Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Karetsaka: a: Hidim-baravarana misy vatany roa: ny iray lahimp an alahidy mih ombo amin'ny lelavaravarana, ny iray kosa fidirany mihombo amin'ny batana, ka rehefa mitsofoka ao amin'ilay fidirany ny lahimpanalahidy dia mihidy ny trano. Ahitsio
Karetsaka: a: Fandehanana haingana, dia miverina tsy ela; fifamoivoizana amim-pahakingana ary mailaka. - t.i.f : Karetsahina, akaxetsaka, voakaretsaka, tafakaretsaka / mikaretsaka, fikaretsaka, mpikaretsaka / ikaretsahana, fikaretsahana 1 mifanaretsaka, fifanaretsaka 1 ifanaretsahana, fifanaretsahana 1 mahakaretsaka / karetsadretsaka. Ahitsio
Karetsika: (hetsika) a: Fahasahiranana amin-draharaha: Tsy misy karetsika izany. i t i f.: Mikaretsika. - F.-p.: Afa-karetsika: afaka ahiahy momba ny raharaha. Ahitsio
Karibonetra: (fr. carbonate) a.: Vovo-panafody fotsifotsy fandevonan-kanina, izay ataon'ny olona matetika amin'ny sakafo toy ny mangahazo mba hampahalemy azy na hampitombo azy hisavovona rehefa masaka. Ahitsio
Karija: (Ski) a: Marika atao amin'ny sofin'ny omby hahafantarana ny tompony na ny fianakaviana niaviany. ¶ M.h.: Fahetse. Ahitsio
Karijo: a.: Resaka tsisy antony na arirarira atao hanalana andro na hanarivana andro. • p.t.: Mahery am-bava. Ahitsio
Karipetra: (angi carpet) a.: Lamba na volom-biby mate-vina velarina amin'ny tany mbahatao fandiavana. Ahitsio
Karitabila: (fr. cartable) a.: Karazana sandrify vita amin'ny hoditra, itondrana taratasy na kahie na bob. Ahitsio
Karitosy: (fr. cartouche) a.: Fitambaran'ny bala sy ny fitoerany ary ny kapisily mandrehitra ny vanja raha voadona; katirijy. Ahitsio
Karohina: (karoka) mt. ih. (karohy): Haronina any anatY...; hadina: Be ny metaly nokarohina teto. / Nokarohiko tao an-d avaka ilay vola ver y. ? Ahetsiketsika mba hifangaro: Tsy nokarohinao tsara ny tavolo ka niraikitra tamin'ny vilany. • Tadiavina, kezahina ho fantatra: Nokarohina eran'ny trano ilay fanalahidy fa tsy hita. / Efa nokarohina an-taonany maro ny fanafodin'ny kansera nefa mbola tsy hita hatramin'izao. Ahitsio
Karoka: a.: Fangaronana na fanatsinkafonana ny farany ambany ao anatin'ny zavatra iray; fizahana, fitadiavana. 1 ti.f: Karohina, karofana, akaroka, voakaroka, tafakaroka / mikaroka, fikaroka, mpikaroka I ikarohana, fikarohana 1 mahakaroka 1 karokaroka. Ahitsio
Kary: a: Saka dia. ? h.o.: Entina milaza olona fetsifetsy koa: Nofaohin'ilay karilahy iny lahy ny sigarako teto ambony latabatra - F.-p.: Karin-jauatra: zavatra tsy mahomby. / Karin'olona: olona tsy manjary. * Ohab.: Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana: entimilaza zavatra na olona miseho mibaribary tsara tsy misy miafina. / Kary mindrana akanjo: tsy mamerina izay nindraminy: enti-milaza amin'eso ny olona mindranjavatra nefa tsy mahalala ma-marina. Ahitsio
Kasa: p.mt.: Mitovy hevitra amin'ny saika: kely foana sisa tsy...: Kasa nianjera tao anaty hady aho raha tsy nahatana ilay uatan-kaxo maniry eo ambony andrefana. Ahitsio
Kasa: ft.: Zavatra noheverina, fisainana mialoha hanao...; faniriana voavolavolan'ny saina. 1 Kasaina, akasa, voakasa, kinasa 1 mikasa, fikasa, mpikasa 1 ikasana, film-sana / mahakasa 1 kasakasa. Ahitsio
Kasaina: (kasa) mt. ih. (kasao): Heverina, ampoizina: Raharaha inona no kasainao hatao rehefalehibe? Ahitsio
Kasaoka: a.: Feo heno avy amin'Tiy fikasohan'ny zavatra roa. 1 Akasaoka / mikasaoka,fikasaoka / kasaotsaoka, kasaosaoka. Ahitsio
Kase: (fr. cachet) a.: Fingotra, matetika boribory, misy sary sy soratra mivohitra ka nony atomboka amin'ny taratasy dia mamela sary na soratra eo araka ny nanaovana azy (tombo-kase). • Ny sary sy soratra voafindra amin'ny taratasy (fitombo-kase). (Matetika iay tsy mandeha irery io teny io fa miaraka amin'ny teny hoe tomboka na fitomboka). Ahitsio
Kasia: (Ski) a.: Fomba fivoizana ny botry raha rohizana amin'ny sisin'ny botry ny fivoy ka voizina miamboho izy. - F.-p.: Manao kasia: mivoy miamboho. Ahitsio
Kasihina: (kasika) mt.ih. (kasiho): Ampandalovana tanana: Nokasihiny ilay marary dia sitrana. • Tenenina kely: Nokasihiny teny kely ny amin' ny fifidianana Ahitsio
Kasika: a: Fandalovan'ny ta-nana mihelina eo amin'ny zavatra iray. 1 .if: Kasihina, akasika, voakasika, tafakasika, kinasikalmikasika, fikasika, mpikasika / ikasihana, fikasihana 1 mifampikasika / mahakasika 1 kasikasika. Ahitsio