Litera H

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Harom-potsy: a.: Harona fitondran-kanina ho an'ny mpandeha na itaoman-tany amin' ny fanompoana. Ahitsio
Haromotana: Faharomotana a.: Aretin-dratsy mahatonga toa adala manaikitra amimpisafoahana izay sendra azy. tt Fisafoahana, fisamontitra. Ahitsio
Harona: a.: Fakana na fisavana zavatra ao amin'ny miafina; fitondrana zavatra hohanina amin'ny tanana any am-bava; fanatsofohana ny tanana ao anaty zavatra. i Haronina, aharona, voaharona 1 mangarona, fangarona, mpangarona 1 angaronana, fangaronana 1 mahaharona 1 harongarona, Ahitsio
Harona: a,: Zavatra norarina hatao fitoeran-javatra. - F.-p.: Haron-doa-body: ilazana n? harona loaka ny fanambaniny ka manary izay rehetra atao ao anatiny, ka ny hoe mitahiry an-karondoa-body dia mahery manangona nefa verivery na lanilany foana izay voangona. / Haron-tabebaka: harona fohy vatana fa be vava ka tsy mahalany firy. / Harom-pito sosona: harona kely sy lehibe mifanarona hatrany, ho firaketana izay zavatra lalain' ny tompony. * 0!tab.: Lasan-ko vavany toa haron-tabebaka: ilazana ny olona be vava na miseho ho zavatra ivelany fotsinY, nefa tsy misy lanjany manahoana. Ahitsio
Harongana: a.: Hazo antonontonony (6-8 m), miteraka ranony menamena rehefa silarana ny vatany; tsy fampiasa afa-tsy hanaovana vata ny hazony, fa ny ranony kosa handokoana jiafotsy, ary ny hodiny sy ny fakany hatao fanafody hatina sy fivalanandra. - t.i.f.: Haronganina.? F.-p.: Harongam-pohatra: lany harena, botry tanteraka. Ahitsio
Haronganina: (harongana) p.t.: Fiteny amin'ny biby be hatina, hatenina, izay manjary matevina ohatra ny harongana ny hodiny. Ahitsio
Haronina: (harona) mt, ih. (harony): Enti-milaza ny hanina tsabahina amin'ny tanana: Aza haronina ity vary fa sady maloto izany no tsy fahalalam-Pomba. * 0hab,: Atao adala ka tezitra: vary misy ro ka haronina, sisan'Idalo ka hanina: enti-milaza olona tezitra raha atao hoe adala, kanefa ny toetra amam-pombany rehetra mitory toetran'olona adala. Ahitsio
Haroroka: Faharoroka, Harorohana, Faharorohana (roroka) a.: Hafainganam-pitombo: Loza ny harorohan'ity hazo ity. Ahitsio
Hary: t.-p.: Izany manko o! Ahitsio
Hary: a.: Izay vola azo na voangona, izay vokatry ny natao, teo amin'ny fanaovan-javatra na asa: Harinay mivady ity trano ity. { t,if.: Harina, voaharina 1 mfharY, fihary, am, lihariana, fihariana na fiharena 1 mahahary. * Hary volo: volo avela haniry eo an-tampon-dohan'ny zaza, izaY ampitomboina isan-taona hatrany ny velarany ambara-pahatonga hatrany an-katoka. Ahitsio
Hasabo: (t,tn) a.: Tontalin'isa. Ahitsio
Hasahiana: Fahasahiana (sahy) a,: Tay fahatahorana mahatonga hisetra loza na zavatsarotra. Ahitsio
Hasalamana: Fahasalamana (salama) a.: Toetran'ny tena tsy marary. Ahitsio
Hasambarana: Fahasambarana (sambatra) a: Fiadanana tanteraka, hatretrehana. Ahitsio
Hasaozanina: Fahasaozanina (saozanina) a: Toetran'ny olona saozanina, mahia lava; hakely hery. Ahitsio
Hasarotana: (sarotra) a.: Toetran'ny zavatra sarotra: Tsy anerany ny hasarotan'ilay asa nomenao ahy. ? Halafosana: Iaraha-mahalala ny hasarotan'ny fiainana amin'izao fotoana izao, ? Fahihirana: Hasarotan'izay lahiantitra re izany! Aleony sempotra miakatra amin'io fiakara-mideza io toy izay lany vola hakana fiarokaretsaka. (• Hatendan-kanfna: Loza ny hasarotan'io tovovavy io fa tsy mitsaha-mitsako ny va-van y! Ahitsio
Hasarotina: (sarotra) mt. ih. (hasaroty): Atao izay hahasarotra azy na dia zavatra mora izao aza: Hasarotinao koa ny raharaha, nefa mety ho mora foana. Ahitsio
Hasarotra: Fahasarotra (sarotra) a.: Toetran'ny zavatra sarotra, manahirana: Ny hasarotry ny lalana no nahela ny dianay. Ahitsio
Hasasarana: Fahasasarana (sasatra) a.: Ny fahatsiarovana ny tena ho tsy manan-kery noho ny asa mafy natao;havizanana. Ahitsio
Hasemporana: (sempotra) a.: Fijanonan'ny fiaina vokatry ny tsy fahampian'ny oksizena na ny tsy fisiany mihitsy aza. Ahitsio