Litera J

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Jaikoina: (jaiko) mt. ih. (jaikoy): Hatonina moramora, mitsaitsaika mba tsy ho taitra: Jaikoina no fisambotra io akoho io. Ahitsio
Jaingy: na Jaingijaingy a.: Fandeha mirepirepy sy toa miahotrahotra ary matahotra ny hianjera. •Famindran'ny zaza vao miana-mandeha toa mitsipitsipika. - t.i.f: Mijaingy, fijaingy, mpijaingy 1 ijaingena, fijaingena 1 mahajaingy I jaingijaingy. Ahitsio
Jaja: Jajajaja a.: Tomany mafy sady milelalela, tomanin-jaza efa manezakezaka er?. - t.i.f.: Ajajajaja / mijajajaja, fijajajaja, mpijajajaja / ijajajajana, füajajajana I mahajajajaja. Ahitsio
Jajirika: a: Fijoroana mitsangana tsara tsy mihetsika. 1 Ajajirika, voajajirika, tafajajirika I manajajkika, f anajajirika, mpanajajhika / anajajirihana, fanajajirihana / mijajirika, fijajirika, mpijajirika I ijajirihana, fijajirihana / mahajajirika / jajirijirika. Ahitsio
Jaka: a: Nofon-kenan'ny omby novonoina tamin'ny andro fandroana ka nifanateran'ny mpianakavy ho famantarana sy fahatsiarovam-pihavanana. • Vola natao solon'izany. ? Fanomezana. - t.i.f.: Jakàna, ajaka 1 manjaka, fanjaka, mpanjaka / anjakana, fanjakana I mijaka, fijaka, mpijaka / ijakana, fijakana I mahajaka I jakajaka. ? F.-p.: Jakan'anabauy, jakan'anadahy: fanomezana ho an'ny anabavy, ho an'ny anadahy. / Jakam-behivavy: fanomezana atao amin'ny vehivavy iray tsy vady fa sakaiza. / Raha jaka dia jaka tokoa: teny atao rehefa manolotra ny jakam-pandroana ka entina miala tsiny amin'ny hakelin'ny zavatra atolotra. Ahitsio
Jakana: (jaka) mt. ih. (jakao): Enti-milaza ny olona omena jaka: Efa mba nojakanareo ve ry Dadatoa Rabe? Ahitsio
Jaketra: a.: Palitao be mibikam-boangory, lava rambo, fitondra mianjaika amin'ny lanonana na fivoriana malaza. Ahitsio
Jako: na Rajako a: Karazambiby lehibe manakaiky ny olombelona eo amin'ny rafitry ny tenany, izay feno volo maniry. • h.i.: Entimilaza olona faran'izay ratsy tarehy. Ahitsio
Jako: Jakojako p.t.: Lava ma• nify mitezotezo. 1 ti.f.: Mijakojako, fijakojako I ijakojakoana, fijakojakoana. Ahitsio
Jakoko: sy Jakoretra p.t.: La-sa eritreritra, lasam-binany, manjonitra, malahelo, mieripanahy. - t.i.f.: Mijakoko, mijakoretra, fijakoko, fijakoretra, mpijakoko, mpijakoretra / ijakokoana, ijakoretana, fijakokoana, fijakoretana / mahajakoko, mahajakoretra I iakokokoko,iakoredretra. Jakoretra,jer. Jakoko Ahitsio
Jaky: a.: Volon-javatra mena dia mena, loko na sora-damba m angatrakatraka. - F.-p.: Jaky mena: mena mivaivay mangatraka. Ahitsio
Jala: na Jalajala a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Jalajala: ft.: Mitovy amin'ny Joalajoala. - t.i.f.: Mijalajala, fijalajala / ijalajalana, fijalajalana. Ahitsio
Jaly: ft.: F anain tain ana, zavamahazo mampahory; fiandrasana, tsy fahandrasana. - t.i.f.: Ajaly / mijaly, fijaly, mpijaly I ijaliana, fijaliana / mampijaly / mahajaly / jahjaly. Ahitsio
Jama: a: Fipetraky ny voa amin'ny sikidy, izay ankasa; ny mifanohitra aminy dia ta• raiky. Ahitsio
Jamaikanina: (fr. jamaïquain) a.: Ny firenena monina amin'ny andilan-tanin9 Jamaika mampitohy an'i Amerika avaratra sy atsimo: Teny anglisy no tenenin'ny Jamaikanina • p. t.: Momba an'i Jamaika, an'i Jamaika na avy any Jamaika: Ny "bauxite" jamaikanina no voalohany indrindra eran'izao tontolo izao. Ahitsio
Jamala: a.: Tsy faharetana, tsy fahandrasana. - F.-p.: Mivoa-jamala: mise-ho ho maika izaitsizy, tsy mahandry, mitsanga-mitoetramiandry zavatra. Ahitsio
Jamala:a., fitenim-paritra: rongony : mitroky jamala koa ingahy iny; Mifoka rongony koa iny bandy iny Ahitsio
Jamba: p.,t. sady a.: Tsy mahita ny maso: Jamba hatrany an-kibon-dreniny io olona io. i t.i.f : Jambaina, hajambaina, voajamba / manajamba, fanajamba, mpanajamba I anajambana, fanajambana I mahajambal jambajambal hajamba, fahajamba, fahajambana, hajambana, fanjambana. - F.-p,: Jamba mitantana jamba: enti-milaza olona samy tsy mahay no mifanoro na mifampianatra: tsy misy soa ho azon'izy ireo na kely aza. Ahitsio
Jambaina: (jamba) mt. ih. (jambao): Atao izay tsy hahitan' ny maso, izay hahatonga ao anaty haizim-be. Ahitsio