Lelana | : | (lela) p.t.: Enti-milaza olona mahay vava, mivatsavatsa ery.
Ahitsio |
Lelany | : | Jer. [Lela] Ahitsio |
Lelavola | : | a.: Teny enti-milaza vola vy na taratasy azo ampiasaina avy hatrany amin'b zao, fa tsy taratasim-bola mbola tokony hatakalo.
Ahitsio |
Lelefana | : | (lelika) mt.ih. (laie-fo): Totorana: Tokony hole-Lefana ity lavaka it? alohan' ny fahavaratra
Ahitsio |
Lelika | : | p.t.: Tototra, voasarona: Lelika ny hady. 1 Fano: Leliky ny antsanga inty ny tanimbary. Tsy mahalala ny fahorian'ny sasany intsony izy, fa efa leliky ny harena. - t.i.f.: Lelefana, alelika, voalelika I mandelika, fandelika, mpandelika / andelefana, fandelefana / mahalelfka.
Ahitsio |
Lelo | : | a: Tsiranorano maditidity mivoaka avy any an'orona rehefa mitomany na voan'ny sery. - F.-p.: Manisin-delo: mamoaka ny lelo amin'ny fanosehan'ny rivotra azy avy any anaty orona. f Mifo-delo: mitroka ny lelo hiverina any anaty orona, fa tsy manisina azy. / Paka lelo: enti-milaza irony ankizy izay mikirazorazo lava mipaka eo amin'ny molony ny lelony. / Lelomborontsiloza: ilay hoditra mena mikiraviravy eo ambony vavan'ny vorontsiloza * Ohab.: Ahy, hono, izany lelo haisiko!: enti-milazahoe "raha mba izaho no nanankanaovana, asa fotsiny 1"
Ahitsio |
Lema | : | p. t.: Mahay sY kinga, mailaka.
Ahitsio |
Lemahina | : | (lemaka) mt. ih. (lemaho): Atao lemaka, arenina: Holemahina tsara ny tokotany alohan'ny hanorenana ny trano.
Ahitsio |
Lemaka | : | p.t.: Marin-tampon: Tany lemaka. 1 a: Tanymarin-toerana hatrany, zara raha misy ahitana lohasaha, ankandemponana: Ny lemak'i Marovoay. t.i.f.: Lemahina, alemaka, voalemaka/mandemaka, fandemaka, mpandemaka / andemahana, fandemahana / mahalemaka / lemademaka. Tany marina, ankamarenana, ankapetrahana, maharemana, tamponketsa, dembademba, lembalemba, marin-tampon, deboka, komakoma, ankandemponana, lohasaha.
Ahitsio |
Lemana | : | (Lena) mt.ih. (lemo): Asiana rano, mandoina: Lemo ny valopy hiditiany tsara. 1 Kotsaina: Lemo (rano) ny lohany raha mafana loatra izy.
Ahitsio |
Lemba | : | p.t.: Maty.
Ahitsio |
Lembalemba | : | (lemba) a: Tany marin-tampona ambony havoana. i t.Lf.: Milembalemba.
Ahitsio |
Lembenana | : | Fiteny miaraka a• min'ny hoe Manaiky: Manaiky lembenana: manaiky no-ho ny tahotra, na henatra, manaikinaiky foana. ¶ M.h.: Manaiky lempona, manaraka ambokony.
Ahitsio |
Lembolembo | : | (lembo) a: Loiloy noho ny fofona ratsy ren'ny orona. - t.i.f.: Milembolembo, filembolembo.
Ahitsio |
Lemena | : | (lemy) mt. ih. (lemeo): Atao bodaka, mihonankonana: Nolemena tsara aloha ny rihitra. 1 Atao malefaka, mora tsakoina: Lemena anaty rano aloha ny tsaramaso vao handroina. / Lemeo tsara ny hena. / Tonga mihena hery: Nolemen'ny aretina roa vola-na izy. 1 h.o.: Aza mety ho lemen'ny naman-dratsy. / Kapohina, lakasina: No!emen-drainy ny hazo Ilita vao hendry.
Ahitsio |
Lemo | : | sy Lemolemo (lemo) a.: Famonjaionjana na fitsapatsap ana zavatra malemilemy. i t.i.f: Lemolemoina, voalemolemo 1 mandemolemo, fandemolemo, mpandemolemo I andemolemoana, fandemolemoana I mahalemolemo.
Ahitsio |
Lemoka | : | p.t.: Miditra kely ny molotra ambony: Tsy hitanao ve ilay Rangahy lemoka iny e?. ¶ M.h.: Gema,kepaka.
Ahitsio |
Lemolemoina | : | (lemoina) mt. ih. (lemolemoy): Potsipotsehina.
Ahitsio |
Lemozy | : | a: Fangatahana mizizo lava tsy mety mijanona raha tsy mahazo; fangatahana somary maneritery sy manelingelina: Manao lemozy er? io Rangahy io rehefa miangavy zavatra.
Ahitsio |
Lempaina | : | (lampa) mt. ih. (lempao): Pepoina.
Ahitsio |