Kafana | : | Kafankafana a: Fandavana amim-pahatezerana na amin'alahelo. - t.i.f.: Kafankafanina, akafankafana, tafakafankafana 1 mikafankafana, fikafankafa na, mpikafankaf ana 1 ikafankafanana 1 mahakafankafana.
Ahitsio |
Kafankafanina | : | (kafankafana) nit ih. (kafankafano): Lavina imbetsaka miverimberina.
Ahitsio |
Kafara | : | a: Fimonomononambahoaka noho ny fitondrana tsy marina na famoretana mih oap amp ana. - t.i.f. : Tafakafara 1 mikafara, fikaf ara, mpikafara 1 ikafarana, fikafarana 1 mahakafaxa 1 kafaraf ara.
Ahitsio |
Kafe | : | (fr, café) a.: Hazo salasalany, 3 m ny haavony raha ambolena ary mahatratra hatramin'ny 10 m raha maniry amin'izao; ny voany no anaovana fisotro. — Fisotro avy amin'ny rano ampangotrahina miaraka amin'ny voan-kafe voaendy sy voatoto, manan-kery isan-karazany fa mampihendratrendratra ny hozatra ary manaitaitra ny vavony sy ny afero hamoaka rano manampy amin' ny fandevonana ary manamora ny fihetsiky ny tsinay sy ny fandehan'ny fivalanandrano.
Ahitsio |
Kafeina | : | (fr. caféine) a: Hery ao anatin'ny kafe izay mampihendratrendratra ny hozatra ka manamora ny asa ara tsaina.
Ahitsio |
Kafiry | : | p.t.: Mitsitsy tafahoatra, mampijialy tena na mampitondra fahoriana ny hafa noho ny fahihirana, kahidy. 1 t.i.f.: Mikafiry 1 kafirifiry
Ahitsio |
Kafitera | : | (fr, cafetière) a: Karazam-bilany kely misy tendany, atao famanan-drano fa indrindra atao fitenehana na fampidinana kafe na ravimboafotsy.
Ahitsio |
Kaforano | : | (t. tr.) p. t.: Tsy ankanavaka, daholo.
Ahitsio |
Kaforo | : | p. t.: Mahantra fadiranovana, misamboritra. - t.i.f.: Mikaforo, fikaforo, mpikaforo / ikaforoana, fi'-:aforoana / mahakaforo / kaforoforo.
Ahitsio |
Kafotsy | : | a: Fonjozoro.
Ahitsio |
Kahamba | : | a.: Korintsana mitovy amin'ny faray, saingy fohy kokoa satria volotsangana vaniny roa ihany. Misy fomba maro fampiasa azy: ahontsana, kapohina amin'ny riran-tanana, donina amin'ny totohondry; ny manan-talenta dia afaka mitotorebika amin'ny tongony sady mampiasa kahamba ny tanany. Maromaro ny anarany araka ny faritany: Kaiamba, kaihamba, kai-hiamba, tsakaihambs.
Ahitsio |
Kahana | : | Kahakahana a: Fiantsoana ny omby hanatona; fanaovana teny an'avona raha manda. - t.i.f.: Kahankahanina, akahankahana, voakahankahana, tafakahankahana / mikahankahana, fikahankahana, mpikahankahana / ikahankahanana, fikahankahanana / mahakahankahana.
Ahitsio |
Kahankanina | : | (kahana) mt. ih, (kahankano): Antsoina (omby), antsoina amim-pimonomononana.
Ahitsio |
Kahiamba | : | a.: Anaran-javamaneno hafa kely fa harefo iray fihina no afatotra goragora ary kapokapohin'ny felatanana roa; izany no atao hoe Kahiamba; malefadefaa ny ngadona azo avy aminy, nefa manana anjara lehibe eo amin'ny fiarahan-javamaneno izy noho izy mana-no toamikorintsana
Ahitsio |
Kahie | : | (fr. cahier) a.: Fitambaran-dravintaratasy voazaitra ampiasain'ny mpianatra indrindra, hakany lesona any am-pianarana na hanaovany ny enti-modiny.
Ahitsio |
Kahihitra | : | p,k: Mitovy amin' ny mahihitra, saingy misy hevitra fanesoana na fanaratsiana kely misisika. ¶ M.h.: Mahihitra, mahidY, kahidy, kafiry, matsitsy, katity, kely hiratra, kely hoho, kely tanana, mamaky akotry, manjaitra atody, mafy tanana, mafy fonosana, mihirim-belona, kongona.
Ahitsio |
Kahonkahona | : | a.: Tomanimany lavareny; finaonaonan'ny saka. - t.i.f.: Mikahonkahona, fikahonkahona, mpikahonkahona I ikahonkahonana, fikahonkahonana 1 mahakahonkahona.
Ahitsio |
Kaika | : | Kaikaika a.: Fitomaniana, toloko. i t. i f : Mikaika, fikaika,mpikaika / ikaihana, fikaihana 1 kaikaika / mikaikaika, fikaikaika, mpikaikaika 1 ikaikaihana, fikaikaihana / mahakaikaika.
Ahitsio |
Kaikerina | : | na Kekerina (kaikitra) mt ih. (kaikero na kekero): Ketohina amin'ny nify: Nokekerin'ilay saka ratsy iny ny tanan-janakb. ? Tsindronina: Nokaikerin'ny moka ny handriko. ? Hanina: Kekerin'ny olitra mafy aho izany, ? Raisina amin'ny nify: Raha tsy voavaha amin'ny tanana, kekero ho afaka io lady io.
Ahitsio |
Kaikitra | : | a.: Fiketohana, famelezana amin'ny nify: Ny kaikitry ny amboakeiy tiana no tsy tanty. 1 t.: Kaikerina, kekerina, akaikitra, voakaikitra, kinaikitra / manaikitra, fanaikitra, mpanaikitra / anaikerana, fanaikerana / mahakaikitra / kaikikaikitra.
Ahitsio |