Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Hapintsana: Fahapintsana, Hapintsampintsana, Fahapintsampintsana a.: Hakely, haniffnify. Ahitsio
Hara: a : Zavatra nalaina tamin' ny akorandriaka fanao bokotra na haingon-javatra; laninkazandrano manify. Ahitsio
Harabina: (haraby) mt. Ut (harabio): Esoina, anaovana teny sompirana. Ahitsio
Harabo: a: Jar. Trabotrabo. Ahitsio
Haraby: a: Eso, kivazivazy zary tenany, teny sompirana. i t.i.f.: Harabina, voaharaby, fanaraby, mpanaraby 1 anarabiana, fanarabiana I maha-' haraby / harabiraby. Ahitsio
Harafa: a: Toaka vahiny na avy any ivelany. Ahitsio
Harafana: a: Divay azo avy amin'ny karazan-kazo fianakavian'ny rofia. Ahitsio
Harafesenina: (harafesina) p.t.: Voan'ny harafesina. Ahitsio
Harafesina: a.: Tentina mena-mena mandrakotra ny vy mipetraka ela amin'ny hamandoana, taim-by: Voon'ny harafesina ity vy ity. ?p.t.: Misy taim-bY, rakotr'io tentina menamena io: Hamfesina ny hidim-boravarana fa asio menaka. Indraindray anefa ampiasaina ho solon'ny "harafesina" p.t. ny hoe "harafesenina" izay tena tokony ho izy tokoa: Harafesenina ny hidim-baravarana fa asio menaka. 1 H.i.: Enti-milaza ny marary efa ambavahoana izay mangana ny molony ary manopy mena ny nifiny. & tif: Harafesenina j mihaharafesina j mahaharafesina. Ahitsio
Harafo: (Ski) a.: Soratr'omby mainty fotsy loha. Ahitsio
Harafoka: a: Hareforefo. Ahitsio
Harahana: (haraka) mt.ih. (haraho): Ahataka (enti-milaza ny kofehy tenany izay sarabina na ahataka amin'ny tenona mba hitsofohan'ny fahany). 1 Fatorana (enti-milaza kofehy kely — izay matetika rofia — mitana ny kofehy tenany amin'ny tenona mba hanatsofohana ny kofehy fahana). Ahitsio
Harahana: (haraka) p.t: Entimilaza vary na katsaka izay ampangotrahina mba hahamora totoina azy. Ahitsio
Harahara: a.: Hazo antonontonony, mahatratra 7-8 m ny haavony ary 0,16-0,20 m ny savaivony (Phylloxiion enaifolium) hazo mafy diamafy, fanaovana zaran'angady indrindra ka nahatonga azy ho teny mitovy hevitra amin'ny "angady": Ilay homo mivady: ny lahy tsy tia harahara, ny voua tsy tia vody tenona. (ohab, enti-milaza ny mpivady roa kamo samy tsy tia a-sa). Ahitsio
Harahara: ft.: Madiva dia ho ro-vitra. - t.i.f.: Mangarahara. Ahitsio
Harahina: (haraka) mt. ih, (haraho): Alaina an-kery, Ahitsio
Haraka: p.t.: Maina, makiana noho ny herin'ny afo na ny masoandro. - t.i.f.: Harahana. Ahitsio
Haraka: a.: Hazo lehibe marokoroko ny hodiny, fanaovana lakana. Ahitsio
Haraka: a.: Kofehy mitana ny tenany amin'ny tenona mba hitsofohan'ny fahany. - t.i.f: Harahana, voaharaka / mangaraka, fangaraka, mpangaraka 1 angarahana, fangarahana / mahaharaka. Ahitsio
Haraka: a.: Faluna an-kery, fihinanam-bahoaka an-kafetsena. - t.i.f : Harahina, voaharaka I miharaka, fiharaka, mpiharaka / fiharahana, harakaraka. Ahitsio