Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Katroka: p.t.: Fano isa tsara, tsy latsaka na manana amby: Valopolo amby zato ariary katroka tsara no nividianako io akoho io. Ahitsio
katry:mpamari-toetra, tenin-jatovo, mitovy dika amin'ny mamo Ahitsio
Katsa: a.: Ny atao hoe katsa dia fizarana isa iray amin'ny iray hafa ka tsy misy ambiny ny fizarana. Ahitsio
Katsahina: (katsaka) mt.ih. (katsaho) : Tadiavina (zavatra ambony na zavatra sarotra azo): Vady hendry katsahina. • Karohina, atao izay hahitana azy: Nokatsahin'ny polisy ilay mpangalatra Ahitsio
Katsaka: a: Fitadiavana (zavatra ambony na sarotra azo). I t.l.f.: Katsahina, akatsaka, voakatsaka, kinatsaka I mikatsaka, fikatsaka, mpikatsaka 1 ikatsahana, fikatsahana mahakatsaka 1 katsakatsaka 1 mikatsakatsaka, fikatsakatsaka, mpikatsakatsaka / ikatsakatsahana, fikatsakatsahana / mahakatsakatsaka. Ahitsio
Katsaka: a.: Karazan-javamaniry misy babiny, izany hoe mitangorona amin'ny sampahony maro ny voany madinika izay fihinana tsara rehefa avy nandrahoina. - F.-p.: Katsa-drahana: katsaka andrahoina amin'ny taolany, dia ahahy, ary rehefa mailla, kofoina hiala canin' ny taolany dia tehirizina, ka rehefa hohanina vao totoina sy andrahoina indray. / Manahy katsaka: manahy nify, mivan ika. — ( * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: enti-milaza olona be hambo amin'ny zavatra madinika. / Miaramila be nify tsy mandaio katsa-maina: olona tsy mba sarotsarotiny fa vonona ny hanao na hihinana izay azo atao na hanina. I Tsy sasa-poana akory ny katsaka ela nihantonana fa niandry vanin-taon haniriana: ilazana ny olona nahita voka-tsara amin'ny fiandrasana e1a fa tsy mba maimaika nanao zavatra tsy amin'ny fotoanany. Ahitsio
Katsakatsa: a.: Korintsana vita amin'ny kapoaka na zavatra hafa mitovitovy aminy nasiana vato kely na voa madinika (any amin'ny faritanin'i Toliary no mampiasa azy). Ahitsio
Katsakatsadraty: a: Raty efa tafasaraka amin'ny akondro. Ahitsio
Katsaoka: a: Karazan-javamaniry any anaty rano. Ahitsio
Katsaoka: a.: Ny feo re raha misy zavatra mianjera ao anaty rano na heno amin'ny fialan' ny tongotra avy ao anaty rano na fotaka marihitra. - t.i.f. : Mikatsaoka, fikatsaoka 1 katsaotsaoka. Ahitsio
Katso: na Katsokatso p.t.: Marani-doha. • Mpitati-teny, mpitati-bolana hampisaraka ny fihavanana. - t.i.f.: Mikatso, mikatsokatso, fikatso, fikatsokatso. Ahitsio
Katsoaka: a: Karazan'ahitra madini-dravina fa lava sy ma-lama. Ahitsio
Katsomandronono: a: Karazan' ahitra anaovana fisotro mampandotso ny nonon'ny mpitaiz a kely. Ahitsio
Katsomanta: (katso) a: Tsilalao misy vy maranitra kely ny lohany. ? (Btm) Tehina lava be marani-doha atao solon-defona. Ahitsio
katy:antibavy mahia kaozatra (reny katy: kisoa vavy efa antitra ka mahia) Ahitsio
Kavaly: a: Olona mody bado. Ahitsio
Kavanana: p. t : Fatra-pampiasa ny tanany havanana raha mandray na miasa (mifanohitra: Kavia). Ahitsio
Kavia: p.t.: Fatra-pampiasa ny tanany havia raha mandray na miasa (mifanohitra: Kavanana). 6 Kaviavia 1 mikaviavia, fikaviavia, mpikaviavia 1 ikaviavianana, fikaviavianana. Ahitsio
Kavina: a.: Firavaka atevika amin'ny ravin-tsofina ambany. ¶ M.h.: Kiviro. i tif : Kavinana, akavina, voakavina 1 manakavina, fanakavina, mpanakavina 1 anakavinana, fanakavinana 1 mikavina, fikavina, mpikavina 1 ikavinana, fikavinana 1 mahakavina. Ahitsio
Kazà: a.: Ny rain'ny raibe; ny razana, Ahitsio