Litera K

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kidondona: a.: Feo midoboka toy ny feon'ny tany mangoboka aty. 1 Mikidondona, fikidondona 1 ikidondonana, fikidondonana. Ahitsio
Kidongadonga: Jer. Dongadonga. Ahitsio
Kidoro: a.: Lamba voasesika zavatra malemilemy ka atao fandriana. - F -p.: Sesi-kidoro: ny zavatra atao sesiky ny kidoro, toy ny rofia, ny fonjozoro, ny kapoaka, ny fanory, ny horompotsy, ny volomborona, ny landihazo, ka araka izany no anaovana ny kidoro hoe kidoro rofia, fonjozoro, kapoaka, fanory.,. Ahitsio
Kidoso: na Doso (Ski) a.: Filalaovana mikorisa amin'ny tanimanga malama. Ahitsio
Kifafa: Kofafa a.: Fitaovana entina hanilihana na hanesorana ny vovoka sy ny loto amin'ny efitrano na ny tokotany (ny kifafa dia mety ho fototra horona iray mihitsy na bozaka nofehezina ho amboara). Ahitsio
Kifakifa: Kifakifaka a.: Fanesorana na fanilihana amimpahasosorana, fampihatahana amim-pahatezerana. - t.i.f.: Kifakifaina, kifakif ahina, akifakifaka, voakifakifaka / manifakifaka, fanifakifaka, mpanifakifaka 1 anifakifahana, fanifakif ahana / mildfaldfaka, fikifakifaka, mpikifakifaka Iikifakifahana, fikifakifahana I mahakifakifaka. Ahitsio
Kifakifaina: na Kifakifahina (kifakifa) mt ih. (kifakifao na kifakifaho): Esorina, ailika amin-katezerana; roahina amim-pahatezerana. Ahitsio
Kifanimpanina: a: Lalaon'ny ankizy mihodinkodina ka avy eo dia fanina sy mivembena. ¶ M.h.: Sangodim-panina, tsingeringerina, tsingerim-panin a. Ahitsio
Kifehy: Jer. Kofehy. Ahitsio
Kifetriposa: (Btl) a.: Randrambolo betsileo miendrika ton-t gotra na totohondrim-posa. Ahitsio
Kifika: a: Fanilihana maneho fandavana; fanesorana izay mitazona na misakana; loha mihodinkodina tsy manaiky izay lazaina. - t.i.f.: Akifika, voakifika 1 manakifika, fanakifika, mpanakifika I anakifihana, fanakifihana 1 mikifika, fikifika, mpikifika 1 ikifihana, fikifihana / kifikifika. Ahitsio
Kifina: a.: Kefona, fofon'aina avoaka any an'orona tahaka ny fievin'ny saka na ny sokina. - t.i.f.: Kifinina, akifina, voakifina / mikifina, fikifina, mpikifina / ildfinana, fikifinana / mahakifina ) kifin kif in a. Ahitsio
Kifinina: (kifina) p.t: Mifo-delo; tsentsina ny orony. Ahitsio
Kifito an'ila: a: Randram-bolo betsileo miendrik'akondro fito amin'ny ilany, ary toy izany koa amin'ny an-kilany. Ahitsio
Kifolo an'ila: a: Randram-bolo betsileo miendrik'akondro folo amin'ny ilany, ary toy izany koa amin'ny an-kilany. Ahitsio
Kifolona: a : Fakan-javatra fihinana. Ahitsio
Kifongo: a : Aretina mivonto amin'ny ankasarotana. Ahitsio
Kihaihay: a.: Vazivazy, vosobosotra angaronan-dela. - t.i.f.: Mikihaihay, fikihaihay, mpikihaihay 1 ikihaihaizana, fikihaihaizana 1 mahakihaihay. Ahitsio
Kihaihay: (Ski) a: Teny atao mody avily. Ahitsio
Kihanihany: a: Fanorisorena, sangisangy famazivaziana ¶ M.h.: Tsihanihany. Ahitsio