Litera M

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Manantely: (tantely) mt. s.: Mandeha mitady na miremby tantely. Ahitsio
Manantena: (tena, antena) mt. p. (manantenà): Matoky fa hahazo: Manantena ny laniira ny kristianina. / Manantena aho fa raha vao tonga ianao dia hanoratra ? Manampo, mikasa: Nanantena ny handeha aho, nefasendra sampona ka tsy lasa ? Miandry: Manantena anay izy rahampitso hiara hisakafo aminy. Ahitsio
Mananteraka: Jer. Maninteraka. Ahitsio
Manantitrantitra: (an titra) mt. p. (manantitrantera): Man amafy, manizingizina: Tsy vizana ny manantitra aminareo ny maha-tsara ny asa aho. Ahitsio
Manantona: (hantona) mt.p. (manantiina): Mamp ikirazoraz o, mampikiraviravy: Manan tc^ a fanaovan-jiro. Ahitsio
Manantsasaka: (antsasaka) mt p.: Mamela hipetraka elaela mba hamorivory, hiketriketrika Ahitsio
Manantsika: (hantsika) mt.p. (manantsiha): Mampibaraingo, mamoritra ho tahaka ny andohalambo, mamokoka: Vao nisy nanantsika ity rotsakazo it? fa nahitsy izy tao. Ahitsio
Manantsody: (antsody) manantsodia) mt. p.: Mamindra ny kofehin-dandy amin'ny volotara na famahanan-tenona, Ahitsio
Mananty: (tanty) mt.p. (manantaza): Miandry zavatra hianjera ka mandray in zavatra io amin'ny tanana valut-na: Tsy mahay mananty baolina ialahy. ? h,o.: Mangataka: Mananty an-tanan-droa aminao, Tompoko. Ahitsio
Manao: (tao) mt.p. (manaova): Mamorona zavatra vaovao: 1 Denis Papin no nanao ny masinina mandeha amin'ny herin'ny etona. ? Mahary, mampisy ny tsy misy: Andriamanitra no nanao izao tontolo izao. ? Manamboatra, manangana, mandrafitra: Nanao trano any ambanivohitra izahay. / Manao iataba tra ? Mikarakara sy mahavita, manatanteraka asa iray: Aoka samy hanao ny adidiny. / Tsy hanao izany tetika amporisihinao izany aho na homenao vola be aza ? Miteny, milaza: Dia hoy Andrianampoinimerina nanao hoe: "Ny ranomasina no valampariako. ? Milatsaka, mirotsaka amin'ny raharahairay: Nanao dokotera ny zokiko. * Mihevitra: Manao ahy ho badolahy manko ianao. ? Mikasa, mite tika: Nanao handeha rahariva izy. ? Mtondra (akanjo, fitafiana na haingo) eny amin'ny tena: Tonga nitady anao teo ilay olona manao solomaso mainty iny. ? Ahitsio
Manapaingo: (paingo) mt.p.: Managadra. Ahitsio
Manapaingotra: (paingotra) mt. p. (manapaingora): Mitana amin'ny paingotra. Ahitsio
Manapaka: (tapaka) mt p. (manapàha): Mandidy zavatra amin-java-maranitra na amin' ny fomba hafa ka tarangana mizara roa misaraka ilay zavatra: Nisy nanapaka na pensiliko. ? Mampiato, mampijanona: Aza misy manapaka ny teniko. ? Mandidy: Iza no afaka hanapaka ny amin' ny aiko sy ny fananako? ? Tsy tonga miasa na mianatra: Tsy mbola nanapaka io mpiasa io hatramin'ny nidirany. Ahitsio
Manapararàtra: (pararatra) mt. p. (manapararata): Manidina rano (toy ny amin'ny alalan' ny fantsona); manidina voan-javatra (toy ny avy ao anaty lasaka misy loaka). Ahitsio
Manapararetra: (pararetra) mt. p. (manaparareta): Mampangovitra izaitsizy. Ahitsio
Manaparasaka:(parasaka) mt. p. (manaparasaha): Manaparitaka, manely; mampiseho miharihary tsy misy miafina. Ahitsio
Manapariaka: (pariaka) mt.p. (manapariaha): Manaparitaka, manahaka. Ahitsio
Manapariritra: (pariritra) mt.p. (manaparirita): Manafantsitsitra. Ahitsio
Manaparitaka: (paritaka) mt.p. (manaparitaha): Manely tsy amin'ny toerana iray; manely tsisy kototony. Ahitsio
Manapasaka: (pasaka) mt p.: Manely, mamakivaky maro. Ahitsio