Havingavinina | : | (havingavina) mt, ih. (havingavino): Tsy raharahaina firy.
Ahitsio |
Havinirana | : | Fahavinirana (vinttra) a,: Hatezerana, fahatezerana.
Ahitsio |
Havitra | : | o.: Vy na hazo maranidoha fisoronana afo na fanavanana ny lavenona; fitonoan-kena.
Ahitsio |
Havitravirina | : | (havitravitra) mt. ih. (hauitraviro): Tsy heverina tsara, ataotao foana.
Ahitsio |
Havitravitra | : | a.: Tsy fisafnana tsara eo am-panaovan-javatra. ¶ M,h.: Havingavina. - t.i.f.: Havitravirina, ahavitravitra / mihavitravitra, fihavitravitra, mpihavitravitra f ihavitravirana, fihavitravirana.
Ahitsio |
Havitrika | : | Havitrihana, Fahavitrihana (vitrika) a.: Fahakingàna sy fahatanjahana ombam-paharisihana.
Ahitsio |
Havitsiana | : | Fahavitsiana (vitsy) a.: Hakelezana isa: Mahabe fanantenana ny havitsian'ny olon-dratsy amin' it9 tanàna - F.-p.: An-kavitsiana: Tsy betsaka, vitsy kely.
Ahitsio |
Havitsina | : | (vitsy) mt. ih. (havitsio): Ahana, hakelezina isa: Kely ity efitrano fianarana i-t? ka tsy maintsy hohauitsinao ny isan'ny mpianatra.
Ahitsio |
Havoana | : | a.: Tendrombohitra tsy dia avo loatra: Eny antampon-kavoana. ¶ M.h.: Dongona, tovon-tany, bongon-tany, kiborin-tany, vohon-tany, ongonongon-tany, tendrombohitra.
Ahitsio |
Havoha | : | a.: Karazan-kazo fanao taratasy sy kofehy ny hodinY.
Ahitsio |
Havoka | : | a.: Loko vasoka. - t.i.f.: Mangavoka / mangavokavoka.
Ahitsio |
Havokarana | : | (vokatra) a.: Fahabetsahan'ny voa tamin'ny zavatra nambolena; famoazana betsaka.
Ahitsio |
Havokavohana | : | (hauokavoka) mt. ih. (havokavohy): Kapohina sady mafy no imbetsaka, kapohina atao vely kary: Nohauokavohàny iiay zaza ka tsy tratra Rakoto nihazakazaka niaro ilay bitika.
Ahitsio |
Havokavoka | : | a.: Taova anankiroa, havia sy havanana, ao anaty tratra, mifono ao anaty kitapo roa sosona atao hoe plevra, ka fiafaran'ny fitaovam-piaina. (Entin'ny traokabe, izay mizarazara ho zana-traoka eo am-pidirana amin'ny havokavoka, ny rivotra ka miafara any amin'ny kitapon-drivotra kely an'analinaliny; ao anatin'ireo kitapon-drivotra kely ireo no mifandray ny mpanelira madinika sy ny mpamerindra madiniky ny havokavoka, ka ny ra mena mainty entin'irerY voalohany, mivesatra gaza karbonika, dia miova ho me-na midorehitra noho ny oksizenan'ny rivotra, ka dia entin'iretsy faharoa kosa indray any amin'ny fo).
Ahitsio |
Havokavoka | : | a.: Kapoka mandrivorivo, fikapohana na famelezana mafy tsy misy indrafo. - t.i.f.: Havokavohana, voahavokavoka 1 manavokavoka, fanavokavoka, mpanavokavoka 1 anavokavohana, fanavokavohana 1 mahahavokavoka.
Ahitsio |
Havolona | : | a.: Ny mangahazo navels ho maina rehefa afaka ny hodi-menany ivelany.
Ahitsio |
Havoretra | : | (voretra) a.: Toetran'ny olona tsy mahava-tena ka maloto maharikoriko.
Ahitsio |
Havoria | : | (Br) a.: Famokarana ny razana avy ao amin'ny fa-sana anirotra arahin'ny fanitrihana ao amin'ny fasana raikitra.
Ahitsio |
havoriana | : | avy amin'ny fototeny : vory; nampiarahina tamin'ny tsirin-teny famoronana anarana : ha-...-ana. hilazana ny toetry ny olona (na zavatra) tafavory izany ny "havoriana". rehefa zary fomba izy noho ny fiverimberenany matetika dia tafiditra ho anisan'ny kolotsaina ka samy manana ny mampiavaka azy ny karazany avy sy araka ny toerana misy azy avy. toa izany koa ny endriky ny teny, miova araka ny faritra sy fotoana hilazana azy toy ny hoe : "ankavoriana", "havoria", sy ny hafa. Ahitsio |
Havoroka | : | (voroka) a.: Haimbo, toetran'ny zavatra maimbo, ratsy fofona.
Ahitsio |