Kila | : | a.: Valala may eny an-tanety ka angonina hamahanana vorona na kisoa.
Ahitsio |
Kilafitsotsy | : | na Kilafahonofotsy (Btl) a.: Randram-bolo betsileo mitovy amin'ny kifolo an'ila, manahatahaka ny akondro (otsy).
Ahitsio |
Kilaina | : | (kilo) mt. ih. (kilao): Doroana, atono.
Ahitsio |
Kilaingalainga | : | a: Vazivazy misy fitapitaka kely hampihomehezana.
Ahitsio |
Kilaka | : | (Br) a: Teny enti-milaza anjara fananan'ny vehivavy, izay tsy inona fa omby.
Ahitsio |
Kilakila | : | a.; Famoriporetana, famozafozana taratasy; f anositoseh ana miharo fanifakifahana, 1 t.Lf•: Kilakilafna, voakila, kinilakila 1 manilakila, fanilakila, mpanilakila 1 anilakilana, fanilakilana 1 mahakilakila.
Ahitsio |
Kilakilaina | : | (kilakila) mt ih. (ki?akilao): Aforiporitra; fozafozaina: Azakilakilaina tahaka izao ity akanjonao. ~ Levilevena, tsy itondrana roa: Nokilakilainy izaitsizy i?ay rand rin y. ¶ M.h.: Kitakitaina
Ahitsio |
Kilalao | : | na Kilaolao a: Zavatra entin'ny ankizy hanary dia azy na hanatanjahany ny tenany: Nahoana no simbanao ity kilalaon-janako? ¶ M.h.: Tsilalao. ~ h.o.: Zavajavatra mahafinaritra: Nataon'ny sa-ka kifalao ilay totozy vao nohaniny. ~ Fanarian-dia misy hira, dihy...: Lasa nizaha kilalao ry Rabe mianakauy.
Ahitsio |
Kilambolambo | : | p.t.: Malamalama, malambolambo. ~ a: Fanalamana, fanalambolamboana. - t.i.f : Kilambolamboina.
Ahitsio |
Kilambolamboina | : | (kilambolambo) p.t. kilambolamboy, Lamaina, atao malambolambo.
Ahitsio |
Kilametra | : | Jer. Filamatra.
Ahitsio |
Kilandy | : | a.: Karazam-borona fotsy.
Ahitsio |
Kilangala | : | a.: Haro fanandratana na fanohizana ny sampy.
Ahitsio |
Kilanjalanja | : | a.: Kilalao ataon' ny ankizy izay mifandimby mifampilanja
Ahitsio |
Kilanjilanjy | : | p.t.: Enti-milaza ny fitombenana mitondritra izaitsizy.
Ahitsio |
Kilanjy | : | a: Fitaovana misy karazana fatana kely sy fantsona ka andorana sy ifohana ravim-paraky pipa
Ahitsio |
Kilàny | : | a: Vatan-kazo noloahana ho toy ny lakan-kely atao fihinanan-kisoa: "Ny omby mahazo ny mololony manao tsako sesilany / ny kisoa miosanosana, mifandrombaka an-kilany" (Dox). ¶ M.h.: Tavin-kisoa, karabe, lokaloka
Ahitsio |
Kilaograma | : | na Kilao a: Vato mizana fototra amin'ny fandanjana zavatra lehibe ka mitovy havesarana amin'ny arivo graina, fa ny fampitahandanja aminy akaiky dia ny rano 1 litatra: Anaouy kely hena iray kilao aho.
Ahitsio |
Kilaohatoto | : | p.t.: May daholo, levona sy tapitry ny afo tsy nisy niangana.
Ahitsio |
Kilaometatra | : | (fc kilomètre) a: Halavkana mitovy amin' ny arivo metatra, izay lasa refy fototra amin'ny: a) fandrefesana elanelan-toerana na tanàna: Fianarana dia 405 kilaometatra auy aty Antananarivo; b) fandrefesana halavan-drenirano na ony: I Mangoky no lava indrindra amin'ny ony rehetra eto Madagasikara fa mahatratra 530 kilaometatra; d) fandrefesana ny hafainganam-pandehan'ny fiara:Mandeha 120 kilaometatra isan' ora isika izao.
Ahitsio |