fahamarinany: Hamarino kely ny famerim-bola nomeko anao. Ahitsio
Hamaroana: (maro) a.: Toetran' ny zavatra maro; habetsahana: Tsy azoko omena naoty betsaka ianao noho ny hamaroan'ny diso tamin'ny sorato noninao. Ahitsio
Hamaroina: (maro) mt. ih. (hamaroy): Atao tonga maromaro kokoa. Ahitsio
Hamasahana: (masaka) a: Toetran'ny zavatra masaka, na nandrahoina izany na tonga amin'ny fotoana mahatsara hohanina azy. Ahitsio
Hamasahina: (masaka) mt. ih. (hamasaho): Atao izay hahamasaka azy. Ahitsio
Hamasinina: Ankamasinina (masina) mt. ih. (hamasino, ankamasino): Anaovana fombam-pivavahana mba ho masina, hahazo hery, fahefana: Hamasino ireto fanatitra ireto, Zanahary ô! ~ Hajaina, tsaohina: Hohamasinina anie ny anaranao! Ahitsio
Hamasinina: Efa notsofindrano ny mariazy vaouao. Tsofohana (tsofoka) mt. pdr. (trofohy): Ampidirana: Tsofohona hazo ao anaty lava-ka. Ahitsio
Hamatra: a.: Fifehezana na fanaratoana taolana tapaka mba hampitohy azy na tsy hihetsiketsehany. ¶ M.h.: Harato. i t. f f.: Hamarana na hamarina, voahamatra 1 manamatra, fanamatra, mpanamatra 1 anamàrana, fanamàrana. Ahitsio
Hamatra: a.: Bandin-takolaka marary. ~ Holatra amin'ny tarehy na vozona avy amin' ny fery sitrana; ny pentina na ny lelakomby amin'ny hoditra. Ahitsio
Hamavo: Hamavoana (mavo) a.: Toetran'ny zavatra ma-vo somary vony: Ny hamavon'ny rindrina. •Fihambaniana: Tsy nijery ny hamavoanay izy. Ahitsio