Liana | : | p.t.: Maniry mafy (ta handre na hahita na hihinana...); dodona handre, may ta handre vaovao: Liana ny hahita an-drainy i Naiuo. / Efa liana er? izahay, ry nenibe, fa atombohy ny angano. é nef.: Halianana, fahalianana. el Afa-diana: afa-potamin'ny fialaht-boly na tamin' ny fialan-tsasatra ka tsy maniry ny hanohy intsony; tsy manan-javatra irina hojerena na hohanina intsony. I Liana ady: fatra-pitady ady, te hiady foana. / Lian-tsofina: ta handre vaovao izaitsizy, ta handre bebe kokoa satria tsy nahare tsara na tsy afa•po tamin'izay re. I Manao tsy liantsofina: milaza mialoha arnin'olona zavatra vaovao izay mbolaho henony ihany. / Manala liana: manome ny bevohoka izay tiany hohanina. ¶ M.h.: manalaratsiaina. / Miala liana: manampatra mihinana izay tiana hohanina (fiteny arnin'ny bevohoka indrindra).
Ahitsio |
Liba | : | (fr. libre) ft: Fanaranampo tanteraka; fitiavana lalao sy fahafinaretana. i t. L f.: Miliba, filiba, mpiliba / ilibane, filibana 1 aliba.
Ahitsio |
Lietnà | : | (fr, lieutenant) a,: Manamboninahitra amin'ny foloalindahy an-tanety sY ana habakabaka,ambonin'ny Solletnà ary ambanin'ny Kapiteny, mitovy fahamboniana amin'ny Enseigne de vais-seau kilasy voalohany amin' ny tafika an-dranomasina (jer. Grady).
Ahitsio |
Lietnà-Kolonely | : | (fr, lieutenant-colonel) a,: Manamboninahitra amin'ny foloalindahy an-tanety sy ana habakabaka, ambonin'ny Komandà ary ambanin'ny Kolonely; mitovy fahamboniana amin'ny Capitaine de frégate amin'ny tafika an-dranomasina (jer. Grady).
Ahitsio |
Lihitra | : | a.: Maimay sy maimaika hanao zavatra noho ny hajejoana: Lihitra ery izy handeha handihy any amin' ny namany. ¶ M.h.: Lingitra. • Kely loha, maivan-doha. • t f f.: Milihitra, filihitra, mpilihitra 1 ilihirana, filihirana 1 mahalihitra 1 lihidihitra. ¶ M.h.: Liana, litika (solitika), liaka, lefaka, maola, pendina, dedaka, tefotra, seriny, sedika, roboka, adala, mihaitraitra, mimaty (mimatimaty), minitinitika, mihoalahoala, matin-kanin-kely, matim-pitia toa lalitra.
Ahitsio |
Lilatra | : | a.: Soritra tavela, lalatra.
Ahitsio |
Lilia | : | (angl, lily): Jar. Lise,. Lilo ft. : Niavian'ny hoe Maiilo.
Ahitsio |
Liloha | : | (Btl) a.: Omby vositra fa mitarehin'ombalahy.
Ahitsio |
Lilotra | : | a : Fidirana any anatin' ny masonkoditra. 1 f : Tafalilotra 1 mililotra, fililotra / lilodilotra.
Ahitsio |
Lily | : | (Br) na Baka (Mer) p.t.: Enti-milaza tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry, kanefa misompirana.
Ahitsio |
Lily | : | (Ski) a.: Fomba: Lilin-drazana.
Ahitsio |
Lima | : | (Ski) a: Vilia hazo lava-lava fanesorana rano ao anaty lakana.
Ahitsio |
Limby | : | (fr. limbes) a: (araka ny finoana katolika) Toerana nisy ny olo-marina maty talohan'ny namohan'i Jesoa-Kristy ny lanitra; toerana misy ny zaza tsy manan-tsiny maty tsy vita batemy.
Ahitsio |
Limonady | : | (fr, limonade) a.: Zavapisotro tsy misy alkaola izay amboarina avy amin'ny voasarimaktrana ka asiana rano sy siramamy ary indraindray gazy, izay mampisy tapoakan-drivotra mahatsara ny tsirony sy mahamanimanitra azy.
Ahitsio |
Linga | : | (Ski) a.: Hazo lava mitsatoka eo amin'ny tendron' ny botry roa eo an-kavian'ny lakana haningorana ny tady fanenjanana ny lay.
Ahitsio |
Lingilingy | : | (lingy) a: Teronterona; toetran'izay eo amin' ny toerana avo er? an-ten- drony. - t.i.f.: Milingilingy, filingiingy, mpilingilingY 1 ilingilingiana, filingilingiana 1 mahalingitingy.
Ahitsio |
Lingitra | : | p.t.: Lihitra, maimay hanao zavatra noho ny hajejaana. - t.i.f.: Milingitra, filingitra, mpilingitra 1 ilingirana, filingirana na filingitana 1 mahalingitra / lingidingitra / halingirana, halingitana.
Ahitsio |
Lio | : | (fit.-p.)a.: Ra.
Ahitsio |
Liona | : | (fr. lion) a: Biby lehibe sy matanjaka ary masiaka.
Ahitsio |
Lisa | : | (Ski) a.: Toto. 1 t i. f.: Mandisa.
Ahitsio |