Litera L

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Lavahana: (lavaka) mt fin (lava-ho): Asiana lavaka: Lavaho kely eto hamboleko katsaka • ho.: Takina: Ananan-dRakoto vola aho ka tavahany foana andro aman'alina Ahitsio
Lavaka: a.: Tany nohadina ka loaka: Latsaka tao anaty Iavaka ny zanany. ~ Loaka amin'ny zavatra iray: Tsy fomba ny manarangarana amin'ny lava-panalahidy, ? Zohy kely tranom-biby: Lava-boalavo. { tif: Lavahana, voalavaka / mandavaka, fandavaka, mpandavaka 1 andavahana, fandavahana / mifandavaka 1 mahalavaka 1 lavadavaka. Ahitsio
Lavanty: (fr. la vente) a.: Varojavatra ampahibemaso ifanongonana hatrany ny vidiny tononina ka izay manonona ambony indrindra — rehefa antsoina intelo ka tsy misy mihoatra intsony — no mahazo ilay zavatra: Hatao lavanty ilay trano atsy Ambodivona. Efa ho lavanty: efa miverimberina tsy misy farany izy izany, efa ho lava. Ahitsio
Lavarangana: (fr. la varangue) a.: Fanampinhy trano ivelan'ny efitra natao hakandrivotra sy hitazantazanana. Ahitsio
Lavareny: p.t.: Miverimberindava tsy misy fiatoany: Ny bedibedinao koa efa ho lavareny ko! Ahitsio
Lavasalaka: a: Anaran-kafailazana ny fandiafasika. Ahitsio
Lavatay: (Btl) a: Garaba. Ahitsio
Lavenana: Fihasimban'ny Levenana. Ahitsio
Lavenona: a.: Vovobovokamalemy manjamanja sisa mijanona avy amin'ny kitay nirehitra ka tsy tonga arina: Tsara hatao zezika ny lavenona. i t.i.f.: Mandavenona. Ahitsio
Laveraka: (Ski) a: Hazo amin' ny ilany ambony amin'ny lain'ny botry. Ahitsio
Laviana: a: Erika, orana madinika kely entin'ny rivotra, izay mazàna mamirifiry izaitsizy: Izany, rahavako, no roa lahy milanja am-betraka — ka sendra laviana miaramiropy — sendra mafana miara-mihinjaka. (Raj. Tselatra). - t.i.f.: Mandaviana, fandaviana. Ahitsio
Lavina: (la) mt.>n. (lavo): Tsy ekena ho marina: Nolaviny izay nolazaiko. 1 Tsy raisina, tsy ekena: Nolaviny izay natoroko azy. / Nolaviny ny fangatahako. ~ Lazaina ampahibemaso fa tsy fantatra: Nolavin'i Piera i Kristy. / Laviko i Satana. Ahitsio
Lavira: a: Anaran-kafa nilazana ny nendra. Ahitsio
Lavitra: p.t.: Tsy akaiky: Lauitra ny toerana misy azy. • h. o.: Lavitra ny hevitro izany lazainao izany. ? Fotoana mbola ho ela: Fantany ny ho avy, na dia mbola lavitra aza. 1 p. mt.: Misy elanelana betsaka: Mahay lavitra Rakoto noho Rabe. i t. L f.: Halavirina na halavitina 1 manalavitra, fanalavitra, mpanalavitra 1 analavirana, fanalavirana 1 mahalavitra / lavidavitra 1 mihalavitra. Ahitsio
Lavo: p. t: Potraka: Nibolisatra izy ka lavo. ~ Voazera amin' ny tany: Tolona amin'ny sakaiza tiana; aleo lauony toy izay mahalavo azy (ohab.). ? Resy: Niady hevitra izahay roa lahy ka lavony aho. it Maty (an-doka): Niloka tamin'ny ady baolina izahay ka lauoko ariary efapolo izy. i t.i.f.: Alavo, voalavo I mandavo, fandavo, mpandavo j andavoana, fandavoana / mahalavo I lavolavo. ¶ M.h.: Potraka, tsirara, mitsinkasina, mianjera, miongana. Ahitsio
Lavorarina: (lavorary) mt ih. (lauorario): Atao vita tanteraka: Lavorario ny raharaha ataonao. Ahitsio
Lavorary: p. t.: Vita araka izay ilana azy, tomombana ny toetrany, tanteraka. - t.i.f.: Alavorary, lavorarina / mandavorary, fandavorary 1 andavorariana, fandavorariana / mahalavorary J halavorary 1 fahalavorarY 1 fahala• vorariana, halavorariana. Ahitsio
Lay: a: Karazan-damba mikitroka ny tenony, lamba fanao irony fialofana fanaovan-dasy; na io fialofana io mihitsy: Kely lambanana loafra ny lay ka tsy nahatakatra ny rindrina avaratra /Nanangana lay tery an-tamponkavoana ny miaramila • Lamba makarakara atao aro moka amin'ny fandriana. • Ny lamba mihantona amin' ny andrin-tsambo izay atosik:y ny rivotra ka mampandeha ny sambo atao hoe Sambolay. - t.i.f•: Laizina/mandaylmilay. Ahitsio
Lay: (Ski) a: Karazan'ahitra any anaty ranomasina. 'Lay p. mdr. na s. mdr.: Jar. I-lay. Ahitsio
Lay: a: Hena alaina trosa, izay efa voafetra ny fotoana handoavana ny vidiny. - t.i.f.: Milay, filay, mpilay / ilaizana, filaizana 1 mahalay. Ahitsio